924 B
924 B
Ary
Ity dia manamarika fizarana vaovao amin'ilay taratasy. Eto ny mpanoratra dia midera an'Andriamanitra ary manome vavaka farany ho an'ireo mpamakiny.
ilay mpiandry ondry lehibe
Kristy amin'ny andraikiny maha-mpitarika sy mpiaro an'ireo izay mino Azy, dia resahina toy ny hoe mpiandry ondry.
tamin'ny alalan'ny ràn'ny fanekena mandrakizay
Eto ny "rà" dia maneho ny fahafatesan'i Jesosy, izay fototry ny fanekena izay haharitra mandrakizay eo amin'Andriamnitra sy ireo mpino rehetra ao amin'i Kristy.
hanatsara anareo amin'ny asa tsara rehetra mba hanaovana ny sitrapony
Eto ny hoe "hanatsara anareo" dia midika hoe "atao mahavita" na "ataoko manana fitaovana." DH: "ataoko mahavita zavatra tsara maro ianareo araka ny sitrapony"
Izy anie hiasa ao anatintsika
Ny teny hoe "isika" dia milaza ny mpanoratra sy ireo mpamaky.
izay homena ny voninahitra mandrakizay
"izay ho derain'ny olona mandrakizay"