1.5 KiB
andro fahefatra amby roapolon'ny tamin'ny voalohan'ny volana
andro fahefatry ny volana voalohany- Izany no volana voalohany tamin'ny tetiandro Hebrio. Ny andro fahefatra amby roapolo dia manakaiky ny antsasaky ny volana Aprily amin'ny tetiandro Tandrefana.
miaraka amin'ny fehikibo manodidina ny valahany
"ary nitondra fehi-kibo izy"
Ofaza
Toerana i Ofaza. Tsy fantatra ny toerany.
Ny vatany dia toy ny topaza
Nanjelanjelatra tamin'ny hazavana manga sy mavo ny vatany tahaka ny natao tamin'ny topaza izany. DH: "nanjelanjelatra tahaka ny topaza ny vatany"
topaza
vatosoa manga sy mavo, fantatra koa toy ny hoe berila, peridota, na krysolita
ny tarehiny toy ny hazavana
Nirehitra toy ny hazavan'ny tsela-baratra ny tarehiny. DH: "Nirehitra tamin'ny hazavana tahaka ny famirapiratana toy ny tsela-pahazavana ny tarehiny."
Ireo masony tahaka ny fanilo mirehatra
Ireo masony dia nirehitra tamin'ny hazavana tahaka ny hoe fanilo mirehitra izy ireo. DH: "Nazava tokoa ireo masony izay toa hoe misy fanilo mirehitra ao anatin'izy ireo.
ireo sandriny sy ny tongony toy ny varahina manganohano
Mamirapiratra tahaka ny hoe natao tamin'ny varahina manganohano ireo sandriny sy ireo tongony. DH: "ireo sandriny sy tongony dia namirapiratra tahaka ny varahina manganohano izay mitaratra ny manodidina azy.
Ny feony toy ny feon'olona maro be
Tena mafy ny feony izay toy ny olona be dia be izay miteny mafy avokoa. DH: "Mafy toy ny vahoaka maro be miara-miantso ny feony."