1.0 KiB
Fampahafantarana amin'ny ankapobeny
Mosesy manohy mampatsiahy ny vahoaka ny amin'izay nitranga tany aloha.
Nitalaho aho
Eto ny "aho" dia maneho an'i Mosesy. Ity dia midika fa nangataka tamin'i Yaveh tamin'ny fomba feno hafanam-po sy fihetseham-po izy.
nanomboka nampiseho ... tamin'ny mpanomponao
Eto ny hoe "tamin'ny mpanomponao" dia fomba mihaja entina hilazana olona iray manana fahefana lehibe kokoa. DH: "nanomboka nampiseho ahy, mpanomponao"
ny tananao mahery
Eto ny hoe "tanana" dia midika hoe fahefana. DH: "ny fahefanao"
fa aiza any an-danitra ... mahery tahaka izany?
Mampiasa fanontaniana Mosesy mba hanamafisana fa Yaveh irery ihany no Andriamanitra manana fahefana hanao ny asa izay efa vitany. DH: "fa tsy misy andriamanitra afaka ... mahery tahaka izany."
any an-danitra na ety an-tany
Ireo roa ireo dia midika hoe "na aiza na aiza."
an-dafin'i Jordana
"andrefan'ny Renirano Jordana." Tamin'i Mosesy niteny ireo teny ireo tamin'i Yaveh, dia tao atsinanan'ny Renirano Jordana tao Moaba izy.