766 B
766 B
Ny fo ravoravo mahamirana ny tarehy
Eto ny teny "fo" dia maneho ilay olona. DH: "Rehefa ravoravo ny olona iray, dia miramirana ny tarehiny"
manorotoro ny fanahy
Ny olona kivy dia resahin'ny mpanoratra toy ny hoe zavatra izay voatorotoro ny fanahin'izany olona izany. Jereo ny fomba nandikanao an'io ao amin'ny 15:3. DH: "manakivy olona"
Ny fon'ny manan-tsaina
Eto ny teny hoe "fo" dia maneho ny saina sy ny fihevitry ny olona. DH: "Ny fisainan'ny olona manan-tsaina" na "Ny olona manan-tsaina"
ny vavan'ireo adala homana fahadalana ihany
Eto ny teny hoe "vava" dia maneho ilay olona. Resahin'ny mpanoratra toy ny hoe nihinana zavatra adaladala ny asala maniry zavatra kidaladala. DH: "ny olona adala maniry fahadalana toy ny hoe sakafo izay hohaniny"