plt_tn/jdg/11/34.md

1.0 KiB

apongatapaka

Izany dia zava-maneno mitovy amin'ny amponga velezina ary misy koritsam-by manodidina azy mba hampaneno azy rehefa akoritsana.

norovitiny ny akanjony

Izany fihetsika izany dia entina maneho fisaonana na alahelo lehibe. DH: "norovitiny nohon'ny alahelo ny akanjony"

Notorotoroninao tamin'ny alahelo aho, ary ianao ilay lasa mampahory ahy

Niteny izany i Jefta mba hanasongadinany fa nalahelo mafy izy"

Notorotoroninao tamin'ny alahelo aho

Ny alahelo lehibe an'i Jefta dia resahiny toy ny zavatra manorotoro azy. DH: "Nahatonga ahy alahelo mafy ianao" na "Nofenoinao alahelo aho"

ianao ilay lasa mampahory ahy

Eto dia miresaka ny fijaliany lehibe sy olany toy ny fanaintainana i Jefta. DH: "lasa olona mampahory ahy ianao" na "mahatonga ahy hijaly loatra ianao"

tsy afaka miverina amin'ny fampanantenako

Izany dia fomba fiteny. Ny hoe "miverina amin'ny fampanantenana'' dia midika hoe tsy manatanteraka izay nampanantenaina. DH: "Tsy maintsy manatanteraka izay efa nampanantenaiko aho" na "Tsy afaka mivadika fampanantenana izay nataoko aho"