1.3 KiB
tandrom-panavotana ho antsika
Ny tandrokin'ny biby dia famantarana ny heriny hiarovana ny tenany. Ilay Mesia dia resahana toy ny hoe tandroka manana hery hanavotra an'Israely Izy. DH: "olona manana hery hanavotra antsika."
ao an-tranon'i Davida mpanompony
"Ny tranon" i Davida eto dia maneho ny fianakaviany, indrindra fa ny taranany. DH: ''ao amin'ny fianakavian'i Davida mpanompony" na "izay taranak'i Davida mpanompony"
tahaka izay nolazainy
"araka izay nolazain'Andriamanitra"
nilaza tamin'ny vavan'ireo mpaminaniny masina
Andriamanitra namela ireo mpaminany hilaza ireo teny izay tiany ho tenenin'izy ireo. DH: "nampiteny ireo mpaminaniny masina"
tamin'ny vavan'ireo
Ity dia milaza ny hafatr'ireo mpaminany toy ny hoe vava iray ihany no miteny.
tamin'ny andro taloha
''niaina fahagola"
mitondra famonjena
maneho famonjena ara-batana ity eto, fa tsy famonjena ara-panahy.
ireo fahavalontsika ... ireo rehetra mankahala antsika
mitovy hevitra ireo fehezanteny roa ireo ary naverina mba hanamafisana ny hamafin'ny fahavalo manohitra azy ireo.
amin'ny tanan'ireo
Mety hanampy ny famerenana mametraka ny "famonjena" eto. DH: "famonjena amin'ny tanan'ny"
tanana
"hery" na "fahefana." Ny teny hoe "tanana" dia maneho ny hery izay ampiasain'ny ratsy fanahy manohitra ny olon'Andriamanitra.