2.3 KiB
Ireo biby tsy manan-tsaina ireo dia natao
DH: "ireo biby tsy manan-tsaina ireo dia teraka voajanahary."
Ireo biby tsy manan-tsaina ireo
Tahaka ny tsy ahafahan'ireo biby misaina, dia afaka tsy mieritreritra ihany koa ireo olona. DH: "ireo mpampianatra sandoka izay tahaka ny biby tsy misaina."
Tsy fantatr'izy ireo izay tsiratsirain'izy ireo
Izy ireo dia miteny ratsy ny zavatra tsy fantatra na tsy takatr'izy ireo.
Ho potika izy ireo
DH: "Andriamanitra dia hamotika azy ireo."
Handray ny valisoan'ny zavatra ratsy nataony izy ireo
Petera dia miresaka ireo sazy izay ho raisin'ireo mpampianatra sandoka toy ny hoe valisoa. DH: "Izy ireo dia handray izay sahaza azy ireo noho ny zava-dratsy nataony.
Ny tsy fiafiana mandritry ny andro
Eto ny teny hoe: "tsy fiafiana" dia manondro ny fitondran-tena tsy voahevitra tahaka ny hatendan-kanina, hamamoana, ary ny fihetsika mamoafady. Ny fanaovana ireo zavatra ireo mandritry ny andro dia maneho fa ireo olona ireo dia tsy menatra amin'ireo fitondran-tena ireo.
Izy ireo dia be pentipentina sy tsiny
Ny teny hoe: "pentina" sy "tsiny" dia mizara dikany mitovy. Petera dia miresaka ny mpampianatra sandoka ho toy ny hoe misy pentina ny akanjony ka miteraka fahamenarana ho an'izay manao izany. DH: "Izy ireo dia tahaka ny pentipentina sy tsiny amin'ny akanjo, izay miteraka fahafaham-baraka."
Manana maso feno fijangajanga izy ireo
Ny fananana ireo "maso feno" dia midika fa izy ireo dia adalan'izay zavatra rehetra hitany. Mety ho dikany dia izao: 1) "Izy ireo dia mieritreritra ny vehivavy tsirairay izay hitany fa mpijangajanga ary te hiara-mandry aminy." na 2) "Izy ireo dia mitady vehivavy mijangajanga hatrany mba hiarahana mandry."
Tsy afa-po amin'ny fahotana mihitsy izy ireo
Na dia manota aza izy ireo mba hanomezana fahafaham-po ny filàny, dia tsy mahafa-po mihitsy ny fahotana izay ataon'izy ireo.
Mitarika fanahy tsy mety maty izy ireo
Eto ny teny hoe: "fanahy" dia manondro olona. DH: "Izy ireo dia mitarika olona tsy miorina."
Fo voaofana amin'ny fitsiriritana
Eto ny teny hoe: "fo" dia manondro ny eritreritra sy fihetseham-po. Noho ireo fihetsika mahazatra ataony, izy ireo dia nampiofanina manokana mba hieritreritra ary hitsiriritra.
Zanaky ny fanozonana
Ny teny hoe: "zanaka" dia manondro ireo izay voaozona. DH: "Izy ireo dia olona voaozon'Andriamanitra."