1.1 KiB
teny an-tanan'ireo mpitondra hafatra
Eto ireo mpitondra hafatra dia tondroina amin'ny "tanan'izy ireo" mba hanindriana fa nanome izany ho an'ny mpanjaka mihitsy izy ireo. DH: "izay nomen'ireo mpitondra hafatra azy" (UDB)
nankany an-tranon'i Yaveh izy
Ny tranon'i Yaveh dia tao amin'ny toerana avo indrindra tao Jerosalema, koa dia resahina hoe "ambony" izany.
namelatra izany teo anatrehany
"namelatra ny taratasy teo anatrehany" (UDB). Ny hoe ao an-tranon'i Yaveh dia heverina ho toy ny hoe eo amin'ny fanatrehan'i Yaveh ihany. Ny taratasy dia horonana izay afaka ahorona ary avelatra.
Ianao izay mipetraka eo ambony Kerobima
Eto Hezekia dia miresaka an'i Yaveh izay ao amin'ny tempoly. Ny hevitr'izany dia afaka atao mazava. DH: "Ianao izay eto amin'ny kerobima"
eo amin'ny fanjakan'ny tany rehetra
Io fomba fiteny io dia midika hoe manana fahefana sy manapaka ireo fanjakana rehetra. DH: "manana fahefana amin'ireo fanjakana rehetra"
Ianao no nahary ny lanitra sy ny tany
Midika izany fa nahary ny zava-drehetra Izy. DH: "Ianao no nanao ny zava-drehetra"