plt_tn/psa/068/019.md

20 lines
1.1 KiB
Markdown

# mitondra ny entatsika isan'andro isan'andro
"milanja ny enta-mavesatsika isan'andro." Ny fiahian'ny Tompo ny vahoakany dia lazaina toy ny hoe Izy tenany mihitsy no milanja ny fahorian'izy ireo toy ny enta-mavesatra.
# ilay Andriamanitra izay famonjena ho antsika ... Ny Andriamanitsika dia Andriamanitra manavotra
Ireo andianteny ireo midika zavatra mitovy. Eto ny "izay famonjena antsika" dia azo adika amin'ny matoanteny "manavotra." DH: "ilay Andriamanitra izay manavotra antsika ... ny Andriamanitsika dia Andriamanitra manavotra antsika"
# hamely eo amin'ny lohan'ireo fahavalony
Andriamanitra dia lazaina toy ny hoe mpiady izay mamono ireo fahavalony amin'ny famelezana azy ireo eo amin'ny lohany mba hahafaty azy ireo. DH: "hamono ireo fahavalony amin'ny famelezana azy ireo eo amin'ny lohany"
# ny volon-doha
Hita fa toa fomban'ny miaramila ny tsy manapaka ny volony mandritra ny fotoan'ny ady. DH: "ny volon-doha lava" (UDB)
# izay mandeha amin'ny fandikan-dalàna manohitra Azy
Ny manisy ratsy an'Andriamanitra /dia lazaina toy ny hoe mandeha amin'ny fanafintohinana. DH: "zatra manafintohina Azy"