777 B
777 B
Fampifandraisana ny foto-kevitra:
Manohy mihira fihirana ho an'i Yaveh i Hana.
Ireo izay manohitra an'i Yaveh dia ho potipotika
Io dia azo atao hoe DH: "Ho potehin'i Yaveh ireo izay manohitra azy"
potipotika
"Resy" no dikan'io fomba fiteny io.
ny faran'ny tany rehetra
Io dia fomba fiteny izay midika hoe na aiza na aiza. DH: "ny tany manontolo"
hanandratra ny tandrok'ilay voahosony
Ny tandroka dia mariky ny hery. Jereo ny fomba nandikanao ny teny mitovy amin'izany ao amin'ny 2:1. DH: "hataony mahery noho ny fahavalony ireo mpitarika izay nofidiany"
ilay voahosony
Ny olona izay nofidian'i Yaveh ary nomeny hery ho amin'ny tanjony dia resahina toy ny hoe nosorany menaka izany olona izany. DH: "ilay iray izay nosorany" na "ilay iray izay nofidiany"