plt_tn/eph/05/25.md

1.2 KiB

tiavo ny vadinareo

Eto ny ''tiavo'' dia maneho ny fanompoana tsy misy fitiavan-tena na fanomezana fitiavana ny vady"

nanomezany azy ny ainy

''namela ny olona hamono Azy"

tamin'ny fanadiovana azy tamin'ny rano fanasana amin'ny teny

Ireo dika azo heverina: 1) Paoly dia maneho ny fanadiovan'Andriamanitra ny olon'i Kristy amin'ny tenin'Andriamanitra sy amin'ny alalan'ny rano fanaovana batisa ao amin'i Kristy na 2) Paoly dia milaza fa Andriamanitra dia manadio antsika ara-panahy amin'ny fahotantsika amin'ny alalan'ny tenin'Andriamanitra raha manadio ny vatantsika amin'ny fanasana amin'ny rano isika.

nanomezany azy ny ainy ... manamasina azy ... tamin'ny fanadiovana azy

Paoly miresaka ny fikambanan'ny mpino toy ny hoe vehivavy izay ho vadian'i Jesosy izany. DH: '''nanomezany antsika ... manamasina antsika ... tamin'ny fanadiovana antsika''

tsy misy pentina na kentrona

Paoly miresaka ny fiangonana toy ny hoe akanjo izay madio sy mbola tsara izany. Mampiasa hevitra mitovy amin'ny fomba roa izy mba hanamafisana ny fahadiovan'ny fiangonana.

masina sady tsy misy diso

Ny teny hoe ''tsy misy diso'' dia midika amin'ny ankapobeny toy ny ''masina.'' Paoly mampiasa ireo roa miaraka mba hanamafisana ny fahadiovan'ny fiangonana"