28 lines
1.4 KiB
Markdown
28 lines
1.4 KiB
Markdown
# Fampahafantarana amin'ny ankapobeny:
|
|
|
|
Davida manohy ny tantaran'ny dian'ny Israelita namakivaky ny efitra. Amin'ity ampahan'ny tantara ity, ny Israelita dia mpandresy amin'ny ady amin'ireo fahavalony.
|
|
|
|
# ireo izay nanambara izany ... tafika
|
|
|
|
Ny olona maro an'isa niteny ny hafatr'Andriamanitra tamin'ny hafa. Izy ireny dia lazaina toy ny hoe tafika lehibe. Satria somary mitombambavy ity andianteny ity, dia misy amin'ireo dika-teny mandika izany ho: "ireo vehivavy izay nanambara izany ... tafika."
|
|
|
|
# mpanjakan'ny tafika ... nahoana no nanao izany ianareo?
|
|
|
|
Ny fampahafantarana ao amin'ny 68:11 dia navaozina indray mba ho mora azo ny heviny.
|
|
|
|
# mpanjakan'ny tafika, mandositra izy ireo
|
|
|
|
Ireo mpanjaka dia maneho ireo tafiny manotolo. Azo tsoahina ary fa mandositra izy ireo satria noresen'ny tafik'Israely. DH: "Mpanjaka sy ireo tafiny mandositra anay satria noresena izy ireo"
|
|
|
|
# entana voaroba
|
|
|
|
Ireo zavatra izay nalaina tamin'ny tafika noresena ary nentina nankany am-ponenan'ny tafika naharesy.
|
|
|
|
# voromailala voarakotra volafotsy ... volamena
|
|
|
|
Izany midika fa misy amin'ny entana voaroba no tena sarobidy satria voarakotra vy sarobidy.
|
|
|
|
# Rehefa nipetraka tao amin'ireo valan'ondry ny sasany taminareo ry vahoaka, dia nahoana no nanao izany ianareo?
|
|
|
|
Ity fanontaniana ity dia ampiasaina hibedesana ny olona izay tsy nandray anjara tamin'ny ady. DH: "Tsy tokony hijanona ireo izay nitampify tao am-balan'ondry; tokony efa lasa any amin'ny ady izy ireo."
|