plt_tn/act/15/10.md

24 lines
1.1 KiB
Markdown

# Fampifandraisana ny foto-kevitra
Mifarana ny resak'i Petera tamin'ireo Apostoly sy ireo loholona.
# Fampahafantarana amin'ny ankapobeny
Petera dia mampiditra ny mpihaino azy amin'ny fampiasany "antsika" sy "isika".
# Ary
Tsy midika izany hoe "amin'izao fotoana izao", fa ampiasaina mba hisarihana ny saina ho amin'ilay teboka manan-danja manaraka aoriana.
# nahoana ianareo no mitsapa an'Andriamanitra, hoe tokony hametrahanareo zioga eo amin'ny vozon'ireo mpianatra nefa na ny razantsika na isika aza tsy mahavita milanja?
Nampiasa fanontaniana i Petera mba hilazana amin'ireo mpino jiosy fa tsy tokony hangataka ireo tsy mpino izy ireo hanao ny famorana vao ho voavonjy. DH: "Aza maka mitsapa an'Andriamanitra amin'ny fametrahana enta-mavesatra amin'ireo tsy mpino Jiosy izay tsy zakantsika jiosy ho lanjaina."
# razantsika
Io dia manondro ireo razambe Jiosy.
# Nefa mino isika fa ho voavonjy amin'ny alalan'ny fahasoavan'i Tompo Jesosy, toa azy ireo ihany koa.
DH: "Saingy mino isika fa ny Tompo Jesosy dia hamonjy antsika amin'ny fahasoavany, toy ny namonjeny an'ireo mpino tsy Jiosy"