plt_tn/hos/13/12.md

821 B

Fampahafantarana amin'ny ankapobeny:

Miteny Yaveh.

fa notehirizina ny helok'i Efraima; notehirizina ny helony

Ireo andian-teny roa ireo dia mitovitovy ary mitovy hevitra ihany.

Efa notehirizina

Ny heloka sy ny fahamelohan'ny fanjakana tavaratra dia resahina toy ny hoe zavatra izay azo tehirizina nohon'ny antony manokana.

Ny fangirifirian'ny fiterahana dia ho tonga eo aminy

Eto Yaveh dia miresaka momba ny fanaintainana izay hiaretan'ny vahoakan'Israely toy ny hoe fanaintainan'ny fiterahana.

fa zanaka lahy tsy manam-pahendrena izy, satria rehefa tonga ny fotoana ahaterahana, dia tsy mivoaka avy ao am-bohoka izy

Izao Yaveh dia mamaritra ny vahoakan'Israely toy ny hoe zazakely izay ateraky ny reniny. Tsy hendry ilay zaza satria tsy te ho teraka. Tsy te hibebaka ny olona ary hankatoa an'i Yaveh.