965 B
965 B
Ho torotoro ianareo ry vahoaka
DH: "hanorotoro ny tafikareo Aho"
Mihainoa, ry firenana lavitra rehetra
Ataon'Isaia toy ny hoe maheno azy ireo vahoaka any amin'ny firenen-kafa. DH: "Mihainoa, ry vahoaka any amin'ny toerana lavitra rehetra"
vonony ho amin'ny ady ny tenanareo ary torotoroa; vonony ny tenanareo ary torotoroa
Samy mitovitovy hevitra ihany ireo andian-teny roa ireo ary miara-ampiasaina ho fanamafisan-kevitra. DH: "mahazo miomana ho amin'ny ady ianareo, saingy ho resiko"
Manaova paik'ady, fa tsy ho tanteraka izany; mamoaha didy, fa tsy ho tanteraka izany
DH: "mahazo miomana hanafika an'i Joda ianareo, saingy tsy hahomby"
fa tsy ho tanteraka izany ... fa tsy ho tanteraka izany
Ny "manatanteraka" paik'ady na didy dia fanaovana izay tian'ilay nanao ny paik'ady na ilay didy ho ataon'ilay mpihaino. DH: "tsy ho afaka hanao izay kasainareo hatao ianareo ... tsy ho afaka hanao izay asain'ny mpifey azy ireo atao ny miaramilanareo"