2.0 KiB
Fampahafantarana amin'ny ankapobeny:
Manohy milaza izay nitsaran'Andriamanitra ny firenena tao amin'ny 13:1-23:18 Isaia.
Fanambarana momba an'i Tyro
"Izao no ambaran'i Yaveh momba an'i Tyro"
Midradradradrà, ianareo ry sambon'i Tarsisy
Eto ny "sambo" dia ilazana ny olona ao anatin'ilay sambo. Ny olona antin'ireo sambon'i Tarsisy dia resahin'Isaia toy ny hoe afaka mandre azy. DH: "Miantsoantsoa amin'ny fahaverezan-kevitra ry lehilahin'ny sambon'i Tarsisy"
fiantsonana
faritry ny ranomasina izay akaiky tanety ary azo antoka ho an'ny sambo
avy tao amin'ny tanin'i Kyprosy no nanambarana izany tamin'izy ireo
DH: "nandre momba an'i Tyro ireo lehilahy fony tany amin'ny tanin'i Kyprosy"
Mangìna, ianareo ry mponin'ny morontsiraka
Resahin'Isaia toy ny hoe mandre azy ireo ny vahoakan'ny morontsiraka.
Mangìna
Fomba fiteny io. Eto ny fahanginana dia natao mba hanehoana fahatairana na fahagagana. DH: "Aoka ho taitra"
ny morontsiraka
Ny "morontsiraka" dia ny tany manakaiky na manodidina ny ranomasina na ranomasim-be. Eto izany dia manondro ireo vahoaka izay monina ao Fenisia izay manamorona ny ranomasina Mediteraneana.
fa ny mpivarotra ao Sidona, izay miatsambo amin'ny ranomasina, dia efa nameno anareo
Eto ny "mpivarotra"dia midika "mpivarotra maro." DH: ïreo mpivarotrí Sidona, izay mandeha an-dranomasina, dia efa nampanan-karena anareo"
Teo ambonin'ireo rano lehibe no nisy ny varin'i Sihora
Sihora dia anarana lohasaha iray akaikin'ny Reniranon'i Neily ao Egypta izay fantatra amin'ny famokarany voa. DH: "Namakivaky ny ranomasina lehibe ireo lehilahy mba hitatitra ny vary avy any Silora any Egypta.''
ny vokatr'i Neily no vokany
Nojinjaina teo akaikin'ny reniranon'i Neily ireo vary ary notanterina teny amin'ny renirano ary avy eo nankany Fenisia.
tonga raharaham-barotra ho an'ireo firenena izany
Ny raharaham-barotra dia ny fividianana sy fivarotana vokatra. Eto ny "firenena" dia ilazana ny olona. DH: "tany amin'izay nandehanan'ny olona mba hivarotra sy hividy vokatra no nisy anareo"