plt_ulb/20-PRO.usfm

1872 lines
99 KiB
Plaintext

\id PRO
\ide UTF-8
\h Ohabolana
\toc1 Ohabolana
\toc2 Ohabolana
\toc3 pro
\mt Ohabolana
\s5
\c 1
\p
\v 1 Ireo ohabolan'i Solomona zanak'i Davida, mpanjakan'Israely.
\v 2 Ireto ohabolana ireto dia natao mba hampianatra fahendrena sy torolalana, hampianatra ireo tenin'ny fahalalana,
\v 3 hahazoanao torolalana mba hiaina amin'ny fanaovana ny marina, rariny, ary ny hitsiny.
\s5
\v 4 Ireto ohabolana ireto ihany koa dia natao hanome fahendrena ho an'ny kely saina, ary hanome fahalalana sy fahamalinana ho an'ny tanora.
\v 5 Aoka ny olon-kendry hihaino ka hampitombo ny fahalalany, ary aoka ny olona mahay manavaka hahazo tari-dalana,
\v 6 mba hahatakatra ireo ohabolana, ireo oham-pitenenana, sy ny tenin'ny olon-kendry mbamin'ireo ankamantany.
\s5
\v 7 Ny tahotra an'i Yaveh no fiandoham-pahalalana— ny adala manamavo ny fahendrena sy ny fampianarana.
\v 8 Ry zanako, henoy ny fampianaran-drainao ary aza miala amin'ny fitsipiky ny reninao;
\v 9 ho fehiloha tsara tarehy ho an'ny lohanao ireny ary rado mihantona eo amin'ny tendanao.
\s5
\v 10 Ry zanako, raha mitady haningotra anao ho amin'ny fahotan'izy ireo ny mpanota, dia aza manaiky hanaraka azy.
\v 11 Raha hoy izy ireo hoe: "Avia hiaraka aminay, andeha isika hanotrika hamono olona, andeha isika hiafina ka hamely olona tsy manan-tsiny amin'ny tsy misy antony.
\s5
\v 12 Andeha hatelintsika velona ireny, tahaka ny fakàn'ny Fiainan-tsy Hita ireo izay salama, ary hanao azy ireo ho toy ireo izay milatsaka an-davaka.
\v 13 Ho hitantsika ireo karazan-javatra sarobidy rehetra; ho fenointsika amin'izay hangalarintsika amin'ny hafa ny tranontsika.
\v 14 Atsipazo miaraka aminay ny filokanareo; hanana poketra iray ihany isika rehetra."
\s5
\v 15 Ry zanako, aza mandeha midina amin'izany lalana izany miaraka amin'izy ireo; aza avela hikasika izay halehany ny tongotrao;
\v 16 mihazakazaka ho amin'ny ratsy ny tongony ary maika handatsa-drà izy ireo.
\v 17 Fa tsy misy dikany ny hamelarana harato hamandrihana vorona raha mitazana ilay vorona.
\s5
\v 18 Mikotrika hamono ny tenany ihany ireny olona ireny— manao vela-pandrika ho an'ny tenany izy ireo.
\v 19 Toy izany koa ny lalan'ny olona rehetra izay mahazo harena amin'ny tsy rariny; ny harena azo amin'ny tsy rariny manaisotra ny ain'ireo izay mifikitra amin'izany.
\s5
\v 20 Mivazavaza eny an-dalana ny fahendrena, mampiakatra ny feony eny ankalamanjana izy;
\v 21 eny amin'ireo loha-lalana mikotaba no hitabatabany, eny amin'ny fidirana eny amin'ny vavahadin'ny tanàna no hitenenany hoe:
\v 22 "Ho mandra-pahoviana, ianareo ry olona kely saina, no hitia ny habadoana? Ho mandra-pahoviana, ianareo ry mpandrabiraby, no hankamamy ny fandrabirabiana, ary ho mandra-pahoviana, ianareo ry adala, no hankahala ny fahalalana?
\s5
\v 23 Tandremo tsara ny fananarako; hararako aminareo ny fihevitro; hataoko fantatrareo ny teniko.
\v 24 Efa niantso aho, ary nandà ny hihaino ianareo; naninjitra ny tanako aho, saingy tsy nisy niraharaha.
\v 25 Fa nodianareo fanina ny fampianarako rehetra ary tsy nohenoinareo ny fananarako.
\s5
\v 26 Hihomehy ny lozanareo aho, handatsa anareo aho rehefa tonga ny horohoro—
\v 27 rehefa tonga tahaka ny tafiotra ny fandringanana mampatahotra ary mifaoka anareo tahaka ny tadio ny loza, rehefa tonga aminareo ny fahoriana sy ny fangirifiriana.
\s5
\v 28 Dia hiantso ahy izy ireo, fa tsy hamaly aho; hiantso ahy fatratra izy ireo, fa tsy hahita ahy.
\v 29 Satria mankahala fahalalana izy ireo ary tsy nifidy ny tahotra an'i Yaveh,
\v 30 tsy nanaraka ny fampianarako izy ireo, ary nanamavo ny fananarako rehetra.
\s5
\v 31 Hihinana ny vokatry ny lalany izy ireo, ary ny vokatry ny teti-dratsin'izy ireo no hameno azy.
\v 32 Fa voavono ny kely saina rehefa mivily, ary hamotika azy ny tsy firarahian'ny adala.
\v 33 Fa na iza na iza mihaino ahy dia hiaina am-pilaminana ary ho voaaro tsy hatahotra loza."
\s5
\c 2
\p
\v 1 Ry zanako, raha mandray ny teniko ianao ary raketinao ao aminao ireo didiko,
\v 2 dia aoka ny sofinao hitandrina tsara ny fahendrena ary atongilano ho amin'ny fahazavan-tsaina ny fonao.
\s5
\v 3 Raha mihiakiaka ho amin'ny fahazavan-tsaina ianao ary mampiaka-peo ho amin'izany,
\v 4 raha mitady izany tahaka ny hitadiavanao volafotsy ianao ary mitady ny fahazavan-tsaina tahaka ny fitady harena miafina,
\v 5 dia ho fantatrao ny tahotra an'i Yaveh ary ho hitanao ny fahalalana an'Andriamanitra.
\s5
\v 6 Fa manome fahendrena i Yaveh, avy amin'ny vavany no hiavian'ny fahalalana sy fahazavan-tsaina.
\v 7 Mitahiry ny fahendrena tsara ho an'ireo izay ankasitrahany Izy, Izy no ampingan'ireo izay mandeha amin'ny fahitsiana,
\v 8 miambina ireo lalan'ny rariny Izy ary hiaro ny lalan'ireo izay mahatoky Azy.
\s5
\v 9 Dia ho tsapanao ny fahamarinana, ny rariny, sy ny hitsiny, ary ny lalana tsara rehetra.
\v 10 Fa hiditra ao am-ponao ny fahendrena, ary hahafinaritra ny fanahinao ny fahalalana.
\s5
\v 11 Hiaro anao ny fahamalinana, ary hiambina anao ny fahazavan-tsaina.
\v 12 Hanavotra anao amin'ny lalan-dratsy ireo, amin'ireo izay miteny zava-dratsy,
\v 13 izay mandao ireo lalan'ny fahamarinana ary mandeha amin'ny lalan'ny fahamaizinana.
\s5
\v 14 Mifaly izy ireo rehefa manao ratsy ary finaritra amin'ny fahavetavetan'ny ratsy.
\v 15 Manaraka lala-meloka izy ireo, ary nampiasa ny fitaka hanafenana ny lalany.
\s5
\v 16 Fahendrena ary fahamalinana no hanavotra anao amin'ny vehivavy janga, amin'ny vehivavy ratsy fitondran-tena sy ny teniny mandoka.
\v 17 Mahafoy ny sakaizan'ny fahatanorany izy ary manadino ny fanekeny tamin'ny Andriamaniny.
\s5
\v 18 Fa ny tranony mitarika amin'ny fahafatesana ary ireo lalany hitondra anao ho amin'ireo izay any am-pasana.
\v 19 Izay rehetra miditra ao aminy dia tsy hiverina intsony ary tsy hahita ny lalan'ny fiainana izy ireo.
\s5
\v 20 Dia handeha amin'ny lalan'ny olona tsara ianao ary hanaraka ireo lalan'ny olo-marina.
\v 21 Fa ireo manao ny marina no hanao fonenana eo amin'ny tany, ary ireo tsy mivadika no hitoetra ao amin'izany.
\v 22 Fa ny ratsy fanahy hofongorona eo amin'ny tany, ary ny tsy manam-pinoana hofongorona eo amin'izany.
\s5
\c 3
\p
\v 1 Ry zanako, aza manadino ny didiko ary tano ao am-ponao ny fampianarako,
\v 2 fa andro lava sy taona maro hiainana ary fiadanana no hanampian'ireo anao.
\s5
\v 3 Aza avela handao anao ny tsy fivadiham-panekena sy ny fahamendreham-pitokisana, hampifamatory eo amin'ny vozonao ireo, ary raketo ao amin'ny vato fisaky ny fonao.
\v 4 Dia hahita fitia sy ho tsara laza eo imason'Andriamanitra sy ny olona ianao.
\s5
\v 5 Matokia an'i Yaveh amin'ny fonao manontolo ary aza miankina amin'ny fahalalanao ihany;
\v 6 maneke Azy amin'ny lalanao rehetra ary Izy no hampahitsy ny lalanao.
\s5
\v 7 Aza hendry eo imasonao ihany; matahora an'i Yaveh ka ialao ny ratsy.
\v 8 Ho fanasitranana ho an'ny nofonao ary famelombelomana ho an'ny vatanao izany.
\s5
\v 9 Manajà an'i Yaveh amin'ny harenao sy ny voaloham-bokatry ny vokatrao rehetra,
\v 10 dia ho feno ny trano fitehirizam-bokatrao ary ho vaky hitobatobaka ny fitoeram-boalobokao, feno divay vaovao.
\s5
\v 11 Ry zanako, aza manamavo ny fampianaran'i Yaveh ary aza mankahala ny fibedesany,
\v 12 fa ireo izay tiany no faizin'i Yaveh, toy ny ataon'ny ray amin'ny zanany izay ankasitrahany.
\s5
\v 13 Sambatra izay mahita fahendrena; fa mahazo fahazavan-tsaina ihany koa izy.
\v 14 Tsara noho izay omen'ny volafotsy ny azonao avy amin'ny fahendrena ary ny tombony dia tsara mihoatra ny volamena.
\s5
\v 15 Sarobidy noho ny firavaka ny fahendrena ary tsy misy azonao ampitahaina aminy izay mety ho irianao.
\v 16 Andro lava no eo an-tanany ankavanana; ary harena sy voninahitra no eo an-tanany ankavia.
\s5
\v 17 Lalan'ny fahalemem-panahy ny lalany ary fiadanana avokoa ny lalany rehetra.
\v 18 Izy no hazon'aina ho an'ireo izay mihazona izany, sambatra ireo izay mifikitra amin'izany.
\s5
\v 19 Tamin'ny fahendrena no nanorenan'i Yaveh ny tany, tamin'ny fahazavan-tsaina no nampitoerany ny lanitra.
\v 20 Tamin'ny fahalalany no nitriaran'ny lalina ary nampilatsaka ny andony ny rahona.
\s5
\v 21 Ry zanako, tano ny fitsarana sy fahaiza-manavaka marina, ary aza alàna amin'ny masonao izany.
\v 22 Ho aina ho an'ny fanahinao ireny ary ravaky ny fankasitrahana hanaovana manodidina ny tendanao.
\s5
\v 23 Dia handeha amin'ny lalanao am-pilaminana ianao ary tsy ho tafintohina ny tongotrao;
\v 24 rehefa mandry ianao, dia tsy hatahotra; rehefa mandry ianao, dia ho mamy ny torimasonao.
\s5
\v 25 Aza matahotra ny horohoro avy tampoka na ny fandravana ataon'ny ratsy fanahy, rehefa tonga izany,
\v 26 fa Yaveh no ho eo anilanao ary hiaro ny tongotrao tsy ho voan'ny fandrika.
\s5
\v 27 Aza mamihina ny soa amin'ireo izay mendrika izany, raha ao amin'ny herinao ihany ny hiasa.
\v 28 Aza miteny amin'ny namanao hoe: "Mandehana, ka tongava indray, ary rahampitso no hanomezako izany," raha hanananao any aminao ihany ilay vola.
\s5
\v 29 Aza manao tetika hanisy ratsy ny namanao— dia ilay monina eo akaikinao ary matoky anao.
\v 30 Aza mifanditra amin'ny olona amin'ny tsy antony, raha tsy nanisy ratsy anao izy.
\s5
\v 31 Aza mialona ny olona maherisetra na misafidy izay lalany.
\v 32 Fa maharikoriko amin'i Yaveh ny olona maniasia, fa hampitokiany aminy kosa ny olona mahitsy fo.
\s5
\v 33 Eo amin'ny tranon'ny ratsy fanahy ny fanozonan'i Yaveh, fa mitahy ny fonenan'ny olo-marina kosa Izy.
\v 34 Mandatsa ny mpandrabiraby Izy, fa manome sitraka ho an'ny olona manetry tena.
\s5
\v 35 Ny olon-kendry mandova voninahitra, fa ny adala kosa dia hisandratra amin'ny fahamenarany.
\s5
\c 4
\p
\v 1 Mihainoa, ny fampianaran'ny ray, ry zanako, ary mitandrema mba hahafantaranareo ny atao hoe fahazavan-tsaina.
\v 2 Manome fampianarana tsara anao aho; aza mahafoy ny fampianarako.
\s5
\v 3 Tamin'ny mbola naha-zanaky ny raiko ahy, ilay mora fanahy ary zanaka tokan'ny reniko,
\v 4 dia nampianatra ahy izy ary niteny tamiko hoe: "Aoka ny fonao hihazona mafy ireo teniko; tandrovy ireo didiko dia ho velona ianareo.
\s5
\v 5 Mahazoa fahendrena sy fahazavan-tsaina; aza manadino ary aza mandà ireo tenin'ny vavako;
\v 6 aza afoy ny fahendrena ary hiambina anareo izy; tiavo izy dia hiaro anareo.
\s5
\v 7 Ny fahendrena no zava-dehibe indrindra, koa mahazoa fahendrena ary lanio izay anananareo rehetra mba hahazoanareo fahazavan-tsaina.
\v 8 Aoka ho lalainao ny fahendrena dia hanandratra anareo izy; hanaja anareo izy raha mamihina azy ianareo.
\v 9 Hametraka fehiloham-panajana eo ambonin'ny lohanareo izy; ary hanome anareo satro-boninahitra tsara tarehy."
\s5
\v 10 Mihainoa, ry zanako, ary tandremo ny teniko, dia hanana taona maro hiainana ianao.
\v 11 Hanoro lalana anao amin'ny lalam-pahendrena aho; ary hitarika anao ho amin'ireo lalana mahitsy aho.
\v 12 Rehefa mandeha ianao, dia tsy hisy olona hijoro amin'ny lalanao ary raha mihazakazaka ianao, dia tsy ho tafintohina.
\s5
\v 13 Hazony ireo torolalana, aza avela handeha; tazony, fa fiainanao izany.
\v 14 Aza manaraka ny lalan'ny ratsy fanahy ary ary aza mandeha manaraka ny lalan'ireo izay manao ratsy.
\v 15 Handosiro izany, ary aza mandeha amin'izany; mialà amin'izany ary mandehàna amin'ny lalan-kafa.
\s5
\v 16 Fa tsy afa-matory izy ireo mandra-panaovany ratsy ary very torimaso izy ireo mandra-panafintohiny olona.
\v 17 Fa izy ireo dia mihinana ny mofon'ny faharatsiana ary misotro ny divain'ny herisetra.
\s5
\v 18 Fa ny lalan'ny olo-marina dia toy ny hazavana voalohany izay mihamazava; mamirapiratra izany mandra-pihavian'ny andro mazava.
\v 19 Ny lalan'ny ratsy fanahy dia toy ny aizina— tsy fantatr'izy ireo izay manafintohina azy ireo.
\s5
\v 20 Ry zanako, tandremo ny teniko; atongilano amin'ny teniko ny sofinao.
\v 21 Aza avela hiala amin'ny masonao ireo; tano ao am-ponao izany.
\s5
\v 22 Fa ny teniko dia aina ho an'ireo izay mahita azy ary fahasalamana ho an'ny vatan'izy ireo iray manontolo.
\v 23 Arovy ny fonao ary ambeno amin'ny fitandremana rehetra izany, fa avy amin'izany no hikorianan'ny loharanon'aina.
\s5
\v 24 Esory eo aminao ny teny mivilambilana ary ny teny manimba lavitra anao.
\v 25 Aoka ny masonao hijery mahitsy sy hibanjina mahitsy ny eo alohanao.
\s5
\v 26 Manamboara lalana mahitsy ho an'ny tongotrao; dia hilamina ny lalanao rehetra.
\v 27 Aza mivily ho amin'ny ankavia na ankavanana; alaviro amin'ny ratsy ny tongotrao.
\s5
\c 5
\p
\v 1 Ry zanako, tandremo ny fahendreko; atongilano amin'ny fahazavan-tsaiko ny sofinao,
\v 2 mba hianatra momba ny fahamalinana ianao ary hiaro fahalalana ny molotrao.
\s5
\v 3 Fa ny molotry ny vehivavy mpijangajanga mitete tantely ary ny vavany dia malama noho ny diloilo,
\v 4 nefa any am-parany dia hangidy tahaka ny hazo mahafaty izy, manapaka tahaka ny sabatra maranitra.
\s5
\v 5 Midina mankany amin'ny fahafatesana ny tongony; ary ny diany mizotra ho any amin'ny Fiainan-tsy hita.
\v 6 Tsy mihevitra ny lalan'ny fiainana izy. Mirenireny ny dian-tongony; ary tsy fantany izay alehany.
\s5
\v 7 Ankehitriny, ry zanako, mihainoa Ahy; aza mivily amin'ny fihainona ny tenin'ny vavako.
\v 8 Alaviro azy ny lalanao ary aza manakaiky ny varavaran'ny tranony.
\s5
\v 9 Amin'izany dia tsy hanome ny voninahitrao amin'ny hafa ianao na ny taona iainanao ho an'ny olon-dozabe;
\v 10 tsy hifety amin'ny harenao ireo vahiny; ary izay efa niasanao dia tsy ho tonga ao an-tranon'ireo vahiny.
\s5
\v 11 Amin'ny faran'ny adrom-piainanao dia hisento ianao rehefa hihaosa ny nofonao sy ny vatanao.
\v 12 Hiteny ianao hoe: "Indrisy ny fankahalako ny fampianarana sy fanaovan'ny foko tsinotsinona ny fanitsiana!
\s5
\v 13 Tsy nankatò ireo mpampianatro aho na nanongilana ny sofiko tamin'ireo mpananatra ahy.
\v 14 Efa rava tanteraka aho teo afovoan'ny fiangonana, teo amin'ny fivorian'ny olona."
\s5
\v 15 Misotroa rano avy ao amin'ny famorian-dranonao ary misotroa rano mikoriana avy ao amin'ny lava-dranonao.
\v 16 Moa tokony hiboiboika na aiza na aiza ve ny loharanonao ary hikoriana eny ankalamanjana ny loharanonao?
\v 17 Aoka ho anao irery ihany ireny fa tsy ho an'ireo vahiny miaraka aminao.
\s5
\v 18 Ho voatahy anie ny loharanonao ary aoka hifaly amin'ny vadin'ny fahatanoranao ianao,
\v 19 fa diera mahate-ho tia izy ary osidia soa. Aoka hahafa-po anao amin'ny fotoana rehetra ny nonony; aoka ho mamon'ny fitiavany mandrakariva anie ianao.
\s5
\v 20 Fa nahoana ianao, ry zanako, no tokony babon'ny vehivavy janga; nahoana ianao no tokony hamihina ny tratran'ireo vehivavy ratsy fitondran-tena?
\v 21 Mahita ny zavatra ataon'ny olona rehetra i Yaveh ary mijery ny lalana alehany rehetra.
\s5
\v 22 Ny olona ratsy fanahy dia azon'ny fahamelohany ihany; ireo kofehin'ny fahotany no hamatotra azy mafy.
\v 23 Ho faty nohon'ny tsy fahampian'ny fampianarana izy; voatarika any amin'ny lalan-diso nohon'ny haben'ny fahadalany izy.
\s5
\c 6
\p
\v 1 Ry zanako, raha nanokana ny volanao ho antoka amin'ny findraman'ny namanao ianao, raha nampanantena fampindramam-bola ho an'ny olona tsy fantatrao ianao,
\v 2 dia efa nametraka fandrika ho an'ny tenanao tamin'ny fampanantenanao ianao, ary efa voasingotry ny teny naloaky ny vavanao.
\s5
\v 3 Raha voasingotry ny teninao ianao, ry zanako, dia ataovy izao ka vonjeo ny tenananao, satria efa lavo teo an-tanan'ny namanao ianao; mandehana ka manetre-tena ary miangavia eo anatrehan'ny namanao.
\s5
\v 4 Aza avela hatory ny masonao ary aza avela rendrehana ny hodi-masonao.
\v 5 Vonjeo ny tenanao tahaka ny gazela eny an-tanan'ny mpihaza, tahaka ny vorona eo an-tanan'ny mpamandri-borona.
\s5
\v 6 Jereo ny vitsika, ry olo-malaina, diniho ny fanaony ka hendre.
\v 7 Tsy manana komandy, mpifehy, na mpanapaka izy,
\v 8 kanefa mamory ny sakafony amin'ny fahavaratra ary mandritra ny fararano no hitehirizany izay hohaniny.
\s5
\v 9 Mandra-pahoviana no hatorianao, ry olo-malaina? Rahoviana no hifohazanao amin'ny torimasonao?
\v 10 "Torimaso kely, faharendrehana kely, famoretan-tanana kely mba hialana sasatra"—
\v 11 ary dia ho avy tahaka ny mpangalatra ny fahantranao ka ny filànao tahaka ny miaramila mirongo fiadiana.
\s5
\v 12 Ny olom-poana—ny olona ratsy fanahy— dia miaina amin'ny fahamelohan'ny teniny,
\v 13 mipi-maso, manome famantarana amin'ny tongony ary manondro amin'ireo ratsan-tanany.
\s5
\v 14 Manao teti-dratsy sy fitaka ao am-pony izy; manetsika fifandirana mandrakariva izy.
\v 15 Noho izany dia hahatratra azy tampoka ny lozany; ao anatin'ny fotoana fohy dia ho potika lavitry ny fanasitranana izy.
\s5
\v 16 Misy zavatra enina halan'i Yaveh, fito izay maharikoriko Azy.
\s5
\v 17 Ny mason'ny olona mpirehareha, ny lela mpandainga, ny tanana mpandatsa-dràn'ny olona tsy manan-tsiny,
\v 18 ny fo mamorona sain-dratsy, ny tongotra izay mailaka amin'ny fiazakazahana hanao ratsy,
\v 19 ny vavolombelona izay mamoaka lainga ary mamafy fifandirana eo amin'ny rahalahiny.
\s5
\v 20 Ry zanako, ankatoavy ny didin-drainao ary aza mahafoy ny fananaran-dreninao.
\v 21 Fehezo ao am-ponao mandrakariva ireo; fatory eo am-bozonanao ireo.
\s5
\v 22 Raha mandeha ianao, dia hitari-dalana anao ireo; raha matory ianao, dia hiambina anao ireo; ary raha mifoha ianao, dia hampianatra anao ireo.
\v 23 Fa fanilo ny didy, ary fahazavana ny fampianarana; ireo anatra izay avy amin'ny fampianarana no lalan'ny fiainana.
\s5
\v 24 Miaro anao amin'ny vehivavy ratsy fitondran-tena izany, amin'ny teny malefaky ny vehivavy ratsy fitondran-tena.
\v 25 Aoka ny fonao tsy hitsiriritra ny hatsarany ary aza avela hambabo anao amin'ny volomasony izy.
\s5
\v 26 Ny fiaraha-mandry amin'ny mpijangajanga dia sandainao amin'ny sombi-mofo, fa ny vadin'ny hafa dia sandainao amin'ny ainao mihitsy.
\v 27 Misy olona afaka mitondra afo eo an-tratrany ve ka tsy mandoro ny akanjony?
\s5
\v 28 Misy olona mahadia vain'afo mahamay ve ka tsy hitsovaka ny tongony?
\v 29 Toy izany koa ny lehilahy miara-mandry amin'ny vadin'ny namany; izay miara-mandry aminy dia tsy ho afa-maina.
\s5
\v 30 Tsy hanamavo ny mpangalatra ny olona raha mangalatra mba hahafa-po ny filàny rehefa noana izy.
\v 31 Fa raha tratra kosa izy, dia hanonitra impito heny izay nangalariny; tsy maintsy mamoy ny zavatra sarobidy rehetra ao an-tranony izy.
\s5
\v 32 Izay mijangajanga dia tsy misy saina; izay manao izany dia manimba ny tenany.
\v 33 Ratra sy henatra no mendrika azy ary tsy ho voafafa ny fahafaham-barakany.
\s5
\v 34 Fa ny fahasarotam-piaro no mahatezitra ny lehilahy; tsy hampiseho famindram-po izy rehefa mamaly faty.
\v 35 Tsy hanaiky onitra izy ary tsy ho voatamby, na dia omenao fanomezana maro aza.
\s5
\c 7
\p
\v 1 Ry zanako, tandremo ny teniko ary raketo ao anatinao ireo didiko.
\v 2 Tandremo ny didiko mba ho velona ianao ary tandremo toy ny anakandriamasonao ny fampianarako.
\v 3 Fehezo eo amin'ireo rantsan-tananao ireny; soraty eo amin'ny vato fisaky ny fonao ireny.
\s5
\v 4 Lazao ny fahendrena hoe: "Anabaviko ianao," ary antsoy hoe havanao akaiky ny fahazavan-tsaina,
\v 5 mba hitandremanao ny tenanao amin'ny vehivavy janga, amin'ny vehivavy ratsy fitondran-tena miaraka amin'ny teniny malama.
\s5
\v 6 Teo amin'ny varavarankelin'ny tranoko dia nitazana tany ivelany avy teo amin'ny makarakara aho.
\v 7 Nitazana ireo olona kely saina aho, ary voamariko tamin'ireo tanora ny zatovo iray izay tsy nisy saina.
\s5
\v 8 Nandalo teo amin'ny arabe akaikin'ny kihon-dalany izany tovolahy izany, ary nizotra nakany an-tranony.
\v 9 Somambisamby tamin'izany, tamin'ny andro hariva, sy tamin'ny fotoan'ny alina sy ny aizina.
\s5
\v 10 Nisy vehivavy nitsena azy, niankanjo tahaka ny mpivaro-tena, izay fetsy am-po.
\v 11 Sady vavàna izy no maditra; tsy mahajanona ao an-trano ny tongony.
\v 12 Vetivety eny an-dalambe, avy eo eny an-tsena, ary eny an-joron-trano rehetra eny izy no miandry mamitsaka.
\s5
\v 13 Koa dia nisavika azy izy ka nanoroka azy, tamin'ny tarehy nisolantsolana no nilazany taminy hoe:
\v 14 "Nanao fanati-pihavanana aho androany, nanefa ireo voadiko aho,
\v 15 koa dia nivoaka hitsena anao aho, mba hitady fatratra ny tavanao, ary dia nahita anao aho.
\s5
\v 16 Efa namelatra lamba firakotra, rongony fotsy miloko avy tany Egypta, teo amin'ny fandriako aho.
\v 17 Efa nandrarahako miora, havozo, ary kanelina ny fandriako.
\v 18 Avia, andeha isika hivoky fitia mandra-maraina; andeha isika haka fahafinaretana amin'ny fitiavana.
\s5
\v 19 Fa tsy ao an-tranony ny vadiko; lasa nivahiny lavitra izy.
\v 20 Nitondra kitapom-bola niaraka taminy izy; hiverina izy amin'ny fotoan'ny fenomanana."
\v 21 Tamin'ny resa-be no nitaomany azy; tamin'ny halaman'ny molony no namitahany azy.
\s5
\v 22 Nandeha nanaraka azy avy tao aoriana tampoka tahaka ny omby entina ho vonoina, tahaka ny diera voasambotra anaty fandrika izy,
\v 23 mandra-pitsatoky ny zana-tsipìka eo amin'ny atiny. Tahaka ny vorona izay mitsoriaka ho eo amin'ny fandrika. Tsy fantany fa hahafaty ny ainy izany.
\s5
\v 24 Koa mihainoa ahy ianareo, ry zanako lahy; tandremo ireo tenin'ny vavako.
\v 25 Aoka tsy hivily amin'ireo lalany anie ny fonareo; aza mivily amin'ireo lalan-disony.
\s5
\v 26 Nahalavo olona voatrobaka maro izy; maro dia maro ireo niharan'ny fahafatesana azony.
\v 27 Eny amin'ny lalana mankany amin'ny Fiainan-tsy hita ny tranony; midina mankany amin'ny efitrano fandriana maizin'ny fahafatesana izy ireo.
\s5
\c 8
\p
\v 1 Tsy miantso mafy ve ny Fahendrena? Tsy manandra-peo ve ny Fahazavan-tsaina?
\v 2 Eo amin'ireo tampon-kavoana akaikin'ny lalana, ao amin'ireo sampanan-dalana, no hijoroan'ny Fahendrena.
\v 3 Eo anoloan'ireo vavahady ao amin'ny fidirana mankany an-tanàna, eo amin'ny fidirana mankao an-tanàna, no hiantsoany.
\s5
\v 4 "Ianareo, ry vahoaka, no antsoiko; ny feoko dia ho an'ireo zanak'olombelona.
\v 5 Ianareo izay bado, mianara fahendrena; ary ianareo izay adala, manàna fahazavan-tsaina ianareo.
\s5
\v 6 Henoy, satria miresaka ireo zavatra mendri-kaja aho, ary rehefa misokatra ny molotro dia hilaza zavatra marina ah.
\v 7 Fa ny vavako milaza izay mendri-pitokiana, ary ny faharatsiana maharikoriko ny molotro.
\s5
\v 8 Ny tenin'ny vavako rehetra dia marina; tsy nisy miolakolaka na fitaka amin'ireo.
\v 9 Mahitsy ho an'ny olona izay mahatakatra azy ireo; iireo teniko dia marina ho an'ireo izay mahita fahalalana.
\s5
\v 10 Mandraisa ny fampianarako fa tsy ny volafotsy; mandraisa fahalalana fa tsy ny volamena tsy mifangaro.
\v 11 Fa tsara noho ny firavaka ny Fahendrena; tsy misy harena mitovy aminy.
\s5
\v 12 Izaho, Fahendrena, dia miara-monina amin'ny Fitandremana, ary manana fahalalana sy fahamalinana.
\v 13 Ny tahotra an'i Yaveh dia mba hankahalana ny ratsy. Halako ny fieboeboana sy fiavonavonana, ny fomba ratsy, sy ny teny ratsy. Halako ireo.
\s5
\v 14 Manana torohevitra tsara sy fahendrena marina aho; lalin-tsaina aho; ahy ny hery.
\v 15 Amin'ny alalako no anjakan'ireo mpanjaka—ireo lehilahy manan-kaja ihany koa, sy ny rehetra izay mifehy amin'ny fahamarinana.
\v 16 Amin'ny alalako no anapahan'ireo andriandahy, ireo manan-kaja, sy ny rehetra izay mifehy amin'ny fahamarinana.
\s5
\v 17 Tiako izay tia ahy, ary ireo izay mitady ahy fatratra, dia hahita ahy.
\v 18 Ao amiko ny harena sy voninahitra, harena maharitra ary fahamarinana.
\s5
\v 19 Ny vokatro dia tsara noho ny volamena, eny na ny volamena tsara indrindra aza; tsara noho ny volafotsy madio ny vokatro.
\v 20 Mandeha amin'ny lalan'ny fahamarinana, afovoan'ireo lalan'ny marina aho.
\v 21 Vokatr'izany, dia ataoko mandova harena ireo izay tia ahy; fenoiko ny fitehirizan-drakitr'izy ireo.
\s5
\v 22 Nahary ahy Yaveh tamin'ny fiandohana, ny asany voalohany tamin'izany.
\v 23 Fahiny ela be dia ary aho—hatrany am-boalohany, hatramin'ny fiandohan'ny tany.
\s5
\v 24 Talohan'ny nisian'ny ranomasina, dia teraka aho—talohan'ny nahatondraka rano ireo loharano.
\v 25 Talohan'ny nametrahana ireo tendrombohitra ary talohan'ireo havoana, dia teraka aho.
\s5
\v 26 Efa teraka aho talohan'ny naharian'Andriamanitra ny tany na ny saha, eny fa na dia ny vovoka voalohany tamin'izao tontolo izao aza.
\v 27 Efa teo aho fony nametraka ny lanitra Izy, fony Izy nanoritra boribory tany amin'ny faritry ny lalina.
\s5
\v 28 Efa teo aho fony Izy nametraka ny rahona ambony ary fony namboarina ireo loharano tany amin'ny lalina.
\v 29 Efa teo aho fony Izy namaritra ny fetran'ny ranomasina, koa dia tsy nihoatra ny fandidiany ireo rano, ary fony namaritana ny fanorenana ny tany maina.
\s5
\v 30 Mpanao asa tanana tena mahay teo anilany aho; izaho no fifaliany isan'andro isan'andro, mifaly mandrakariva teo anoloany aho.
\v 31 Nifaly tao amin'ny tontolony rehetra aho, ary ny fifaliako dia tao amin'ireo zanak'olombelona.
\s5
\v 32 Ankehitriny, ry zanako, mihainoa ahy, fa ireo izay mitandrina ireo lalako dia ho voatahy.
\v 33 Mihainoa ny fampianarako ka hendre; aza manao tsinontsinona izany.
\v 34 Izay mihaino ahy dia ho voatahy. Hiambina isan'andro eo am-baravarako izy, miandry akaikin'ireo tsangatsangan'ireo varavarako.
\s5
\v 35 Fa na iza na iza mahita ahy, dia mahita fiainana, ary hahita sitraka amin'Andriamanitra izy.
\v 36 Fa izy izay tsy mahita, dia manimba ny ainy ihany; ireo rehetra izay mankahala ahy dia tia fahafatesana."
\s5
\c 9
\p
\v 1 Nanamboatra ny tranony manokana ny fahendrena; nanao asa sokitra andry fito avy tamin'ny vatolampy izy.
\v 2 Namono ireo bibiny izy; nampifangaro ny divainy izy; ary nametraka ny latabany.
\s5
\v 3 Naniraka ireo mpiasa an-tranony izy; niantso teny amin'ireo toerana avo indrindran'ny tanàna izy hoe:
\v 4 "Iza no bado? Aoka izy hanatona ety!" Ho an'izay tsy ampy saina tsara no nitenenany.
\s5
\v 5 "Avia, hano ny sakafoko, ary sotroy ny divay noharoiko.
\v 6 Ilaozy ireo fihetsikao bado ary miveloma; mandehana amin'ny lalan'ny fahazavan-tsaina.
\s5
\v 7 Na iza na iza mananatra ny mpaniratsira dia handray fanararaotana; ary na iza na iza hiteny mafy ny ratsy fanahy dia handray ireo faniratsiràna.
\v 8 Aza mananatra ny mpaniratsira, raha tsy izany dia ho halany ianao;
\v 9 anaro ny olon-kendry, dia ho tiany ianao. Manomeza ny olon-kendry, dia ho tonga hendry kokoa izy; ampianaro ny olo-marina, dia hanampy ny fianarany izy.
\s5
\v 10 Ny fahatahorana an'i Yaveh no fiandoham-pahendrena, ary ny fahalalana Ilay Masina no fahazavan-tsaina.
\v 11 Fa amin'ny alalako no hihamaroan'ny andronao; ary hampiako taona maro ny fiainanao.
\v 12 Raha hendry ianao, dia hendry ho an'ny tenanao ihany, ary raha maniratsira ianao, dia hitondra izany amin'ny tenanao ihany."
\s5
\v 13 Ny vehivavin'ny adalana dia tsy mahalala, tsy nobeazina izy ary tsy mahafantatra na inona na inona.
\v 14 Mipetraka eo am-baravaran'ny tranony izy; eo amin'ny seza amin'ny toerana avo indrindra amin'ny tanàna.
\v 15 Miantso ireo izay mandalo amin'ireo lalana izy, amin'ny olona izay mandeha mahitsy amin'ny lalan'izy ireo.
\s5
\v 16 "Na iza na iza bado aoka izy hiverina eto indray," hoy izy amin'ireo izay tsy misy saina.
\v 17 "Mamy ny rano nangalarina, ary matsiro ny mofon'ny tsiambaratelo."
\v 18 Fa tsy fantany fa any ny maty, fa ireo vahiny nasainy dia any amin'ny halalin'ny Fiainan-tsy hita.
\s5
\c 10
\p
\v 1 Ohabolan'i Solomona. Ny zanaka hendry mahafaly ny rainy fa ny zanaka adala mitondra alahelo ho an'ny reniny.
\v 2 Ny harena nangonina tamin'ny faharatsiana dia tsy manan-danja, fa ny fanaovana ny marina no miaro anao amin'ny fahafatesana.
\v 3 Tsy avelan'i Yaveh ho noana ny fanahin'ny olo-marina, fa manafoana ireo fanirian'ny ratsy fanahy Izy.
\s5
\v 4 Ny tanana kamo no antony mampahantra ny olona, fa ny tanan'ny olona mazoto mahazo harena.
\v 5 Ny zanaka hendry manangona vokatra amin'ny fahavaratra, fa mahamenatra azy ny matory manditra ny fijinjana.
\s5
\v 6 Ireo fanomezana avy amin'Andriamanitra dia eo amin'ny lohan'ny olo-marina, fa ny vavan'ny ratsy fanahy dia mandrakotra herisetra.
\v 7 Ny olo-marina mampifaly ireo izay mahatsiaro azy, fa ny anaran'ny ratsy fanahy dia ho lo.
\s5
\v 8 Ireo izay hendry manaiky ireo didy, fa ny adala mahay vava dia ho rava.
\v 9 Izy izay mandeha am-pahamarinana dia mandeha am-pilaminana, fa izay manao ny lalany ho meloka, dia ho hita.
\s5
\v 10 Izy izay mipi-maso dia hahatonga alahelo, fa ny adala be resaka dia hazera.
\f + \ft Fanamarihina: Ireo dikan-teny taty aoriana dia misy hoe: Fa ny iray izay manitsy amin-kerim-po no mampihavana. \f*
\v 11 Ny vavan'ny olona marina dia loharanon'aina, fa ny vavan'ny ratsy fanahy dia mandrakotra herisetra.
\s5
\v 12 Ny fankahalana manestika ady, fa ny fitiavana manarona ny fahadisoana rehetra.
\v 13 Hita amin'ny molotry ny olona manan-tsaina ny fahendrena, fa tsora-kazo no ho amin'ny lamosin'ny tsy misy saina.
\s5
\v 14 Ny olona hendry dia mitahiry fahalalana, fa ny vavan'ny adala hitondra faharavana hanakaiky.
\v 15 Ny haren'ny olona manan-karena dia ny tanàna mafy oriny; ny fahantran'ny mahantra dia faharavan'izy ireo.
\s5
\v 16 Mitondra ho amin'ny fiainana ny karaman'ny olo-marina; ny tombony azon'ny ratsy fanahy dia mitondra azy ireo ho amin'ny fahotana.
\v 17 Misy lalana mankany amin'ny fiainana ho an'izay manaraka ny fitsipi-pifehezana, fa izay mandà famaizana dia mandeha amin'ny lalan-diso.
\s5
\v 18 Izay manafina fankahalana dia manana molotra mpandainga, ary izay mampiely endrikendrika dia adala.
\v 19 Raha misy teny maro, dia tsy ilaozan'ny heloka, fa izay mitandrina izay lazainy no hendry.
\s5
\v 20 Volafotsy voafantina ny lelan'ny olo-marina; tsy dia misy lanjany ny ao am-pon'ny ratsy fanahy.
\v 21 Ny molotry ny olo-marina mamelona ny maro, fa maty ny adala nohon'ny tsy fahampian'izy ireo saina.
\s5
\v 22 Ny fanomezana tsara avy amin'i Yaveh no mitondra harena ary tsy ampiany fanaintainana izany.
\v 23 Kilalao fanaon'ny adala ny fanaovan-dratsy, fa ny fahendrena no fahafinaretan'ny olona manana fahazavan-tsaina.
\s5
\v 24 Ny tahotry ny olona ratsy fanahy dia hahavoa azy, fa ny fanirian'ny olo-marina dia homena azy.
\v 25 Ny ratsy fanahy dia toy ny tafio-drivotra izay mandalo, ary tsy eo intsony izy ireo, fa ny olona marina dia fototra izay maharitra mandrakizay.
\s5
\v 26 Toy ny vinaingitra eo amin'ny nify ary setroka eo amin'ny maso, dia mba toy izany koa ny malaina amin'izay maniraka azy.
\v 27 Ny tahotra an'i Yaveh no mahela velona, fa ny taonan'ny mpanao ratsy dia ho fohy.
\s5
\v 28 Ny fanantenan'ny olo-marina no fifalian'izy ireo, fa ny taonan'ny ratsy fanahy dia ho fohy.
\v 29 Ny lalan'i Yaveh dia miaro ireo izay marina, fa fandriganana ho an'ny ratsy fanahy izany.
\v 30 Ny olona marina tsy ho rava mandrakizay, fa ny ratsy fanahy dia tsy hitoetra amin'ny tany.
\s5
\v 31 Avy ao amin'ny vavan'ny olona marina no ihavian'ny vokatry ny fahendrena, fa ny lela mpandainga dia hofongorana.
\v 32 Ny molotry ny olona marina mahalala izay mety, fa ny vavan'ny ratsy fanahy, mahalala izay fitaka.
\s5
\c 11
\p
\v 1 Halan'i Yaveh ireo mizàna izay tsy marina, fa mankasitraka ny lanja marina izy.
\v 2 Raha tonga ny fireharehana, dia avy ny fahafaham-baraka, fa amin'ny fanetre-tena no hiavian'ny fahendrena.
\s5
\v 3 Ny tsy fivadihan'ny mahitsy no mitari-dalàna azy ireo, fa ny lalà-meloky ny mpivadika dia mamotika azy ireo.
\v 4 Zava-poana ny harena amin'ny andron'ny fahavinirana, fa ny fanaovana ny marina dia miaro anao amin'ny fahafatesana.
\s5
\v 5 Ny fitondran-tena marin'ny tsy manan-tsiny dia mampahitsy ny lalàny, fa ny ratsy fanahy dia ho lavo nohon'ny haratsiam-panahiny ihany.
\v 6 Ny fitondran-tena tsaran'izay mahafaly an'Andriamanitra dia miaro azy, fa ny mpivadika dia voafandriky ny filan'izy ireo.
\s5
\v 7 Rehefa maty ny olona ratsy fanahy, dia levona ny fanantenany ary ny fanantenana izay tao amin'ny tanjany dia tonga zava-poana.
\v 8 Ny olo-marina arovana lavitry ny fahoriana fa tonga amin'ny ratsy fanahy kosa izany.
\s5
\v 9 Amin'ny vavany no amotehan'ny mpaniratsira ny namany, fa amin'ny fahalalana no iarovana ny olo-marina.
\v 10 Rehefa ambinina ny olo-marina, dia miravoravo ny tanàna; rehefa levona ny ratsy fanahy, dia misy hiakam-pifaliana.
\v 11 Amin'ny alalan'ireo fanomezan-tsoa izay an'ireo mahafaly an'Andriamanitra, no mahatonga ny tanàna ho lehibe; amin'ny vavan'ny ratsy fanahy, no hahapotika ny tanàna.
\s5
\v 12 Ny olona izay manamavo ny namany dia tsy misy saina, fa ny olona manana fahazavan-tsaina dia mangina.
\v 13 Izay rehetra mizotra amin'ny fanendrikendrehana dia mamoaka tsiambaratelo, fa ny olona mahatoky dia mitazona ny raharaha iray hisarona.
\s5
\v 14 Raha tsy misy mpitondra hendry, dia hirodana ny firenena, fa ny fandresena dia tonga amin'ny fakana hevitra amin'ny mpanolotsaina maro.
\s5
\v 15 Na iza na iza miantoka findramam-bola ho an'ny vahiny dia hijaly mafy tokoa, fa ny iray izay mankahala ny fanomezana antoka amin'izany karazana toky izany no voaaro,
\v 16 Ny vehivavy tsara fanahy dia mahazo voninahitra, fa ny olona masiaka mambabo harena.
\s5
\v 17 Ny olona tsara fanahy manome tombony ho an'ny tenany, fa ny iray izay lozabe mandratra ny tenany.
\v 18 Ny olona ratsy fanahy dia mandainga mba hahazoany ny karamany, fa ny iray izay mamafy ny marina dia mijinja ny karaman'ny fahamarinana.
\s5
\v 19 Ny olona marina izay manao ny mety dia ho velona, fa ny iray izay manaraka ny ratsy dia ho faty.
\v 20 Yaveh mankahala ireo izay manana fo mivadika, fa mankasitraka ireo izay mandeha tsy manan-tsiny Izy.
\s5
\v 21 Izao no ataovy azo antoka—ny olona ratsy fanahy dia tsy ho afa-maina, fa ireo taranaky ny olo-marina dia ho voaaro.
\v 22 Ny vehivavy tsara tarehy tsy misy fahamalinana dia toy ny kavim-bolamena eo amin'ny oron-kiso.
\s5
\v 23 Ny fanirian'ny olo-marina miafara amin'ny tsara, fa fahavinirana ihany no azon'ny olona ratsy fanahy antenaina.
\v 24 Misy izay mamafy voa—mahavoangona betsaka lavitra izy; ny hafa tsy mamafy—dia tonga amin'ny fahantrana izy.
\s5
\v 25 Ny olona mahalala-tanana dia hambinina ary ny iray izay manome rano ho an'ny hafa dia hanana rano ho an'ny tenany.
\v 26 Ozonin'ny olona ny lehilahy izay mandà tsy hivarotra voa, fa ireo fanomezan-tsoa no satro-boninahitry ny lohan'izay mivarotra izany.
\s5
\v 27 Izay mitady fatratra ny soa dia mitady sitraka ihany koa, fa ny iray izay mitady ny ratsy dia hahita izany.
\v 28 Ireo izay mitoky amin'ny hareny dia ho lavo, fa tahaka ny ravina, no hamokaran'ny olo-marina.
\s5
\v 29 Izay mitondra korontana ao amin'ny ankohonany ihany dia handova rivotra ary ny adala dia ho tonga mpanompon'ny hendry am-po.
\s5
\v 30 Ny olo-marina dia ho toy ny hazon'aina, fa ny herisetra manala aina.
\v 31 Indro! Ny olo-marina mandray izay sahaza azy; mainka fa ny ratsy fanahy sy ny mpanota!
\s5
\c 12
\p
\v 1 Na iza na iza tia fananarana dia tia fahalalana, fa vendrana izay mankahala fanitsiana.
\v 2 Yaveh dia manome sitraka ny olona tsara, fa manameloka ny olona izay manao teti-dratsy Izy.
\s5
\v 3 Ny olona dia tsy ho tafatombina amin'ny faharatsiana, fa ny olo-marina tsy afaka hofongorana.
\v 4 Ny vady mendrika dia satro-boninahitry ny vadiny, fa izay mitondra henatra dia toy ny aretina izay maha-lo ny taolany.
\s5
\v 5 Mahitsy ny fikasan'ny marina, fa mamitaka ny toro-hevitry ny ratsy.
\v 6 Ny tenin'ny olona ratsy fanahy dia otrika miandry vintana hamonoana, fa ny tenin'ny mahitsy kosa no miaro azy ireo.
\s5
\v 7 Ny olona ratsy fanahy dia fongorina ary lasa izy ireo, fa ny tranon'ny olo-marina kosa dia hijoro.
\v 8 Deraina amin'ny habetsaky ny fahendrena hananany ny olona, fa izay manao safidy ratsy kosa dia atao tsinotsinona.
\s5
\v 9 Tsara kokoa ny manana toerana tsy manan-danja— mpanompo fotsiny ihany— noho ny mirehareha amin'ny fahambonianao nefa tsy manan-kohanina.
\v 10 Ny olo-marina dia miahy ny momba ireo filan' ny bibiny, fa na dia ny fangoraham-pon'ny ratsy fanahy aza dia lozabe.
\s5
\v 11 Izay miasa ny taniny dia hanana sakafo be, fa na iza na iza manenjika ireo tetikasa tsy misy dikany kosa dia tsy misy saina.
\v 12 Ny olona ratsy fanahy maniry izay nangalarin'ny olon-dratsy tamin'ny hafa, fa ny vokatry ny olo-marina kosa dia avy amin'ny tenan'izy ireo ihany.
\s5
\v 13 Ny olon-dratsy dia voafandriky ny resa-dratsiny, fa ny olo-marina kosa dia mandositra ny olana.
\v 14 Avy amin'ny vokatry ny teniny no maha-feno zava-tsoa ny olona, tahaka ny hamalian'ny asan'ny tanany soa azy ihany.
\s5
\v 15 Ny lalan'ny adala dia marina eo imasony ihany, fa ny olon-kendry kosa mihaino torohevitra.
\v 16 Ny adala dia mampiseho ny hatezerany am-boalohany, fa izay tsy miraharaha faniratsiràna kosa no malina.
\s5
\v 17 Izay miteny ny marina dia milaza izay rariny, fa ny fijoroana vavolombelona diso kosa milaza lainga.
\v 18 Ny tenin'izay miresaka an-kamehana dia tahaka fanindron'ny sabatra, fa mitondra fanasitranana kosa ny lelan'ny hendry.
\s5
\v 19 Ny molotra marina dia maharitra mandrakizay, fa ny lela mpandainga kosa ho amin'ny fotoana fohy fotsiny ihany.
\v 20 Misy fitaka ao am-pon'ireo izay manao teti-dratsy, fa hafaliana kosa no avy amin'ireo mpanolo-tsaina fiadanana.
\s5
\v 21 Tsy misy aretina tonga amin'ny olo-marina, fa ny olona ratsy fanahy kosa feno olana.
\v 22 Mankahala ny molotra mandainga Yaveh, fa ireo izay miaina amim- pahatokiana kosa no sitrany.
\s5
\v 23 Manafina ny fahalalany ny olona hendry, fa ny fon'ny adala kosa mihiaka fahadalana.
\v 24 Ny tanan'ny mazoto dia hanapaka, fa ny olona kamo kosa alefa manao asa an-terivozona.
\s5
\v 25 Ny fanahiana ao am-pon'ny olona mampitanondrika azy, fa ny teny soa kosa maharavo azy.
\v 26 Ny olo-marina dia mpitari-dia ho an'ny namany, fa ny lalan'ny ratsy fanahy mitarika azy ireo amin'ny lalan-diso.
\s5
\v 27 Ny olona kamo dia tsy hanatono ny hazan'izy ireo, fa ny olona mazoto kosa hahazo harena sarobidy.
\v 28 Ireo izay mandeha amin'ny lala-marina dia mahita fiainana ary tsy misy fahafatesana ny lalan'izany.
\s5
\c 13
\p
\v 1 Mandre ny fampianaran'ny rainy ny zanaka hendry, fa ny mpaneso dia tsy mihaino fibedesana.
\v 2 Avy amin'ny vokatry ny vavany no isitrahan'ny olona ireo zava-tsoa, fa ny homan'ny mpamitaka dia ho an'ny herisetra.
\s5
\v 3 Izay mitandrina ny vavany no miaro ny ainy, fa izay misanasana vava dia handrava ny tenany ihany.
\v 4 Ny homan'ireo olona kamo dia maniry nefa tsy mahazo na inona na inona, fa ny homan'ny olona mazoto dia ho afa-po tanteraka.
\s5
\v 5 Ireo olona marina dia mankahala ny lainga, fa ny olona ratsy fanahy dia manao ny tenany ho marikoriko, ary manao izay mahamenatra izy.
\v 6 Ny fahamarinana dia miaro an'ireo izay tsy misy tsiny amin'ny lalany, fa ny faharatsiana mampivadika ireo izay manota.
\s5
\v 7 Misy olona mampanan-karena ny tenany, nefa tsy manana na inona na inona mihitsy ary misy olona mahafoy ny zava-drehetra, nefa tena manan-karena.
\v 8 Ny solo vaikan'ny ain'ny olona manan-karena dia ny hareny, fa ny olona mahantra tsy mandre fampitahorana.
\s5
\v 9 Miravoravo ny hazavan'ny olo-marina, fa ny jiron'ny ratsy fanahy dia ho vonoina.
\v 10 Fifandirana ihany no ateraky ny avonavona, fa ho an'ireo izay mihaino torohevitra tsara no misy fahendrena.
\s5
\v 11 Hihena ny harena rehefa be loatra ny zava-poana, fa ilay iray izay mihary vola amin'ny asan'ny tanany dia hampitombo ny volany.
\v 12 Rehefa mihemotra ny fanantenana, dia mandratra fo izany, fa ny faniriana tanteraka no hazon'aina.
\s5
\v 13 Izay mankahala ny fampianarana no mbola hiharan'izany, fa izay manaja ny didy dia hahazo valisoa.
\v 14 Ny fampianaran'ny olon-kendry dia loharanon'aina, manala anao amin'ny fandriky ny fahafatesana.
\s5
\v 15 Ny fitandremana tsara dia ahazoana fitia, fa ny lalan'ny mpamadika tsy ho tapitra mandrakizay.
\v 16 Ny olona malina dia mandray ny fanapahan-kevitra rehetra amin'ny fahalalana, fa ny adala dia mampiharihary ny hadalany.
\s5
\v 17 Ny iraka ratsy fanahy ho latsaka anaty fahoriana, fa ny iraka mahatoky mitondra fampihavanana.
\v 18 Izay tsy miraharaha fampianarana hahantra sy ho menatra, fa ny voninahitra dia ho tonga amin'izay mianatra amin'ny fanitsiana.
\s5
\v 19 Ny faniriana tanteraka mamin'ny fo, fa ny adala mankahala ny fialana amin'ny ratsy.
\v 20 Miaraha lalana amin'ny olon-kendry dia ho hendry ianao, fa ny naman'ny adala dia hijaly amin'ny ratsy.
\s5
\v 21 Manenjika ny mpanota ny loza, fa ny olo-marina dia omena valisoa amin'ny tsara.
\v 22 Mamela lova ho an'ny zafiny ny olona tsara, fa ny haren'ny mpanota dia voatahiry ho an'ny olo-marina.
\s5
\v 23 Ny saha tsy mbola niasan'ireo mahantra dia afaka mamokatra hanina maro, fa voafafa amin'ny tsy rariny izany.
\v 24 Izay tsy manitsy ny zanany dia mankahala azy, fa izay tia ny zanany dia mitandrina ny hampianatra azy tsara.
\s5
\v 25 Ny olo-marina dia hihinana mandra-pahavokiny, fa ny kibon'ny ratsy fanahy dia ho noana mandrakariva.
\s5
\c 14
\p
\v 1 Ny vehivavy hendry manangana ny tranony, fa ny vehivavy adala mandrava izany amin'ny tanany ihany.
\v 2 Izay mandeha am-pahitsiana dia matahotra an'i Yaveh, fa izay tsy marina amin'ny lalany dia manao tsinontsinona Azy.
\s5
\v 3 Amin'ny vavan'ny adala no hiavian'ny tsimoky ny fireharehany, fa ny molotry ny hendry hiaro azy ireo.
\v 4 Any amin'izay tsy misy biby fiompy no madio ny tavy fihinanana, fa be ny vokatra mety ho tonga amin'ny tanjaky ny omby.
\s5
\v 5 Ny vavolombelona mahatoky dia tsy mandainga, fa ny vavolombelona sandoka mamoaka lainga.
\v 6 Mitady fahendrena ny mpaneso fa tsy mahita, fa ho tonga mora foana amin'izay manan-tsaina ny fahalalana.
\s5
\v 7 Mialà amin'ny olona adala, fa tsy hahita fahalalana eo amin'ny molony ianao.
\v 8 Ny fahendrena ho an'ny olona malina dia ny mahatakatra ny lalany ihany, fa ny fahadalan'ireo adala dia fitaka.
\s5
\v 9 Maneso ireo adala rehefa voasorona ny fanatitra nohon'ny heloka, fa voazara eo amin'ireo mahitsy ny fankasitrahana.
\v 10 Ny fo mahalala ny ngidiny ary tsy misy vahiny mizara ny hafaliany.
\s5
\v 11 Ho potika ny tranon'ny olona ratsy fanahy fa handrombona ny lain'ny olo-mahitsy.
\v 12 Misy lalana izay toa marina eo amin'ny olona, fa ny farany ihany no mitarika amin'ny fahafatesana.
\s5
\v 13 Afaka mihomehy ny fo nefa manaintaina ary mety hiafara amin'ny alahelo ny hafaliana.
\v 14 Izay tsy mahatoky dia hahazo izay mendrika ny lalany, fa ny olona tsara hahazo izay azy.
\s5
\v 15 Izay bado dia mino ny zavatra rehetra, fa ny olona mailo kosa mieritreritra ireo diany.
\v 16 Matahotra ny olona hendry ary miala amin'ny ratsy, fa ny adala kosa mandà fampitandremana amin-toky.
\s5
\v 17 Izay malaky tezitra dia manao zavatra adaladala, ary ny olona izay manao teti-dratsy dia ankahalaina.
\v 18 Ny bado dia mandova fahadalana, fa ny olo-kendry kosa ho satrohim-boninahitra amin'ny fahalalana.
\s5
\v 19 Ny olon-dratsy hiankohoka eo anoloan'izay tsara ary ireo izay ratsy fanahy hiankohoka eo amin'ireo vavahadin'ny olo-marina.
\v 20 Ankahalaina ny olo-mahantra na dia ireo namany ihany aza, fa ny olona manan-karena mana-namana betsaka.
\s5
\v 21 Izay mampiseho fanamavoana ny namany dia manota, fa sambatra izay mampiseho fankasitrahana amin'ny mahantra.
\v 22 Tsy ireo izay manao teti-dratsy ve no mandeha amin'ny hevi-diso? Fa ireo izay mikasa ny hanao ny tsara dia hahazo fanekena mahatoky sy fahamendreham-pitokisana.
\s5
\v 23 Avy amin'ny asa mafy rehetra no hiavian'ny tombony, fa raha resaka fotsiny, dia mitarika ho amin'ny fahantrana izany.
\v 24 Satro-boninahitry ny olon-kendry ny hareny, fa ny adalan'ireo adala mitondra hadalana fanampiny azy ireo ihany.
\s5
\v 25 Ny vavolombelona marina manavotra aina, fa ny vavolombelona sandoka mamoaka lainga.
\s5
\v 26 Rehefa matahotra an'i Yaveh ny olona iray, dia manana fahatokisana betsaka aminy ihany koa izy; ireo zavatra ireo dia ho toy ny toerana fiarovana mafy ho an'izany zanak'izany lehilahy izany.
\v 27 Ny fahatahorana an'i Yaveh dia loharanon'aina, mba hahafahan'ny olona miala amin'ireo fandriky ny fahafatesana.
\s5
\v 28 Hita amin'ny habetsaky ny vahoakany ny voninahitry ny mpanjaka, fa raha tsy misy vahoaka dia rava ny andriana.
\v 29 Ny olona maharitra dia manana fahalalana lehibe, fa ny olona malaky tezitra manandratra fahadalana.
\s5
\v 30 Ny fo milamina dia aina ho an'ny vatana, fa ny fialonana dia maha-lo ny taolana.
\v 31 Izay mampahory ny mahantra dia manozona ny Mpamorona azy, fa izay iray maneho fankasitrahana amin'ny fadiranovana dia manome voninahitra azy.
\s5
\v 32 Ny olona ratsy fanahy dia ahetrin'ireo asa-ratsiny, fa ny olo-marina dia hanam-pialofana na amin'ny fahafatesana aza.
\v 33 Ny fahendrena mitoetra ao am-pon'ny mahalala, fa na dia eo amin'ireo adala aza dia avelany ho fantatra ny aminy.
\s5
\v 34 Ny fanaovana izay marina dia manandratra firenena, fa ny fahotana dia fahafam-baraka ho an'ny olona rehetra.
\v 35 Ny fankasitrahan'ny mpanjaka dia miaraka amin'ny mpanompo izay miasa am-pitandremana, fa ny fahatezerany dia ho an'izay miasa amim-pahamenarana.
\s5
\c 15
\p
\v 1 Ny valin-teny malefaka dia mamily ny fahatezerana, fa ny teny masiaka manetsika fahasosorana.
\v 2 Ny lelan'ny hendry mandoka fahalalana, fa ny vavan'ny adala kosa mandraraka fahadalana.
\s5
\v 3 Fa amin'izao rehetra izao ny mason'i Yaveh, mandinika ny ratsy sy ny tsara.
\v 4 Ny lela manasitrana dia hazon'aina, fa ny lela mpamitaka dia manorotoro ny fanahy.
\s5
\v 5 Ny adala manamavo ny fananaran-drainy, fa izay mandray ny fanitsiana no malina.
\v 6 Ao an-tranon'ny olo-marina no misy harena be, fa fidiram-bolan'ny ratsy fanahy manome fahoriana azy.
\s5
\v 7 Ny molotry ny hendry manaparitaka fahalalana, fa tsy mba toy izany kosa ny fon'ireo adala.
\v 8 Mankahala ny soron'ireo olona ratsy fanahy Yaveh, fa fahafinaretany kosa ny vavaky ny olona mahitsy.
\s5
\v 9 Mankahala ny fomban'ireo olona ratsy fanahy Yaveh, fa tia ilay iray izay manaraka ny marina Izy.
\v 10 Miandry ny olona izay mahafoy ny lalana ny sazy mafy ary izay mankahala famaizana dia ho faty.
\s5
\v 11 Ny fiainan-tsy hita sy fandringanana aza misokatra eo anatrehan'i Yaveh; koa mainka fa ny fon'ny zanak'olombelona?
\v 12 Ny mpaneso sosotra amin'ny fananarana azy; tsy handeha any amin'ny hendry izy.
\s5
\v 13 Ny fo ravoravo mahamirana ny tarehy, fa ny aretim-po kosa manorotoro ny fanahy.
\v 14 Ny fon'ny manan-tsaina mitady fahalalana, fa ny vavan'ireo adala homana fahadalana ihany.
\s5
\v 15 Fadiranovana avokoa ireo andron'ny ory rehetra, fa ny fo miramirana dia fanasana tsy manam-petra.
\v 16 Aleo kely amin'ny tahotra an'i Yaveh toy izay harem-be amin'ny ahiahy.
\s5
\v 17 Aleo kokoa sakafo misy anana izay misy fitiavana toy izay omby mifahy aroso amim-pankahalana.
\v 18 Ny olona mora tezitra manetsika ady, fa ny olona izay mahatsindry fo mampitsahatra fifandirana.
\s5
\v 19 Ny lalan'ny kamo dia tahaka ny toerana misy fefy tsilo, fa ny lalan'ny mahitsy dia lalam-be voavoatra tsara.
\v 20 Ny zanaka hendry dia mitondra fifaliana ho an'ny rainy, fa ny olona adala manao tsinotsinona ny reniny.
\s5
\v 21 Mahafinaritra ny olona tsy ampy saina ny adalana, fa izay manana fahazavan-tsaina mandeha amin'ny lalan-mahitsy.
\v 22 Mandamoka ireo tetika rehefa tsy misy torohevitra, saingy rehefa miaraka amin'ny mpanolon-tsaina maro dia nahomby ireo.
\s5
\v 23 Mahita hafaliana ny olona iray rehefa manome valiny mahafa-po izy; endrey ny hatsaran'ny teny izay voalaza ara-potoana!
\v 24 Mitondra miakatra ho an'ny olon-kendry ny lalan'ny fiainana, mba hialan'izy ireo amin'ny Fiainan-tsy hita any ambany.
\s5
\v 25 Ho potehin'i Yaveh ny lovan'ny mpirehareha, fa miaro ny fananan'ny mpitondratena kosa Izy.
\v 26 Mankahala ny fisainan'ireo olona ratsy fanahy Yaveh, fa ireo tenin'ny fahatsaram-panahy dia madio.
\s5
\v 27 Mitondra olana ho an'ny fianakaviany ny mpangalatra, fa ny olona izay mankahala tsolotra dia ho velona.
\v 28 Ny fon'ny marina dia misaintsaina mialohan'ny hamaliany, fa ny vavan'ny ratsy fanahy kosa miboiboika ny ratsy ao aminy.
\s5
\v 29 Lavitra ireo ratsy fanahy Yaveh, fa mandre ny vavaky ny olo-marina kosa Izy.
\v 30 Ny fahazavan'ny maso mitondra fifaliana ho an'ny fo ary ny vaovao tsara dia fahasalamana ho an'ny vatana.
\s5
\v 31 Raha mankatoa ianao rehefa manitsy ny fomba fiainanao ny olona, dia hitoetra eo amin'ireo olona hendry ianao.
\v 32 Izay mandà famaizana dia manao tsinontsinona ny tenany, fa izay mihaino anatra kosa dia mahazo fahazavan-tsaina.
\s5
\v 33 Mampianatra fahendrena ny tahotra an'i Yaveh ary fanetren-tena no mialoha ny voninahitra.
\s5
\c 16
\p
\v 1 An'ny olona ny fikasan'ny fo, fa avy amin'i Yaveh ny valin-teny avy amin'ny lelany.
\v 2 Madio eo imasony ihany ny lalan'ny olona rehetra, fa Yaveh no mandanja ny fanahy.
\s5
\v 3 Ankino amin'i Yaveh ny asanao dia ho lavorary izay kasainao.
\v 4 Nataon'i Yaveh ho amin'ny antony avokoa ny zavatra rehetra, na ny ratsy fanahy aza dia ho amin'ny androm-pahoriana.
\s5
\v 5 Yaveh mankahala ny olona rehetra izay manana fo miavonavona, azo antoka fa tsy ho afa-maina ireny.
\v 6 Amin'ny tsy fivadiham-panekena sy fahamendreham-pitokisana no hanavotana amin'ny heloka ary amin'ny tahotra an'i Yaveh no hialan'ny olona amin'ny ratsy.
\s5
\v 7 Rehefa ankasitrahan'i Yaveh ny lalan'ny olona iray, na ny fahavalon'izany olona izany aza dia ataony mihavana aminy.
\v 8 Aleo kely amin'ny fahamarinana, toy izay vola be amin'ny tsy rariny.
\s5
\v 9 Ao am-pony no andrafetan'ny olona ny lalany, fa Yaveh no mampizotra ny diany.
\v 10 Fanapahan-kevitra lalina no eo amin'ny molotry ny mpanjaka, ny vavany dia tsy mba hamadika ny rariny.
\s5
\v 11 Avy amin'i Yaveh ny fandanjana marina; ny lanja rehetra ao amin'ny kitapo dia asany avokoa.
\v 12 Rehefa manao zava-dratsy ny mpanjaka, dia tokony ho zavatra hatao tsinontsinona izany, satria ny seza fiandrianana dia miorina amin'ny fanaovana ny marina.
\s5
\v 13 Finaritra amin'ny molotra milaza ny marina ny mpanjaka ary tiany ny olona izay miteny mahitsy.
\v 14 Ny fahaviniran'ny mpanjaka dia iraky ny fahafatesana fa ny olon-kendry kosa dia hiezaka hampitony ny hatezerany.
\s5
\v 15 Ao amin'ny fahazavan'ny tavan'ny mpanjaka ny fiainana ary ny fankasitrahany dia sahala amin'ny rahona izay mitondra oran-dohataona.
\v 16 Endrey ny hatsaran'ny fahazoana fahendrena mihoatra lavitra noho ny volamena. Aleo mifidy ny hahazo fahazavan-tsaina toy izay volafotsy.
\s5
\v 17 Ny lalam-ben'ny olo-marina dia miala amin'ny ratsy; izay miaro ny ainy dia miambina ny lalany.
\v 18 Avy mialohan'ny faharavana ny fireharehana ary ny fanahy mieboebo mialohan'ny fahalavoana.
\s5
\v 19 Tsara kokoa ny manetri-tena eo amin'ireo olona mahantra toy izay mizara izay nobaboina amin'ny olona mpirehareha.
\v 20 Izay rehetra mibanjina izay nampianarina azy ireo dia hahita soa, ary ireo izay mitoky amin'i Yaveh dia ho voatahy.
\s5
\v 21 Izay hendry am-po no antsoina hoe manan-tsaina ary ny hamamin'ny teny no mpampivoatra ny fahaiza-mampianatra.
\v 22 Ny fahazavan-tsaina dia loharanon'aina ho an'izay manana izany, fa ny fampianaran'ny adala dia ny fahadalany.
\s5
\v 23 Ny fon'ny olon-kendy manome saina ny vavany ary manampy fandresen-dahatra ny molony.
\v 24 Tohon-tantely ny teny mahafinaritra— mamy amin'ny fanahy ary fanasitranana ho an'ny taolana.
\s5
\v 25 Misy lalana izay toa marina amin'ny olona, fa ny fiafarany dia lalana mankany amin'ny fahafatesana.
\v 26 Ny homan'ny mpiasa no miasa ho azy; ny hanoanany no manosika azy.
\s5
\v 27 Ny olona tsinontsinona dia mihady sompatra ary ny teniny dia tahaka ny afo mandoro.
\v 28 Ny olona rasty fitondran-tena manetsika ady ary ny mpifosa mampisaraka ny mpianamana akaiky.
\s5
\v 29 Ny olona maherisetra dia mandainga amin'ny namany ary mampivarina azy amin'ny lalana izay tsy tsara.
\v 30 Izay mipi-maso dia mitetika zavatra ratsy; ireo izay manaiki-molotra dia mampandalo ny rasty.
\s5
\v 31 Ny volo-fotsy dia satro-boninahitra; azo amin'ny fiainana ny lala-marina izany.
\v 32 Tsara ny tsy mora tezitra noho ny mpiady ary ny olona manapaka ny fanahiny dia mahery noho ny olona izay mambabo tanàna iray.
\s5
\v 33 Ny filokana dia atsipy eo am-pofoana, fa ny fanapahan-kevitra dia avy amin'i Yaveh.
\s5
\c 17
\p
\v 1 Tsara kokoa ny miaina mangingina miaraka amin'ny tapa-mofo toy izay ao amin'ny trano feno hanina misy fifandirana.
\v 2 Ny mpanompo hendry dia hanapaka eo amin'ny zanany izay manao toetra mahamenatra ary hiray lova tahaka ny iray amin'ireo rahalahy.
\s5
\v 3 Ny memy ho an'ny volafotsy ary ny lafaoro fandrendrehana ho an'ny volamena, fa Yaveh no manefy ny fo.
\v 4 Ny mpanao ratsy mihaino ny molotry ny ratsy fanahy; manongilan-tsofina amin'ny lela mpandringana ny mpandainga.
\s5
\v 5 Na iza na iza maneso ny malahelo dia miteny ratsy ny Mpahary azy ary izay mifaly amin'ny fahavoazana dia tsy afa-bela amin'ny famaizana.
\v 6 Satro-boninahitry ny antitra ny zafy ary mitondra voninahitra ho an'ireo zanany ny ray aman-dreny.
\s5
\v 7 Ny kabary tsara lahatra dia tsy mety amin'ny adala; koa mainka fa ny molotra mpandainga ho mety ho an'ny fianakavian'ny mpanjaka.
\v 8 Tahaka ny vato mahagaga ny kolikoly ho an'ny olona izay manome izany; na aiza na aiza itodihany, dia mahomby izy.
\s5
\v 9 Izay manarona heloka dia mitady fitiavana, fa izay mamerina ny fahadisoana taloha dia mampisaraka ireo mpisakaiza akaiky.
\v 10 Miditra lalina kokoa any amin'ny olona izay manana fahazavan-tsaina ny teny mafy noho ny kapoka injato mankany amin'ny adala.
\s5
\v 11 Ny olon-dratsy dia mitady fikomiana fotsiny, koa dia halefa hanohitra azy ny iraka lozabe.
\v 12 Aleo mifanena amin'ny bera very anaka toy izay mifanena amin'adala amin'ny fahadalany.
\s5
\v 13 Raha misy olona mamaly ratsy ny tsara, dia tsy handao ny tranony mandrakizay ny ratsy.
\v 14 Ny fiandohan'ady dia tahaka izay mamela ny rano hiparitaka eny rehetra eny, koa dia alaviro ny fifandirana dieny mbola tsy vaky izany.
\s5
\v 15 Ny olona izay manamarina ny olon-dratsy ary ny olona izay manameloka ny olo-marina— dia samy fahavetavetana eo amin'i Yaveh ireo.
\v 16 Nahoana ny adala no tokony handoa vola mba hianatra momba ny fahendrena, nefa izy tsy manana fahafahana akory ny hianatra izany?
\s5
\v 17 Ny sakaiza dia tia amin'ny fotoana rehetra sady rahalahy nateraka ho amin'ny fotoan'ny fahoriana.
\v 18 Ny lehilahy tsy misy saina manao fampanantenana mamatotra ka tonga tompon'antoka amin'ny trosan'ny namany.
\s5
\v 19 Na iza na iza tia ady dia tia heloka; izay manao ny tokonam-baravarany ho avo loatra dia manapotika ny taolana.
\v 20 Ny olona izay manana fo maditra dia tsy hahita na inona na inona tsara; mianjera amin'ny loza izay manana lela mpamitaka.
\s5
\v 21 Na iza na iza ray aman-drenin'adala dia mitondra alahelo ho an'ny tenany; ary tsy manana hafaliana ny rain'ny adala.
\v 22 Fanafody tsara ny fo miramirana, fa ny fanahy ketraka kosa mahamaina ny taolana.
\s5
\v 23 Ny lehilahy ratsy fanahy mankasitraka kolikoly miafina mba hamadihana ireo lalan'ny rariny.
\v 24 Ny olona izay manana fahazavan-tsaina dia mampitodika ny tarehiny mankany amin'ny fahendrena, fa ny mason'ny adala kosa mitodika any amin'ireo vazan-tany.
\s5
\v 25 Ny zanaka adala dia alahelo ho an'ny rainy ary fangidiana ho an'ny vehivavy izay niteraka azy.
\v 26 Ary koa, tsy tsara mihitsy ny manasazy ny olo-marina; na mikapoka olona mendri-kaja izay manana fahitsiana.
\s5
\v 27 Izay manam-pahalalana mampiasa teny fohy ary izay manana fahazavan-tsaina dia mahatsindry fo.
\v 28 Na dia adala aza heverina ho hendry raha toa ka mangina; rehefa manakombom-bava izy, dia heverina ho manan-tsaina.
\s5
\c 18
\p
\v 1 Izay mitoka-tena dia mitady ny faniriany manokana ary mifanditra amin'ny fitsaràna tsara rehetra izy.
\v 2 Ny adala dia tsy mahita fahafinaretana amin'ny fahazavan-tsaina, fa amin'ny fanambarana izay ao am-pony ihany.
\s5
\v 3 Rehefa misy olona ratsy fanahy tonga, dia tonga miaraka aminy ny fanamavoana— miaraka amin'ny henatra sy fahafaham-baraka.
\v 4 Rano lalina ny teny aloaky ny vavan'ny olona; ary rano miboiboika ny loharanon'ny fahendrena.
\s5
\v 5 Tsy tsara ny miangatra amin'ny olona ratsy fanahy, na mandà ny rariny amin'ny olo-marina.
\v 6 Ny molotry ny adala dia mitondra ady ho azy ary ny vavany mihantsy kapoka.
\s5
\v 7 Ny vavan'ny adala no faharavany ary mamandrika ny tenany amin'ny molony izy.
\v 8 Ny tenin'ny mpifosa dia toy ny sombin-kanina matsiro ary midina any anatin'ny vatana ireo.
\s5
\v 9 Izay miraviravy amin'ny asany ihany koa dia rahalahin'izay mamotika indrindra.
\v 10 Tilikambo mahery ny anaran'i Yaveh; mihazakazaka mankao ny marina ka voaaro.
\s5
\v 11 Ny haren'ny mpanan-karena no tanàna voaarony ary ny tahaka ny manda avo ao an'eritreriny.
\v 12 Mialoha ny faharavany dia mirehareha ny fon'ny olona, fa ny fanetre-tena no tonga alohan'ny voninahitra.
\s5
\v 13 Izay mamaly mialohan'ny fihainoana— dia adalana sy henatra ho azy izany.
\v 14 Zakan'ny fanahin'ny olona ny faharariana, fa iza no hahazaka izany fanahy torotoro izany?
\s5
\v 15 Ny fon'ny manan-tsaina dia mandranto fahalalana ary ny sofin'ny hendry mitady izany.
\v 16 Ny fanomezan'ny olona dia mety hanokatra lalana sy hitondra azy eo anoloan'ny olom-be.
\s5
\v 17 Izay voalohany mitondra ny raharahany dia toa marina mandra-pihavin'ny mpifanandrina aminy ka hanontany azy.
\v 18 Ny filokana dia mandamina fifandirana sy manasaraka ireo mpifanandrina mahery.
\s5
\v 19 Ny rahalahy tafintohina dia sarotra azo noho ny tanàna mahery, ary ny fifandirana dia toy ny hidin'ny lapa.
\v 20 Avy amin'ny vokatry ny vavany no mahafeno ny kibon'ny olona iray; amin'ny vokatry ny molony no maha-afapo azy.
\s5
\v 21 Ny fahafatesana sy aina dia fehezin'ny lela, ary ireo izay tia ny lela dia hihinana ny vokany.
\v 22 Izay lehilahy mahita vady dia mahita zavatra tsara ary mahazo sitraka amin'i Yaveh.
\s5
\v 23 Ny olona mahantra dia miangavy famindram-po, fa ny olona manan-karena kosa mamaly an-kasiahana.
\v 24 Izay milaza manana namana maro dia ho ravain'izy ireo, fa misy namana izay akaiky kokoa noho ny rahalahy.
\s5
\c 19
\p
\v 1 Tsara kokoa ny olona mahantra izay mandeha amin'ny fahitsiany toy izay olona mivadika amin'ny teniny ary adala.
\v 2 Ary koa, tsy tsara ny manana faniriana tsy misy fahalalana ary izay mihazakazaka mafy loatra dia ho diso lalana.
\s5
\v 3 Ny hadalan'ny olona no mamotika ny fiainany ka amin'i Yaveh no sosotra ny fony.
\v 4 Mahabe namana ny harena, fa ny olona mahantra kosa dia tafasaraka amin'ireo namany.
\s5
\v 5 Ny vavolombelona sandoka dia tsy ho afa-maina ary izay mamoaka lainga dia tsy ho afa-bela.
\v 6 Maro no hila sitraka amin'ny olona malala-tanana ary ny rehetra dia naman'izay manolotra fanomezana.
\s5
\v 7 Halan'ny rahalahiny rehetra ny olona mahantra; koa mainka fa ireo namany izay manalavitra azy! Hiantso azy ireo izy, saingy efa lasa izy ireo.
\v 8 Izay mahazo fahendrena dia tia ny ainy; izay mitazona ny fahalalana dia hahita soa.
\s5
\v 9 Ny vavolombelona sandoka dia tsy ho afa-maina, fa izay mamoaka lainga kosa dia ho faty.
\v 10 Tsy mety amin'ny adala ny miaina amin'ny harena mahafinaritra— mainka fa ny hanapahan'ny andevo eo amin'ireo andriandahy.
\s5
\v 11 Ny fahamalinana mahatonga ny olona tsy ho mora tezitra ary voninahitra ho azy ny tsy mijery ny fahadisoana.
\v 12 Ny fahatezeran'ny mpanjaka dia tahaka ny fieron'ny liona tanora, fa ny sitrany kosa dia tahaka ny ando amin'ny ahitra.
\s5
\v 13 Ny zanaka adala dia faharavana ho an'ny rainy ary ny vady mpifanditra dia toy ny rano mitete tsy tapaka.
\v 14 Ny trano sy harena no lova avy amin'ny ray aman-dreny, fa vady hendry kosa no avy amin'i Yaveh.
\s5
\v 15 Ny hakamoana dia mandatsaka ny olona anaty torimaso lalina, fa izay tsy vonon-kiasa kosa dia ho noana.
\v 16 Izay mankatoa ny didy dia miaro ny ainy, fa ny olona izay tsy mihevitra ny lalany kosa dia ho faty.
\s5
\v 17 Ireo izay rehetra miantra ny mahantra dia mampisambotra an'i Yaveh ary honerany izy noho ireo izay nataony.
\v 18 Fehezo ny zanakao lahy dieny misy fanantenana ary aza entim-paniriana hamono azy.
\s5
\v 19 Ny olona be kizitina dia tsy maintsy manefa ny sazy; raha mamonjy azy ianao, dia tsy maintsy hamerina izany fanindroany ianao.
\v 20 Henoy ny torohevitra ary ekeo ny fampianarana, mba ho tonga hendry ianao any amin'ny fiafaran'ny fiainanao.
\s5
\v 21 Maro ny fikasana ao am-pon'ny olona, fa ny tanjon'i Yaveh no haharitra.
\v 22 Ny tsy fivadihana no irian'ny olona ary tsara kokoa ny olona mahantra noho ny mpandainga.
\s5
\v 23 Ny fanomezam-boninahitra an'i Yaveh no mitarika ny olona amin'ny fiainana; izay rehetra manana izany dia ho afapo ary tsy ampahorian'ny ratsy.
\v 24 Ny kamo dia handevina ny tanany ao an-dovia; tsy hamerina hampiakatra izany ao am-bavany akory izy.
\s5
\v 25 Veleso ny mpaniratsira, dia ho mailo ny olona bado; anaro izay manan-tsaina, dia hahazo fahalalana izy.
\s5
\v 26 Izay mandroba ny rainy ary mandroaka ny reniny dia zanaka mitondra henatra sy fahafaham-baraka.
\v 27 Raha mitsahatra ny mihaino fampianarana ianao, ry zanako lahy, dia hania hiala amin'ireo tenin'ny fahalalana ianao.
\s5
\v 28 Ny vavolombelona mpivadika dia maniratsira ny fitsarana ary ny vavan'ny ratsy fanahy mitelina heloka.
\v 29 Vonona ho an'ireo mpaniratsiratsira ny fanamelohana ary ny kapoka ho amin'ny lamosin'ny adala.
\s5
\c 20
\p
\v 1 Ny divay dia mpaniratsira ary ny zava-pisotro mahery dia mpitabataba; izay voavily lalana amin'ny fisotroana amin'ny lalan-diso dia tsy hendry.
\v 2 Ny tahotra ny mpanjaka dia tahaka ny tahotra ny liona tanora izay mierona; izay mampahatezitra azy dia manary ny ainy.
\s5
\v 3 Voninahitra ho an'ny rehetra ny misoroka fifandirana, fa ny adala rehetra dia miantsampy amin'ny fiadian-kevitra.
\v 4 Ny olona kamo dia tsy miasa tany amin'ny lohataona; mitady vokatra izy amin'ny fararano fa tsy hahazo na inona na inona.
\s5
\v 5 Ny tanjona ao am-pon'ny olona dia tahaka ny rano lalina, fa ny olona izay manam-pahalalana kosa hamoaka azy.
\v 6 Maro ny olona milaza fa tsy mpivadika, saingy iza no afaka hahita olona mahatoky?
\s5
\v 7 Ny olona marina dia mandeha amin'ny fahitsiana, ary ireo zanany izay mandimby azy aoriany dia hotahiana.
\v 8 Ny mpanjaka izay mipetraka eo amin'ny seza fiandrianany manatanteraka ireo adidin'ny mpitsara dia manivana ireo ratsy rehetra izay eo alohany amin'ny masony.
\s5
\v 9 Iza no afaka miteny hoe: "Efa nihazona ny foko hadio aho; afaka amin'ny otako aho"?
\v 10 Ny mizana tsy mitovy lanja sy ny fandrefesana tsy mitovy— dia samy halan'i Yaveh.
\s5
\v 11 Na ny tanora aza dia fantatra amin'ny ataony, raha madio sy mahitsy ny fitondran-tenany.
\v 12 Ny sofina izay maheno ary ny maso izay mahita— dia samy nataon'i Yaveh avokoa ireo.
\s5
\v 13 Aza mitia torimaso fandrao ho tonga amin'ny fahantrana ianao; sokafy ny masonao dia hanan- kohanina be ianao.
\v 14 "Ratsy! Ratsy! hoy ny mpividy, fa rehefa lasa izy dia mirehareha.
\s5
\v 15 Misy ny volamena sy vato lafo vidy maro be, fa ny molotry ny fahalalana dia firavaka sarobidy.
\v 16 Alao ny akanjon'izay nampisy fiarovana ho an'ireo vahiny, ary tazony ho antoka izany raha manisy fiarovana ho an'ny vehivahy ratsy fitondran-tena izy.
\s5
\v 17 Mamy ny tsiron'ny mofo azo amin'ny fitaka, saingy rehefa afaka izany dia ho feno vatokely ny vavany.
\v 18 Ireo paika dia voalamin'ny torohevitra ary amin'ny tari-dalana hendry ihany no tokony hitondranao ny ady.
\s5
\v 19 Ny fifosana mamoaka tsiambaratelo ary noho izany dia tsy tokony hiaraka amin'ireo olona izay mpiteny foana ianao.
\v 20 Raha misy olona manozona ny rainy sy ny reniny, dia ho faty eo afovoan'ny aizina ny jirony.
\s5
\v 21 Ny lova azo mora foana any am-piandohana dia tsy dia hahasoa any am-parany.
\v 22 Aza miteny hoe: "Hamaly anao noho iny ratsy iny aho!" Miandrasa an'i Yaveh dia hamonjy anao Izy.
\s5
\v 23 Halan'i Yaveh ireo vato fandanjana tsy mitovy ary ny mizana tsy marina dia tsy tsara.
\v 24 Ny dian'ny olona dia tarihan'i Yaveh; koa ahoana no ahalalany izay lalany?
\s5
\v 25 Fandrika ho an'ny olona ny miteny an-kamehana hoe: "Masina ity zavatra ity," ary rehefa avy nanao ny voadiny vao manomboka mieritreritra izay dikany.
\v 26 Ny mpanjaka hendry dia manivana ny ratsy fanahy ary mamadika ny kodiaran'ny fikororohana eo amin'izy ireo.
\s5
\v 27 Ny fanahin'ny olona no jiron'i Yaveh, mitady ireo singa anatiny indrindra.
\v 28 Tsy fivadiham-panekena sy fahamendreham-pitokisana no miaro ny mpanjaka; ny seza fiandrianany dia voaaron'ny fitiavana.
\s5
\v 29 Ny voninahitr'ireo tovolahy dia ny tanjany ary ny famirapiratan'ny olona antitra dia ny volofotsiny.
\v 30 Ireo famelezana izay mandratra manaisotra ny ratsy ary ny kapoka dia mahatonga ny any anaty lalina hadio.
\s5
\c 21
\p
\v 1 Ny fon'ny mpanjaka dia rano mikoriana eo an-tanan'i Yaveh; aviliny eny amin'izay itiavany azy izany.
\v 2 Ny lalan'olona rehetra dia mahitsy eo imasony ihany, fa Yaveh no mandanja ny fo.
\s5
\v 3 Izay manao ny marina sy mahitsy dia sitrak'i Yaveh kokoa mihoatra ny sorona.
\v 4 Ny fiavonavon'ny maso sy fireharehan'ny fo—ny jiron'ny ratsy fanahy— dia fahotana.
\s5
\v 5 Ireo fikasan'ny mazoto dia mitarika makany amin'ny fanambinana ihany, fa ny olona rehetra izay maimaika loatra dia tonga amin'ny fahantrana ihany.
\v 6 Ny fihariana harena amin'ny lela mandainga dia entona mihelina ary fandrika mamono.
\s5
\v 7 Ny herisetran'ny ratsy fanahy dia hisintona azy ireo, satria mandà ny hanao izay rariny izy ireo.
\v 8 Miolakolaka ny lalan'ny olona meloka, fa ny olona izay madio dia manao izay marina
\s5
\v 9 Aleo kokoa mipetraka eo amin'ny zoron'ny tafo toy izay miray trano amin'ny vady mpila ady.
\v 10 Ny hanoanan'ny ratsy fanahy dia maniry fatratra ny ratsy; tsy mahita fahatsarana eo amin'ny masony ireo namany izy.
\s5
\v 11 Rehefa faizina ny mpaniratsira, dia ho hendry ny kely saina, ary rehefa anarina ny olona hendry, dia hihazona fahalalana izy.
\v 12 Mandinika ny tranon'ny olona ratsy fanahy ny olo-marina; mitondra ny olona ratsy fanahy ho amin'ny loza izy.
\s5
\v 13 Ny olona izay manampina ny sofiny amin'ny fitarainan'ny mahantra, dia mbola hitaraina ihany koa, saingy tsy hisy hamaly azy.
\v 14 Ny fanomezana mangingina mampitony ny hatezerana ary ny fanomezana miafina dia mampilefy ny fahatezerana mafy.
\s5
\v 15 Rehefa vita ny fitsarana, dia mitondra fifaliana ho an'ny olo-marina izany, saingy mitondra horohoro ho an'ireo mpanao ratsy izany.
\v 16 Izay mirenireny miala amin'ny lalan'ny fahazavan-tsaina, dia hitsahatra ao amin'ny fiangonan'ny maty.
\s5
\v 17 Izay tia fahafinaretana dia hahantra; izay tia divay sy diloilo dia tsy hanan-karena.
\v 18 Ny olona ratsy fanahy dia solovaika ho an'ny olo-marina, ary ny olona mpamitaka dia vidim-panavotana ho an'ny olona mahitsy.
\s5
\v 19 Aleo mitoetra any an-tany efitra toy izay miaraka amin'ny vady mpifanditra sy tezitra.
\v 20 Harena sarobidy sy diloilo no ao an-tranon'ny hendry, fa ny olona adala kosa mandany ireo.
\s5
\v 21 Izay manao ny marina sy tsara fanahy— izany olona izany dia hahita ny fiainana, fahamarinana, ary voninahitra.
\v 22 Ny olona hendry mananika ny tanànan'ireo mahery, ary mandrodana ny fiarovana mafy izay nitokian'ireo.
\s5
\v 23 Na iza na iza miambina ny vavany sy ny lelany dia miaro ny tenany amin'ny fahoriana.
\v 24 Ny olona miavonavona sy mirehareha—"Mpaniratsira" no anarany— dia manao fihetsika feno fiavonavonana.
\s5
\v 25 Ny fanirian'ny kamo dia mahafaty azy, satria mandà ny hiasa ny tanany.
\v 26 Maniry fatratra mandritra ny tontolo andro izy, fa ny olo-marina dia manome sady tsy kahihitra.
\s5
\v 27 Maharikoriko ny sorona avy amin'ny ratsy fanahy; maharikoriko kokoa aza izany rehefa mitondra izany amin'ny antony ratsy izy.
\v 28 Ho faty ny vavolombelona sandoka, fa ny olona izay mihaino dia hiteny amin'ny fotoana rehetra.
\s5
\v 29 Ny olona ratsy fanahy dia manamafy ny endriny, fa ny olona mahitsy dia matoky amin'ny lalany.
\f + \ft Fanamarihana: ny sasany amin'ireo dikan-teny vaovao dia manao hoe: fa ny olona marina mihevitra izay halehany \f*
\s5
\v 30 Tsy misy fahendrena, tsy misy fahalalana, ary tsy misy torohevitra afaka mijoro hanohitra an'i Yaveh.
\v 31 Ny soavaly nomanina ho amin'ny andron'ny ady, saingy an'i Yaveh ny fandresena.
\s5
\c 22
\p
\v 1 Aleo misafidy ny laza tsara toy izay be harena ary tsara noho ny volafotsy sy volamena ny sitraka.
\v 2 Ny mpanakarena sy ny mahantra dia samy manana izany—Yaveh no mpahary azy rehetra.
\s5
\v 3 Ny olona mailo mahita ny loza ka miafina, fa ny bado kosa mandroso ary mijaly noho izany.
\v 4 Ny valisoan'ny fanetren-tena sy fahatahorana an'i Yaveh dia harena, voninahitra, ary fiainana.
\s5
\v 5 Ny tsilo sy ny fandrika no eo amin'ny lalan'ny maditra; fa izay miaro ny ainy dia hanalavitra azy ireo.
\v 6 Ampianaro amin'ny zaza ny lalana tokony alehany ary rehefa lehibe izy dia tsy hiala amin'izany fampianarana izany.
\s5
\v 7 Manapaka eo amin'ny ory ny mpanan-karena ary izay mindrana dia ho andevon'izay nampindrana.
\v 8 Izay mamafy ny tsy rariny dia hijinja fahoriana ary halazo ny tsorakazon'ny fahatezerany.
\s5
\v 9 Izay manana maso be fiantrana dia hotahina, satria mizara ny mofony amin'ny mahantra izy.
\v 10 Roahy ny mpaniratsira dia ho lasa ny fifandirana; hitsahatra ny ady sy ny fanevatevana.
\s5
\v 11 Izay tia fo madio sy izay milaza fahasoavana, dia hanana ny mpanjaka ho namany.
\v 12 Ny mason'i Yaveh dia miambina hatrany ny fahalalana, fa ny tenin'ny mpamadika dia ravainy.
\s5
\v 13 Ny olona malaina manao hoe: "Misy liona any an-dalana! Ho faty eny an-kalamanjana aho."
\v 14 Ny vavan'ny vehivavy janga dia lavaka lalina; mihetsika amin'izay rehetra latsaka ao ny fahatezeran'i Yaveh.
\s5
\v 15 Miraikitra amin'ny fon'ny zaza ny adalana, saingy ny tsorakazo famaizana hampiala izany.
\v 16 Izay mampahory ny olona mahantra dia mampitombo ny hareny, ary ho tonga amin'ny fahantrana izay manome ny mpanan-karena.
\s5
\v 17 Atongilano ny sofinao ary mihainoa ireo tenin'ny hendry ka ampanekeo ny fahalalako ny fonao,
\v 18 satria hahafinaritra anao ireo raha tandremanao ao aminao, raha vonona eo amin'ny molotrao izy rehetra.
\v 19 Ho ao amin'i Yaveh noho izany ny fahatokisanao, mampianatra anao izany aho anio—ianao dia ianao.
\s5
\v 20 Moa ve aho tsy efa nanoratra ohabolan'ny fampianarana sy fahalalana teolpolo ho anao,
\v 21 mba hampianarana anao ny marina amin'ireo teny mahatoky ireo, mba hanomezanao valin-teny mahatoky amin'ireo izay naniraka anao?
\s5
\v 22 Aza mandroba ny malahelo satria mahantra izy, na manosihosy ny ory eo am-bavahady,
\v 23 fa Yaveh no hisolo vava azy ireo, ary Izy handroba ny ain'ireo izay nandroba azy ireo.
\s5
\v 24 Aza misakaiza amin'ny olona izay fehezin'ny fahatezerana ary aza miaraka amin'izay romotra,
\v 25 sao ianao hianatra ny fanaony ary hahazo fandrika ho an'ny fanahinao.
\s5
\v 26 Aza mety ho isan'izay maninji-tanana amin'ny fiantohana, na mianto-trosa.
\v 27 Raha tsy manana haloa ianao, inona moa no hahasakana ny olona tsy haka ny fandriana andrianao?
\s5
\v 28 Aza manakisaka ny fefy vato fahizay izay efa napetraky ny razanareo.
\v 29 Mahita olona kinga amin'ny asany ve ianao? Hitsangana eo anoloan'ireo mpanjaka izy; tsy hitsangana eo anoloan'ny olona mahazatra izy.
\s5
\c 23
\p
\v 1 Rehefa mipetraka hihinana miaraka amin'ny mpanapaka ianao, dia diniho tsara izay eo anoloanao,
\v 2 ary ambano antsy ny tendanao raha olona tia mihinan-kanina be loatra ianao.
\v 3 Aza maniry loatra ny hanim-piny, fa haninin'ny lainga izany.
\s5
\v 4 Aza dia miasa mafy loatra hahazoana harena; hendre tsara hahafantaranao ny fotoana hitsaharana.
\v 5 Hamela ny masonao hirehitra amin'izany ve ianao? Ho dify izany, fa ho hari-elatra tahaka ny voromahery tokoa izany ka hanidina eny amin'ny lanitra.
\s5
\v 6 Aza mihinana ny hanin'ny olona manao maso ratsy—ary aza maniry ny hanim-piny,
\v 7 fa karazan'olona manisa ny vidin-kanina izy. "Mihinàna ary misotroa!" hoy izy aminao, kanefa tsy aminao ny fony.
\v 8 Haloanao izay kely nohaninao ary ho very foana ny teny fandokanao.
\s5
\v 9 Aza miteny eo an-tsofin'ny adala, satria hanamavo ny fahendren'ny teninao izy.
\v 10 Aza manakisaka ny fefy vato fahizay na mananika ny sahan'ny kamboty,
\v 11 fa mahery ny Mpanavotra azy ireny ary Izy no hisolo vava azy ireo hanohitra anao.
\s5
\v 12 Ampanekeo fampianarana ny fonao ary teny fahalalana ny sofinao.
\s5
\v 13 Aza mitsitsy ny fampianarana tsy ho amin'ny zaza, satria raha manafay azy ianao, dia tsy ho faty izy.
\v 14 Ianao no tsy maintsy hikapoka azy amin'ny tsorakazo ka hamonjy ny fanahiny amin'ny Fiainan-tsy hita.
\s5
\v 15 Ry zanako, raha hendry ny fonao, dia ho faly ihany koa ny foko;
\v 16 hiravoravo ny any anatiko rehefa milaza izay marina ny molotrao.
\s5
\v 17 Aza avela hialona ireo mpanota ny fonao, fa mitoera amin'ny tahotra an'i Yaveh mandrakariva.
\v 18 Misy tokoa ny ho avy ary tsy ho foana ny fanantenanao.
\s5
\v 19 Mihainoa—ianao! —ry zanako, ary hendre ka hampizory amin'ny lalana mahitsy ny fonao.
\v 20 Aza minamana amin'ny mamolava, na amin'ny fatra-pihinan-kena,
\v 21 fa ny mamolava sy ny tendan-kanina ary ireo be torimaso dia hahantra ary ny faharendrehana no hampitafy azy amin'ny voro-damba.
\s5
\v 22 Henoy ny rainao niteraka anao ary aza manao tsinontsinona ny reninao rehefa antitra izy.
\v 23 Vidio ny marina, fa aza mivarotra izany; mividiana fahendrena, fampianarana, ary fahazavan-tsaina.
\s5
\v 24 Hiravoravo tokoa ny rain'ny olo-marina, ary izay miteraka zaza hendry dia ho faly aminy.
\v 25 Aoka ny rainao sy ny reninao ho faly ary aoka hiravoravo izay niteraka anao.
\s5
\v 26 Ry zanako, omeo ahy ny fonao ary aoka ny masonao hitandriana ny lalako.
\v 27 Fa ny vehivavy janga dia lavaka lalina, ary fantsakana tery ny vehivavy ratsy fitondran-tena.
\v 28 Miandriandry tahaka ny mpandroba izy ary mampitombo ny isan'ireo mpamadika eo amin'ny zanak'olombelona.
\s5
\v 29 Iza no misy ozona? Iza no manana alahelo? Iza no manana ady? Iza no manana fitarainana? Iza no manana fery tsy ahoan-tsy ahoana? Iza no manana maso mivoara-mena?
\v 30 Ireo izay mifikitra amin'ny divay, ireo izay manandrana ny divay mifangaro.
\s5
\v 31 Aza mijery ny divay raha mena izany, rehefa manganohano ao amin'ny kapoaka izany ka miraraka tsimoramora.
\v 32 Amin'ny farany izany dia manaikitra toy ny bibilava ary manindrona toy ny menarana.
\v 33 Hahita zavatra hafahafa ny masonao ary ny fonao hamoaka zava-betaveta.
\s5
\v 34 Ho tahaka ny olona izay matory eo amin'ny ranomasina manonja ianao na mandry eo an-tampon'ny andrin-tsambo.
\v 35 "Namely ahy ireny," hoy ianao, "fa tsy voa aho. Nikapoka ahy ireny, fa tsy tsapako izany. Rahoviana aho no hifoha? Hitady ho sotroina hafa indray aho."
\s5
\c 24
\p
\v 1 Aza mialona ireo izay ratsy, na maniry ny hiombona amin'izy ireo,
\v 2 satria miteti-dratsy hanao herisetra ny fon'izy ireo ary milaza fahoriana ny molotr'izy ireo.
\s5
\v 3 Amin'ny fahendrena no ananganana trano ary amin'ny fahazavan-tsaina no anorenana azy.
\v 4 Amin'ny fahalalana no hamenoana harena sarobidy sy mahafinaritra rehetra ireo efitrano.
\s5
\v 5 Mahery ny mpiadin'ny fahendrena, ary ny olon'ny fahalalana dia mampitombo ny heriny;
\v 6 fa amin'ny torolalana hendry no ahafahanao miady ny adinao ary amin'ireo mpanolo-tsaina maro no misy fandresena.
\s5
\v 7 Avo loatra ho an'ny adala ny fahendrena; tsy manoka-bava eo am-bavahady izy.
\s5
\v 8 Misy olona mitetika hanao ratsy— antsoin'ny olona hoe tompon'ny tetika izy.
\v 9 Ny tetiky ny adala dia fahotana ary ny olona dia manao tsinontsinona ny mpaniratsira.
\s5
\v 10 Raha tonga malemin'ny tahotra amin'ny androm-pahoriana ianao, dia kely ny herinao.
\s5
\v 11 Avoty ireo izay nalaina hovonoina ary arovy ireo izay mivembena eo amin'ny famonoana.
\v 12 Raha miteny ianao hoe: "Indro, tsy nahalala na inona na inona momba izany izahay", moa ve ilay iray izay mandanja ny fo tsy hahatakatra izay lazainao? Ilay iray izay miambina ny ainao, moa ve izy tsy mahalala izany? Moa ve Andriamanitra tsy manome ny tsirairay avy izay mendrika azy?
\s5
\v 13 Ry zanako, mihinàna tantely satria tsara izany, satria mamy ny tantely mitete amin'ny tohon-tantely raha andramana.
\v 14 Tahaka izany ny fahendrena ho an'ny fanahinao—raha hitanao izany, dia hisy hoavy ary tsy ho foana ny fanantenanao.
\s5
\v 15 Aza manotrika tahaka ny olona ratsy fanahy izay manafika ny tranon'ny olo-marina. Aza mandrava ny tranony!
\v 16 Fa lavo impito ny olo-marina fa tafarina ihany, fa lavo amin'ny loza ny olona ratsy fanahy.
\s5
\v 17 Aza mifaly raha lavo ny fahavalonao ary aoka tsy ho ravoravo ny fonao raha tafintohina izy,
\v 18 raha tsy izany dia ho hitan'i Yaveh ary tsy ho ankasitrahany ka ho esoriny aminy ny fahatezerany.
\s5
\v 19 Aza matahotra noho ireo mpanao ratsy, ary aza mialona ny ratsy fanahy,
\v 20 fa tsy mba manana hoavy ny olona ratsy ary ny jiron'ny ratsy fanahy dia ho faty.
\s5
\v 21 Matahora an'i Yaveh, ary matahora ny mpanjaka, ry zanako; aza miombona amin'ireo izay mikomy amin'izy ireo,
\v 22 fa ho tonga tampoka ny loza ho azy ireo ka iza no mahalala hoe hatraiza ny faharavana izay ho tonga amin'izy roa?
\s5
\v 23 Ireto ihany koa ireo fitenin'ny hendry. Tsy tsara fiangarana amin'ny fitsaran-draharaha amin'ny lalàna.
\s5
\v 24 Na iza na iza miteny amin'ny ratsy fanahy hoe: "Olo-marina ianao", dia ho ozonin'ireo vahoaka ary ho halan'ireo firenena.
\v 25 Nefa ireo izay manafay ny ratsy fanahy dia hahazo sitraka ary ho tonga amin'izy ireo ny fanomezan-tsoa.
\s5
\v 26 Ny olona izay mamaly amin-kitsim-po dia manoroka eo amin'ny molotra.
\v 27 Omano ny asanao any ivelany, ary ataovy vonona ho anao any an-tsaha ny zavatra rehetra; aorian'izay, dia amboary ny tranonao.
\s5
\v 28 Aza mijoro vavolombelona hanohitra ny mpiara-belona aminao amin'ny tsy antony ary aza mamitaka amin'ny molotrao.
\v 29 Aza miteny hoe: "Ho ataoko aminy izay efa nataony tamiko; ho valiako aminy araka izay efa nataony."
\s5
\v 30 Nandalo teny an-tsahan'ny olona kamo aho, niserana tamin'ny tanim-boaloboky ny olona tsy misy saina.
\v 31 Naniry teny rehetra teny ny tsilo; rakotry ny amiana ny tany, ary ireo vaton'ny manda dia rava.
\s5
\v 32 Dia nahita aho ka nisaina izany; nijery aho ka nahazo anatra.
\v 33 Haka torimaso kely, faharendrehana kely, toho-tanana kely mba hitsaharana—
\v 34 dia ho avy hanitsaka anao ny fahantrana, ary ireo filànao dia ho tahaka ny miaramila mirongo fiadiana.
\s5
\c 25
\p
\v 1 Ireto dia mbola ohabolan'i Solomona ihany, izay nadikan'i lehilahin'i Hezekia, mpanjakan'i Joda.
\v 2 Voninahitr'Andriamanitra ny manafin-javatra, fa ny mitady izany no voninahitry ny mpanjaka.
\v 3 Tahaka ny maha-an'ny avo ny lanitra sy ny maha-an'ny lalina ny tany, no maha-tsy takatry ny saina ny fon'ireo mpanjaka.
\s5
\v 4 Esory amin'ny volafotsy ny taim-bolafotsy ka afaka hampiasa ny volafotsy amin'ny asa tanany ny mpanao asa amin'ny vy.
\v 5 Dia tahaka izany koa, esory eo amin'ny fanatrehan'ny mpanjaka ny olona ratsy fanahy dia ho apetraka amin'ny fanaovana izay marina ny seza fiandrianany.
\s5
\v 6 Aza manome voninahitra ny tenanao eo amin'ny fanatrehan'ny mpanjaka ary aza mitsangana amin'ny toerana voatendry ho an'ny olona ambony.
\s5
\v 7 Tsara kokoa raha miteny aminao izy hoe: "Miakara ety," noho ny hanalany baraka anao eo anatrehan'ny olo-manan-kaja iray.
\v 8 Aza entina faingana any amin'ny fitsarana, izay natrehan'ny masonao. Satria inona no ataonao rehefa manao izay ahamenatra anao ny mpiray monina aminao amin'ny farany?
\s5
\v 9 Hiadio hevitra eo aminao sy ny mpiray monina aminao ihany ny raharahanao ary aza mamoaka ny tsiambaratelon'ny hafa,
\v 10 raha tsy izany dia hitondra fahamenarana aminao sy tatitra ratsy momba anao ilay naheno anao ka tsy ho laitra ampanginina.
\s5
\v 11 Ny paoma volamena eo amin'ny fitoerana volafotsy dia teny nolazaina tamin' ny fotoana mety.
\v 12 Ny peratra volamena na firavaka natao tamin'ny volamena tsara indrindra dia anatra hendry ho an'ny sofina mihaino.
\s5
\v 13 Ny iraka mahatoky dia tahaka ny hatsiaky ny oram-panala amin'ny fotoam-pijinjana ho an'ireo izay maniraka azy; mampiverina ny ain'ireo tompony izy.
\v 14 Rahona sy ny rivotra tsy misy orana izay mirehareha amin'ny fanomezana izay tsy nomeny.
\s5
\v 15 Amim-paharetana no ahafahana mandresy lahatra ny mpanapaka ary ny lela malefaka dia mety hanapaka taolana.
\s5
\v 16 Raha mahita tantely ianao, dia izay ampy ihany hohanina— raha tsy izany, dia hampandoa anao, ny fihinanana betsaka loatra izany.
\v 17 Aza ampidirina matetika loatra ao an-tranon'ny namanao ny tongotrao, mety ho leo anao izy ka hankahala anao.
\s5
\v 18 Ny olona izay mijoro vavolombelona tsy marina momba ny namany dia tahaka ny langilangy, na sabatra, na zana-tsipîka maranitra ampiasaina amin'ny ady.
\v 19 Ny olona tsy mahatoky izay itokianao amin'ny fotoan'ny fahoriana dia tahaka ny nify ratsy na tongotra mibolisatra.
\s5
\v 20 Toy ny olona iray izay manala ny akanjony amin'ny andro mangatsiaka, na toy ny vinaingitra nararaka teo ambonin'ny sirahazo izay mikalo hira ho an'ny fo mavesatra.
\s5
\v 21 Raha noana ny fahavalonao, dia omeo sakafo hohanina izy, ary raha mangetaheta izy dia omeo rano ho sotroina,
\v 22 fa hanambatra vain'afo eo amin'ny lohany ianao ary hamaly soa anao i Yaveh.
\s5
\v 23 Tahaka ny hitondran'ny rivotra avaratra orana tokoa, dia hamadika ny endrika ho tezitra ny lela izay milaza tsiambaratelo.
\v 24 Tsara kokoa ny mipetraka eo amin'ny zoron'ny tafon-trano noho ny ao amin'ny trano izay hiraisana amin'ny vady mpiady lava.
\s5
\v 25 Toy ny rano mangatsiaka ho an'izay mangetaheta, ny vaovao mahafaly avy any amin'ny firenena lavitra.
\v 26 Tahaka ny loharano voahosihosy sy fantsakana rava ny olo-marina mikoy eo anatrehan'ny olona ratsy fanahy.
\s5
\v 27 Tsy tsara ny mihinana tantely be loatra; tahaka ny hoe mitady voninahitra miampy voninahitra izany.
\f + \ft Fanamarihana: Ny dikan-teny amin'izao fotoana dia manana filazana hafa an'io andininy iray sarotra io. \f*
\v 28 Ny olona tsy manana fahafehezan-tena dia tahaka ny tanàna rava sy tsy misy manda.
\s5
\c 26
\p
\v 1 Tahaka ny oram-panala amin'ny lohataona na ranon' orana amin'ny taom-pijinjana, no tsy maha-mendri-kaja ny adala.
\v 2 Tahaka ny fody maniditsidina sy ny sidintsidina mitelina rehefa manidina izy ireo, no tsy hidinan'ny ozona tsy mendrika.
\s5
\v 3 Ny karavasy dia ho an'ny soavaly, ny lamboridy dia ho an'ny ampondra ary ny tsorakazo dia ho an'ny lamosin'ny adala.
\v 4 Aza mamaly ny adala araka ny adalany, raha tsy izany dia ho lasa toa azy ianao.
\s5
\v 5 Valio ny adala ary miraisa amin'ny adalany, dia tsy ho hendry eo imasony ihany izy.
\v 6 Na iza na iza mandefa hafatra amin'ny tanan'ny adala dia manapaka ny tongony ihany sady misotro herisetra.
\s5
\v 7 Toy ny tongotry ny mararin'ny paralysisa izay miraviravy ny ohabolana ao am-bavan'ny adala.
\v 8 Toy ny mamatotra vato amin'ny antsamotady ny manome voninahitra ny adala.
\s5
\v 9 Toy ny tsilo izay milentika ao an-tanan'ny mamo lava ny ohabolana ao am-bavan'ireo adala.
\v 10 Toy ny mpandefa tsipìka izay mandratra ny rehetra manodidina azy ny olona izay manakarama adala na manakarama izay sendra mandalo.
\s5
\v 11 Toy ny alika miverina amin'ny loany, dia toy izany koa ny adala izay mamerina ny hadalany.
\v 12 Mahita olona hendry eo imasony ihany ve ianao? Ny adala misy antenaina kokoa noho ny aminy.
\s5
\v 13 Ny olona kamo manao hoe: "Misy liona eny an-dalana! Misy liona eny ankalamanjana!"
\v 14 Toy ny varavarana mihodina amin'ny saviliny, dia toy izany koa ny olona kamo eo am-pandriany.
\s5
\v 15 Ny olona kamo dia mametraka ny tanany ao an-doviany nefa tsy manana hery hanaingana izany ho ao am-bavany izy.
\v 16 Ny olona kamo dia hendry eo imasony ihany noho ny olona fito miaraka amin'ny fahaiza-manavaka.
\s5
\v 17 Tahaka ilay mihazona ny sofin'ny alika ny mpandalo izay tezitra amin'ny fifamaliana tsy azy.
\s5
\v 18 Tahaka ny olona mitapy izay manipy zana-tsipìka mirehitra,
\v 19 ny olona izay mamitaka ny mpiara-belona aminy ary manao hoe: "Tsy nivazivazy ve aho?"
\s5
\v 20 Nohon'ny tsy fisian'ny kitay, dia maty ny afo; ary any amin'izay tsy misy mpifosa dia mitsahatra ny fifandirana.
\v 21 Toy ny arina mampirehitra ny vain'afo sy ny kitay amin'ny afo, dia toy izany koa ny olona tia ady mandrehitra fifandirana.
\s5
\v 22 Ny tenin'ny mpifosa dia toy ny hanina matsiro; midina ao anatin'ny faritry ny vatana ireo.
\v 23 Toy ny ankosotra taim-bolafotsy mandrakotra ny vilany tany ny molotra mirehitra sy ny fo ratsy.
\s5
\v 24 Izay mankahala ny hafa dia manarona ny fihetseham-pony amin'ny molony ary mandrakitra fitaka ao anatiny ihany.
\v 25 Hiresaka amim-pahasoavana izy, saingy aza mino azy, satria misy fahavetavetana fito ao am-pony.
\v 26 Na dia voasarona fitaka aza ny fankahalany, dia haharihary eo amin'ny fiangonana ny faharatsiany.
\s5
\v 27 Izay rehetra mihady lavaka no hianjera ao amin'izany ary ny vato dia hikodia eo amin'izay nanosika izany.
\v 28 Ny lela mandainga dia mankahala ny olona izay torotoroin'izany ary ny molotra mandoka mitondra faharavana.
\s5
\c 27
\p
\v 1 Aza mirehareha amin'ny ampitso, fa tsy fantatrao izay mety ho entin'ny anio.
\v 2 Aoka olon-kafa no handoka anao fa tsy ny vavanao ihany; ny vahiny fa tsy ny molotrao ihany.
\s5
\v 3 Saino ny havesatry ny vato sy ny lanjan'ny fasika— ny fihantsian'ny adala dia mavesatra kokoa noho ireo roa ireo.
\v 4 Misy ny habibian'ny havinirana sy ny fandriaky ny hatezerana, fa iza no afaka hijoro eo anoloan'ny hasarotam-piaro?
\s5
\v 5 Aleo anatra ampahibemaso toy izay fitia afenina.
\v 6 Mahatoky ny ratra ataon'ny namana, fa ny fahavalo dia mety hanoroka mitafotafo anao.
\s5
\v 7 Ny olona izay nihinana mandra-pahavoky dia mandà na dia ny tohon-tantely aza, fa ho an'ny olona noana kosa, dia mamy ny zava-mangidy rehetra.
\v 8 Toy ny vorona izay mirenireny miala amin'ny akaniny ny olona izay maniasia miala amin'ny fonenany.
\s5
\v 9 Ny ranomanitra sy emboka manitra dia mampifaly ny fo, fa ny hamamian'ny namana dia tonga avy amin'ny toroheviny amin-kitsim-po.
\f + \ft Fanamarihana: Ny dikan-teny vaovao dia manana fandikana hafa an'ity andininy sarotra ity \f*
\v 10 Aza mahafoy ny namanao sy ny rain'ny namanao, ary aza mankany amin'ny tranon'ny rahalahinao amin'ny andro-pahavoazanao. Tsara kokoa ny namana izay akaiky noho ny rahalahy izay lavitra.
\s5
\v 11 Hendre, ry zanako, dia ampifalio ny foko; dia hamaly an'ilay maneso ahy aho.
\v 12 Ny lehilahy mailo dia mahatsinjo ny loza ka miafina, fa ny olona bado dia mandroso ihany ka mijaly noho izany.
\s5
\v 13 Alaivo ny akanjon'izay nanome antoka amin'ny vahiny, ary tano ho antoka izany rehefa manome antoka amin'ny vehivavy ratsy fitondran-tena izy.
\v 14 Na iza na iza manome tso-drano ny namany amin'ny feo avo vao maraim-be, dia raisina ho toy ny ozona izany tso-drano izany!
\s5
\v 15 Ny vady mpifanditra dia tahaka ny ora-mikija amin'ny andro fahavaratra;
\v 16 ny mihazona azy dia toy ny mihazona rivotra, na miezaka mamihina diloilo amin'ny tananao ankavanana.
\s5
\v 17 Ny vy mandranitra vy; tahaka izany, ny lehilahy mandranitra ny namany.
\v 18 Izay mikarakara ny hazon'aviavy dia hihinana ny voany, ary izay miaro ny tompony dia homen-boninahitra.
\s5
\v 19 Tahaka ny taratry ny rano amin'ny endriky ny olona, ny taratry ny fon'ny olona amin'ny olona.
\v 20 Tahaka ny Fiainan-tsy hita sy ny Fandringanana tsy afapo mandrakizay, dia toy izany ny mason'ny olona tsy ho afapo mandrakizay.
\s5
\v 21 Ny memy ho an'ny volafotsy ary ny fatana fandrendrehana ho an'ny volamena; dia amin'ny fiderana azy no hitsapana ny olona.
\v 22 Na dia totoinao amin'ny fanoto aza ny adala—miaraka amin'ny vary—dia mbola tsy hiala aminy ihany ny adalany.
\s5
\v 23 Ataovy azo antoka fa fantatrao ny toetry ny ondrinao ary saino ny momba ireo biby fiompinao,
\v 24 fa ny harena dia tsy mandrakizay. Maharitra ho an'ny taranaka rehetra ve ny satro-boninahitra?
\v 25 Rehefa miala ny ahitra ary mitsiry ny solofony, dia angonina avy eny amin'ny havoana ny ahitra ho an'ireo ondry aman'osy.
\s5
\v 26 Ireo zanak'ondry ireo no hanome ny fitafianao ary ireo osy no hanome ny saran'ny saha.
\v 27 Hisy rononon'osy ho an'ny sakafonao—sakafo ho an'ny tokantranonao— ary sakafo ho an'ny mpanomponao vavy.
\s5
\c 28
\p
\v 1 Mandositra ny ratsy fanahy raha tsy misy olona manenjika azy akory, fa ny olo-marina dia sahy tahaka ny liona tanora.
\v 2 Nohon'ny fandikan-dalàn'ny tany, dia manana mpanapaka maro izy, fa raha miaraka amin'ny olona manana fahazavan-tsaina sy fahalalana, dia haharitra ela izany.
\s5
\v 3 Ny olona mahantra izay mampahory olona mahantra hafa dia toy ny orana mivatravatra izay tsy mamela hanina.
\v 4 Ireo izay mahafoy ny lalàna dia midera olona ratsy fanahy, fa ireo izay mitandrina ny lalàna dia hiady amin'izy ireo.
\s5
\v 5 Ny olon-dratsy dia tsy mahatakatra ny rariny, fa ireo izay mitady an'i Yaveh no mahatakatra ny zava-drehetra.
\v 6 Tsara kokoa ho an'ny olona mahantra ny mandeha amin'ny fahitsiana, noho ny ho an'ny olona mpanankarena izay meloka amin'ny lalany.
\s5
\v 7 Izay mitandrina ny lalàna no zanaka manana fahazavan-tsaina, fa izay naman'ny tendan-kanina mahamenatra ny rainy.
\v 8 Izay mihary ny hareny amin'ny zana-bola be loatra dia manangona ny hareny ho an'ny hafa izay hanam-piantrana amin'ny olona mahantra.
\s5
\v 9 Raha misy olona mamily ny sofiny tsy hihaino ny lalàna, na ny fivavahany aza maharikoriko.
\v 10 Na iza na iza mamily lalana ny mahitsy amin'ny lalàn-dratsy dia hilatsaka ao amin'ny lavany ihany, fa ny tsy misy tsiny no hanana lova tsara.
\s5
\v 11 Ny olona manan-karena dia mety ho hendry eo imasony ihany, fa ny olona mahantra izay manana fahazavan-tsaina no hahita azy.
\v 12 Rehefa misy fandresena ho an'ny olo-marina, dia misy voninahitra lehibe, fa rehefa mitsangana ny ratsy fanahy, dia miafina ny olona.
\s5
\v 13 Izay manafina ny fahotany tsy ho ambinina, fa izay miaiky sy mahafoy ireo no hanehoana famindram-po.
\v 14 Ho tahiana izay miaina amin'ny fanehom-panajana mandrakariva, fa izay rehetra manamafy ny fony dia ho tra-pahoriana.
\s5
\v 15 Tahaka ny liona mierona na bera miremby ny mpanapaka ratsy fanahy eo amin'ny olona mahantra.
\v 16 Ny mpanapaka tsy ampy fahazavan-tsaina dia mpampahory lozabe, fa izay mankahala ny tsy fahamarinana no hampitombo ny androny.
\s5
\v 17 Raha meloka ny olona iray satria nandatsaka ràn'olona, dia ho mpitsoa-ponenana mandra-pahafatiny izy ary tsy hisy olona hamonjy azy.
\v 18 Na iza na iza mandeha amin'ny fahitsiana dia ho arovana, fa ilay iray izay mandeha amin'ny lala-meloka no ho lavo tampoka.
\s5
\v 19 Izay miasa ny taniny dia hanana hanina maro, fa na iza na iza manaraka ny zava-poana dia hahazo fahantrana be.
\v 20 Ny olona mahatoky dia hanana fitahiana lehibe, fa izay malaky mahazo harena dia tsy ho afa-maina.
\s5
\v 21 Tsy tsara ny maneho fiangarana, fa ho an'ny sombi-mofo no hanaovan'ny olona ny tsy mety.
\v 22 Ny olona kahihitra dia manenjika harena faingana, saingy tsy fantany fa ny fahantrana no ho tonga eo aminy.
\s5
\v 23 Na iza na iza mananatra olona, dia hahita sitraka bebe kokoa avy aminy noho ny avy amin'ny ilay iray izay mandoka azy amin'ny lelany aorian'izany.
\v 24 Na iza na iza mandroba ny rainy sy ny reniny ary miteny hoe: "Tsy fahotana izany," dia naman'ilay iray izay manimba izy.
\s5
\v 25 Ny olona tsy mahonon-tena manetsika fifandirana, fa izay matoky an'i Yaveh no hambinina.
\v 26 Izay matoky ny fony ihany dia adala, fa na iza na iza mandeha am-pahendrena dia handositra ny loza.
\s5
\v 27 Izay manome ny mahantra dia tsy ho ory na inona na inona, fa na iza na iza mihirim-belona amin'izy ireo dia handray ozona be dia be.
\v 28 Rehefa mitsangana ny olona ratsy fanahy, dia miafina ny olona, fa ny olona ratsy fanahy dia ho foana, ary hitombo ny olo-marina.
\s5
\c 29
\p
\v 1 Ny olona iray izay nandray anatra maro kanefa manamafy ny hatony dia ho rava ao anatin'ny fotoana fohy tsy misy fanasitranana.
\v 2 Rehefa mitombo ny olo-marina, dia mifaly ny olona, fa rehefa ny olona ratsy fanahy no mpanapaka, dia misento ny olona.
\s5
\v 3 Na iza na iza tia ny fahendrena dia mahafaly ny rainy, fa izay miaraka amin'ny mpijangajanga dia manimba ny hareny.
\v 4 Mametraka ny tany amin'ny rariny ny mpanjaka, fa izay mangataka tsolotra kosa dia manimba izany.
\s5
\v 5 Ny olona izay mandoka ny namany dia mamelatra harato ho an'ny tongony.
\v 6 Ao amin'ny fahotan'ny ratsy fanahy ny fandrika, fa ny olo-marina kosa dia mihira ary mifaly.
\s5
\v 7 Ny olo-marina dia mihevitra ny adin'ny olona mahantra; ny olona ratsy fanahy dia tsy mahatakatra fahalalana toy izany.
\v 8 Mampirehitra ny tanàna ny mpaniratsira, fa ireo izay hendry kosa dia mampivily fahatezerana.
\s5
\v 9 Rehefa miady hevitra amin'ny adala ny olon-kendry iray, dia romotra izy ary mihomehy, ary tsy hisy fitsaharana.
\v 10 Ny lian-drà dia mankahala izay tsy manan-tsiny ary mifofo ny ain'ny marina.
\s5
\v 11 Ny adala dia mampiseho ny hatezerany rehetra, fa ny olon-kendry kosa dia mitàna izany ary mampitony ny tenany.
\v 12 Raha mihaino lainga ny mpanapaka, dia ho ratsy fanahy avokoa ireo manam-pahefany rehetra.
\s5
\v 13 Ny olona mahantra sy ny mpampahory dia mitovitovy, fa Yaveh dia manome hazavana ho an'ny mason'izy roa ireo.
\v 14 Raha mitsara ny mahantra amin'ny fahamarinana ny mpanjaka iray, dia hitoetra mandrakizay ny seza fiandrianany.
\s5
\v 15 Ny tsorakazo sy ny anatra dia manome fahendrena, fa ny zanaka afaka tamin'ny fitsipika dia mahamenatra ny reniny.
\v 16 Rehefa eo amin'ny fahefana ny olona ratsy fanahy, dia mitombo ny fandikan-dalàna, fa ny olo-marina kosa dia hahita ny fionganan'ny olona ratsy fanahy.
\s5
\v 17 Fehezo ny zanakao dia hanome fitsaharana anao izy; hitondra hamamiana amin'ny fiainanao izy.
\v 18 Any amin'izay tsy misy fahitana ara-paminaniana dia mihabiby ny olona, fa tahiana izay mitandrina ny lalàna.
\s5
\v 19 Tsy ho voahitsy amin'ny teny ny andevo, fa na dia mahatakatra izy; dia tsy hisy valiny.
\v 20 Jereo anie ny olona izay faingam-piteny? Misy fanantenana bebe kokoa ho an'ny adala noho ny aminy.
\s5
\v 21 Izay mampihanta ny andevony hatramin'ny fahatanorany, dia hanana olana any amin'ny faran'izany.
\v 22 Ny olona tezitra manetsika fifandirana ary ny tompon'ny fahavinirana hanao fahotana maro.
\s5
\v 23 Ny avonavon'ny olona iray mampihetry azy, fa izay manana fanahy mietry kosa dia homem-boninahitra.
\v 24 Izay mizara amin'ny mpangalatra dia mankahala ny ainy ihany; mandre ny ozona izy fa tsy miteny na inona na inona.
\s5
\v 25 Ny tahotra ny olona dia mahatonga fandrika, fa izay matoky an'i Yaveh no ho voaaro.
\v 26 Maro ireo izay mitady ny tavan'ny mpanapaka, kanefa avy amin'i Yaveh ny rariny ho an'ny olona iray.
\s5
\v 27 Ny olona tsy marina dia fahavetavetana ho an'ny olo-marina, fa izay mahitsy lalana kosa dia maharikoriko ny olona ratsy fanahy.
\s5
\c 30
\p
\v 1 Ny tenin'i Agora zanak'i Jake—fampitana: nitory tamin'i Itiela io lehilahy io, tamin'i Itiela sy Okala:
\f + \ft Fanamarihana: Ireo dikan-teny sasany dia misy hoe: "Nambaran'io lehilahy io hoe: "Reraka aho, Andriamanitra o, reraka aho. Tsy afaka manao na inona na inona aho."' \f*
\v 2 Toy ny biby tokoa aho mihoatra ny olona ary tsy manana ny fahazavan-tsain'ny olombelona aho.
\v 3 Tsy nianatra fahendrena aho, na manana ny fahalalana ilay Iray Masina.
\s5
\v 4 Iza no niakatra sy nidina tany an-danitra? Iza no nanangona ny rivotra teny an-tanany? Iza no navoangona ny rano teo amin'ny lambany? Iza no nanorina ny faran'ny tany rehetra? Iza no anarany, ary iza no anaran-janany? Fantatrao tokoa izany!
\s5
\v 5 Voazaha toetra avokoa ny tenin'Andriamanitra; ampinga ho an'ireo izay mialoka aminy Izy.
\v 6 Aza manampy amin'ny teniny, sao ho faiziny ianao, ary ho voaporofo fa mpandainga.
\s5
\v 7 Zavatra roa no angatahiko aminao, ary aza mihazona ireo mialohan'ny hahafatesako:
\v 8 Alaviro ahy ny zava-poana sy ny lainga. Aza omena ahy na ny fahantrana na ny harena, fa omeo ahy fotsiny ny hanina izay ilaiko.
\v 9 Fa raha manana be loatra aho, dia mety handà anao ka hiteny hoe: "Iza moa Yaveh?" Na raha tonga mahantra aho, dia mety hangalatra ka handoto ny anaran'ny Andriamanitro.
\s5
\v 10 Aza manendrikendrika ny andevo eo anatrehan'ny tompony, sao hanozona anao izy ary ho voatana ho meloka ianao.
\s5
\v 11 Misy taranaka manozona ny rainy sady tsy misaotra ny reniny.
\v 12 Misy taranaka madio eo imasony ihany, kinanjo tsy voasasa tamin'ny lotony akory.
\s5
\v 13 Misy taranaka manandratra ny masony, ary endrey ny fisandratan'ny hodi-masony!
\v 14 Misy taranaka izay sabatra ny nifiny, ary ny valanoranony tahaka ny antsy, mba handrapahany ny mahantra hiala amin'ny tany ary ny ory tsy ho eo amin'ny zanak'olombelona.
\s5
\v 15 Ny dinta manan-janaka vavy roa: "Omeo, Omeo" hoy ny fihiakiakany. Misy zavatra telo izay tsy mety afapo, efatra izay tsy mba milaza mihitsy hoe: "Ampy izay":
\v 16 dia ny Fiainan-tsy hita; ny kibo momba; ny tany tsy vonton-drano; ary ny afo no tsy mba milaza mihitsy hoe: "Ampy izay!"
\v 17 Ny maso izay maniratsira ny ray sady mandrabiraby ny fankatoavana ny reny, ho tsaingohan'ny goaika any an-tsaha ny mason'izany, ary ho lanin'ny volotoro izy.
\s5
\v 18 Misy zavatra telo izay mahagaga loatra ho ahy, eny efatra izay tsy takatro:
\v 19 ny lalan'ny voromahery eny an-danitra; ny lalan'ny bibilava eny amin'ny vatolampy; ny lalan'ny sambo eny afovoan'ny ranomasina; ary ny lalan'ny lehilahy miaraka amin'ny tovovavy.
\s5
\v 20 Izao no fomban'ny vehivavy janga: mihinana izy ka mamafa ny vavany ary miteny hoe: "Tsy nanao ratsy aho."
\s5
\v 21 Mihovitrovitra eo ambanin'ny zavatra telo ny tany, ary ambanin'ny zavatra efatra no tsy zakany:
\v 22 dia ny andevo raha tonga mpanjaka, ny adala raha voky hanina;
\v 23 ny vehivavy ankahalaina raha ampakarina; ary ny mpanompo vavy raha maka ny toeran'ny tompo vaviny.
\s5
\v 24 Zavatra efatra eto an-tany no kely kanefa hendry tokoa:
\v 25 ny vitsika dia voahary tsy matanjaka, kanefa manomana ny sakafony amin'ny fahavaratra izy ireo;
\v 26 ny hyraky ny vato dia tsy voahary mahery, kanefa manao ny fonenany anaty vatolampy.
\s5
\v 27 Ny valala dia tsy manana mpanjaka, kanefa mirindra milahatra tsara ny diany.
\v 28 Ary ny amin'ny antsiantsy, dia azonao hazonina amin'ny tananao roa izany, kanefa dia hita any amin'ireo lapan'ny mpanjaka.
\s5
\v 29 Misy zavatra telo izay tsara famindra ary efatra izay tsara ny fomba fandehany:
\v 30 ny liona, izay mahery indrindra amin'ireo bibidia— tsy miery amin'ny inona na inona izany;
\v 31 ny akoholahy mpiady; ny osilahy; ary ny mpanjaka izay eo anilany ny miaramilany.
\s5
\v 32 Raha adala ianao, nanandra-tena, na raha namisavisa ratsy—dia ataovy eo am-bavanao ny tananao.
\v 33 Ny fanontsankontsanana ny ronono no mahatonga ronono mandry ary toy ny fivoahan-drà amin'ny oron'ny olona raha ahodikodina izany, dia toy izany koa ny asa atao amin-katezerana dia miteraka ady.
\s5
\c 31
\p
\v 1 Ireo tenin'i Lemoela mpanjaka—anatra nampianarin'ny reniny azy.
\v 2 Inona, ry zanako? Inona izany, ry zanaky ny kiboko? Inona no tadiavinao, ry zanaky ny voadiko?
\v 3 Aza omena ny vehivavy ny herinao, na ny lalanao ho an'ireo izay mamotika ny mpanjaka.
\s5
\v 4 Izany dia tsy ho an'ny mpanjaka, ry Lemoela, tsy ho an'ireo mpanjaka ny fisotroana divay, na koa ho an'ny mpanapaka mba hanontany hoe: "Aiza ny zava-pisotro mahery?"
\v 5 Fandrao hadinoin'izy ireo izay efa voadidy, ary hamadika ny marina ho amin'ny fahoriana rehetra.
\s5
\v 6 Omeo zava-pisotro mahery ny olona izay efa ho faty ary divay ho an'ireo anaty fahoriana mangidy.
\v 7 Hisotro izy ary hanadino ny fahantrany ary tsy hahatsiaro ny fahoriany izy.
\s5
\v 8 Mitenena ho an'ireo izay tsy afaka miteny, ho an'ny adin'izay rehetra efa ho faty.
\v 9 Mitenena mafy ka mitsarà araka ny rariny ary misoloa vava ho an'ny olona mahantra sy ory.
\s5
\v 10 Iza no afaka mahita vehivavy mahavita azy? Ny lanjany dia mihoatra lavitra noho ny firavaka.
\v 11 Ny fon'ny vadiny mitoky aminy, ary tsy hahantra mihitsy izy.
\v 12 Manao zava-tsoa ho azy izy ary tsy manao ratsy amin'ny androm-piainany rehetra.
\s5
\v 13 Misafidy volon'ondry sy rongony izy, ary miasa an-kafaliana amin'ny tanany.
\v 14 Tahaka ireo sambon'ny mpanao raharaham-barotra izy; avy lavitra no itondrany ny sakafony.
\v 15 Mifoha izy raha mbola alina ary manome hanina ho an'ny ankohonany, ary mizara ny asa ho an'ireo mpanompo vaviny.
\s5
\v 16 Izy no mandinika ny saha ary mividy izany, amin'ny vokatry ny tanany no amboleny voaloboka.
\v 17 Mampitafy hery ny tenany izy ary mampatanjaka ny sandriny.
\s5
\v 18 Mahafantatra izay mety ho tombony tsara ho azy izy; mandritra ny alina tontolo ny jirony dia tsy maty.
\v 19 Apetrany eo amin'ny ampela ny tanany, ary tazominy ny fihazonam-bohavoha.
\s5
\v 20 Manatsotra ny tanany amin'ny olona ory izy; manatsotra ny tanany amin'ny olona mahantra izy.
\v 21 Tsy matahotra oram-panala ho amin'ny ankohonany izy, satria ny ankohonany rehetra dia mitafy volon'ondry mena.
\s5
\v 22 Manamboatra firakotra ho an'ny fandriany izy, ary miakanjo fitafy rongony manify volomparasy.
\v 23 Ny vadiny no fantatra ao amin'ny vavahady, rehefa mipetraka miaraka amin'ny loholon'ny tany izy.
\s5
\v 24 Manamboatra akanjo rongony fotsy izy ary mivarotra ireo, ary namatsy samboady ho an'ireo mpivarotra izy.
\v 25 Mitafy ny hery sy ny voninahitra izy, ary mihomehy amin'ny fotoana ho avy izy.
\s5
\v 26 Manokatra ny vavany amin'ny fahendrena izy ary eo amin'ny lelany ny lalàn'ny hatsaram-panahy.
\v 27 Miambina ny lalan'ny ankohonany izy ary tsy mihinana ny mofon'ny fahalainana.
\s5
\v 28 Mitsangana ny zanany ka miantso azy hoe voatahy, ary midera azy ny vadiny, manao hoe:
\v 29 "Maro ny vehivavy efa nanao ny tsara, saingy mihoatra azy rehetra ianao."
\s5
\v 30 Fitaka ny fahatsarana, zava-poana ny hatsaran-tarehy, fa ny vehivavy matahotra an'i Yaveh, dia ho deraina izy.
\v 31 Omeo azy ny vokatry ny tanany ary aoka ny asany hidera azy eny amin'ny vavahady.