forked from WA-Catalog/plt_tn
1.0 KiB
1.0 KiB
Miakara eny amin'ny tendrombohitra avo, ry Ziona, mpitondra vaovao mahafaly
Miresaka an'i Ziona toy ny hoe mpitondra hafatra izay manambara vaovao mahafaly eny an-tampon-tendrombohitra ny mpanoratra.
Miakara eny amin'ny tendrombohitra avo
Matetika ireo mpitondra hafatra dia mijoro eny amin'ny tany avo, tahaka ny tendrombohitra, mba ahafahan'ny olona maro mandre izay lazainy.
Ziona
Io dia manondro ny olona izay mipetraka ao Ziona. DH: "ianareo ry vahoakan'i Ziona"
Jerosalema. Ianao izay mitondra vaovao mahafaly
Miresaka an'i Jerosalema toy ny hoe mpitondra hafatra izay manambara vaovao mahafaly ny mpanoratra.
ny sandriny mahery no hanapaka ho azy
Eto ny teny hoe "sandry" dia manambara ny herin'Andriamanitra. DH: "ary manapaka amin'ny heriny lehibe Izy"
ny valisoany miaraka aminy...ireo izay navotany dia mandeha eo anoloany
Ireo andianteny roa ireo dia midika zavatra iray ihany amin'ny ankapobeny. Ny olona izay novonjeny no "valisoany". DH: "mitondra ireo izay novonjeny niaraka taminy ho toy ny valisoany Izy"