1.2 KiB
Fampifandraisana ny foto-kevitra
Ao amin'ny andininy faha 32 ny tantara dia mifindra avy any amin'i Saoly mankany amin'ny fizarana vaovao mahakasika an'i Petera.
Fampahalalana ankapobeny
Ny andininy faha 31 dia fanambarana izay manome vaovao farany amin'ny fitomboan'ny fiangonana.
ny fiangonana nanerana an'i Jodia rehetra, Galilia, ary Samaria
Eto ny "fiangonana" dia manondro ireo mpino ao anatin'ireo vondrona manerana an'Israely.
nanana fiadanana
"niaina amin-piadanana". Izany dia midika fa ilay fanenjehana izay niatomboka tamin'ny famonona an'i Stefana dia tapitra.
voaorina
DH: "Andriamanitra no nanampy azy ireo hitombo" na "ny Faahy Masina no nanorina azy ireo"
nandeha tamin-tahotra ny Tompo
"nanohy nanome voninahitra ny Tompo"
tamin'ny fampiononan'ny Fanahy Masina
"niaraka tamin'ny Fanahy Masina nampahery sy nandrisika azy ireo"
Dia tonga izany ankehitriny
Nampiasana io fehezan-teny io hanamarihana fizarana vaovao ao amin'ny tantara.
nanerana ny faritra manontolo
Io dia hitatra hilazana ny habetsak'ireo mpino manerana an'i Jodia, Galilia sy Samaria notsidihan'i Petera.
nidina
Ny teny hoe "nidina" dia nampiasaina eto satria Lyda dia ambany kokoa noho n ireo toerana hafa izay handehanany.