28 lines
1.4 KiB
Markdown
28 lines
1.4 KiB
Markdown
# Fampifandraisana ny foto-kevitra:
|
|
|
|
Manohy miresaka amin'i Arona Andriamanitra.
|
|
|
|
# efa nomeko anao
|
|
|
|
Resahin'Andriamanitra toy ny hoe efa nanao izany Izy satria fanapahan-kevitra izay efa nataony izany. DH: "Omeko ho anao"
|
|
|
|
# ho anjara mitohitohy
|
|
|
|
Ny anjara dia zaran-javatra izay raisin'ny olona. DH: "ho zara izay ho raisinao hatrany hatrany"
|
|
|
|
# Fanekena maharitra mandrakizay amin'ny sira...fanekena mamatotra mandrakizay
|
|
|
|
Ireo andianteny roa ireo dia manondro zavatra iray ihany. Ireo miaraka dia manindry fa haharitra mandrakizay ny fanekena. DH: "fanekena mandrakizay"
|
|
|
|
# Fanekena maharitra mandrakizay amin'ny sira
|
|
|
|
"fanekena natao tamin'ny sira." Ny sira dia manambara faharetana ary nampiasaina tamin'ireo fanatitra sy ireo sakafon'ny fanekena. DH: "fanekena maharitra" na "fanekena maharitra mandrakizay"
|
|
|
|
# Tsy hanana lova ao amin'ny tanin'ny vahoaka ianao
|
|
|
|
Ny tany izay hananan'ny olona hafa dia resahin'Andriamanitra toy ny hoe ho lovan'izy ireo izany. DH: "Tsy hanana na iray amin'ny tanin'ny vahoaka ianao" na "Tsy hahazo na iray amin'ny tany izay hananan'ireo Israelita ianao"
|
|
|
|
# Izaho no anjaranao sy lovanao
|
|
|
|
Ny voninahitra lehibe izay ho azon'i Arona sy ireo taranany amin'ny fanompoana Azy ho mpisorona dia resahin'Andriamanitra toy ny hoe zavatra izay ho lovainy Andriamanitra. DH: "Fa kosa, Izaho no ho azonao" na "Fa kosa, avelako hanompo Ahy ianao ary hamatsy anao amin'izany asa fanompoana izany Aho"
|