1.2 KiB
Hiaro anao ny fahamalinana, ary hiambina anao ny fahazavan-tsaina
Ity dia miresaka momba ny "fahamalinana" sy ny "fahazavan-tsaina" toy ny hoe olona izay afaka miambina olon-kafa. Ireo fanambarana ireo dia samy mitovitovy hevitra. DH: "Satria misaina tsara sady mahatakatra izay tsara sy ratsy ianao dia ho voaaro"
fahamalinana
ny fahatsaran'ny fitandremana amin'ny asa sy ny teny
hiambina
miaro na miahy ny olona iray na zavatra iray
Hanavotra anao amin'ny lalan-dratsy ireo
Ny hoe "ireo" dia manondro ny fahamalinana sy ny fahazavan-tsaina, izay resahina toy ny hoe olona izay afaka manavotra olon-kafa. DH: "Ho hainao ny hanalavitra ny izay ratsy"
amin'ny lalan-dratsy ireo
Ny toetra rasty dia resahina toy ny hoe lalana izay alehan'ny olona ny ratsy.
izay mandao ireo lalan'ny fahamarinana ary mandeha amin'ny lalan'ny
Ny olona izay tsy manao izay marina intsony fa manapa-kevitra ny hanao izay ratsy dia resahina toy ny hoe mitsahatra tsy mandeha amin'ny lalana marina ary misafidy ny handeha amin'ny lala-maizina.
izay mandao
Ny teny hoe "izay" dia manondro ireo olona izay miteny zava-dratsy.
mandao
miala ary tsy miverina amin'ny olona na zavatra mandrakizay