1.0 KiB
Zanaka marina
Na dia tsy zanaka naterak'i Paoly aza i Titosy, dia samy niombona finoana amin'i Kristy izy ireo. Noho izany, ao amin'i Kristy, i Paoly dia nandray an'i Titosy ho toy ny zanany. DH: "toy ny zanako ianao."
Finoana hiombonantsika
Paoly dia nanambara finoana mitovy izay hiombonan'izy ireo ao amin'i Kristy. DH: "ny fampianarana iraisana izay inoantsika roa."
Fahasoavana sy fiadanana
Izany dia fiarahabana iraisana izay nampiasain'i Paoly. DH: "enga anie ianao hiaina hatsaram-panahy sy fiadanana anaty."
Jesosy Kristy Mpamonjy antsika
"Jesosy Kristy izay mpamonjy antsika."
Noho izao antony izao
"Izany no antony."
Namelako anao tany Kreta
"Nasaiko nijanona tao Kreta ianao."
Mba handaminanao ireo zavatra mbola tsy vita
"Mba ahafahanao mamita ny fandaminana ireo zavatra tokony atao."
Hanendry loholona
"hanendry loholona" na "manondro loholona."
Loholona
Tao amin'ny fiangonana Kristiana voalohany, ny loholona Kristiana dia nanome fitarihana ara-panahy ho an'ny fiombonan'ireo mpino.