1000 B
Mampihena...Izy
"Mampihena...Yaveh"
Vao novolena izy ireo...ka malazo ireo
Ireo mpanapaka malemy eo anatrehan'i Yaveh dia resahin'ny mpaminany toy ny hoe zava-maniry vaovao izay malazo rehefa misy rivotra mitsoka izany.
Vao novolena izy ireo...vao nafafy
Ireo andianteny roa ireo dia midika zavatra iray ihany amin'ny ankapobeny ary manondro ny toerana izay ametrahana ireo zava-maniry sy ireo voa amin'ny tany. DH: "vantany vao misy olona mamboly ireo...vantany vao misy olona mamafy ireo"
rehefa mitsoka ireo Izy
Ny fanalan'i Yaveh ireo mpanapaka amin'ny fahefana dia resahin'ny mpaminany toy ny hoe misy rivotra mahamay izay mitsoka ireo zava-maniry ka mahatonga izany halazo.
entin'ny rivotra toy mololo izy ireo
Io fampitahana io dia manitatra ny sarinteny ilazana ireo mpanapaka ho toy ny zava-maniry ary Yaveh ho toy ny rivotra izay mahatonga ireny halazo. Ny rivotry ny fitsaran'i Yaveh dia hanala ireo zava-maniry malazo toy ny hoe tsofin'ny rivotra mora foana ny mololo.