plt_tq/2ch/30/13.md

656 B

Firy no nivondrona tany Jerosalema hankalaza ny firavoravoana amin'ny Mofo tsy misy Masirasira tamin'ny volana faharoa

Vahoaka maro, fiangonana lehibe tokoa, no tafangona tany Jerosalema.

Inona no nataon'ireo izay nivondrona tany Jerosalema?

Nalain'izy ireo ireo alitara, ireo alitara rehetra ho an'ny ditin-kazo manitra, ary natsipin'izy ireo tany amin'ny lohasahan-driaka Kidrona izany. Avy eo dia namono ny zanak'ondrin'ny Paska izy ireo tamin'ny andro fahefatra ambin'ny folon'ny volana faharoa.

Inona no nataon'ireo mpisorona sy ireo Levita izay menatra?

Nananamasina ny tenany izy ireo ary nitondra fanatitra dorana tao an-tranon'i Yaveh.