1.0 KiB
Fampahafantarana amin'ny ankapobeny
Mosesy manohy miresaka amin'ny vahoakan'Israely.
nofidian'i Yaveh hametrahana ny anarany
Eto ny hoe "anarana" dia maneho an'Andriamanitra mihitsy. Yaveh dia hisafidy toerana izay honenany ary ho tonga hanompo Azy ny olona. DH: "nofidiany honenana"
ao amin'ny vavahadianao
Eto ny hoe "vavahady" dia maneho ilay tanàna iray manontolo. DH: "ao amin'ny tanànanao" na "ao amin'ny fiaraha-moninao."
araka izay irian'ny fanahinao
Eto ny hoe "fanahy" dia maneho ilay olona mihitsy. DH: "araka izay irianao"
Tahaka ny hihinanana ny gazela sy ny diera
DH: "tahaka ny hihinananao ny gazela sy ny diera"
gazela sy diera
Ireo dia bibidia manana tongotra mahia lava be izay afaka mihazakazaka mafy. Jereo ny fomba nandikanao ireo tao amin'ny 12:15.
ny olona maloto
Ny olona izay tsy ekena ho amin'ny tanjon' Andriamanitra dia resahina toy ny hoe maloto ara-batana ilay olona.
ny olona madio
Ny olona izay ekena ho amin'ny tanjon' Andriamanitra dia resahina toy ny hoe madio ara-batana ilay olona.