plt_tn/1th/02/13.md

16 lines
715 B
Markdown

# Fampahafantarana amin'ny ankapobeny:
Paoly dia nanohy nampiasa ny hoe "anay" anondroana ny tenany sy ireo namana niara nandeha taminy ary ny hoe "ianareo" ho an'ireo mpino Tesaloniana.
# Isaoranay ihany koa an'Andriamanitra mandrakariva
Matetika i Paoly no misaotra an'Andriamanitra noho ny faneken'izy ireo ny hafatry ny filazantsara izay nozarainy tamin'izy ireo.
# Noraisinareo izany araka izay marina, dia ny tenin'Andriamanitra.
Ireo Tesaloniana dia nino ny hafatr'i Paoly toy ny avy amin'Andriamanitra, fa tsy tamin'ny fahefan'i Paoly manokana.
# Izany teny izany ihany koa no miasa eo aminareo izay mino
Paoly dia miresaka ny hafatry ny filazantsaran'Andriamanitra toy ny hoe olona nanao asa izany.