1.1 KiB
Fampahafantarana amin'ny ankapobeny
Petera dia nanomboka ny sarin-teny momba an'i Jesosy sy ireo mpino lasa vato velona.
Manatona azy ilay vato velona
Petera dia miresaka an'i Jesosy ho toy ny hoe vato amin'ilay trano izy. DH: "Manatona azy izy ilay tahaka ny vato amin'ny trano, fa velona, fa tsy vato maty"
ilay vato velona
Mety ho dikany 1) "ilay vato izay velona" na 2) "ilay vato izay manome fiainana"
izay narian'ny olona
DH: "izay nolavin'ny olona"
fa voafidin'Andriamanitra
DH: "fa izay nofidian'Andriamanitra"
Ianareo ihany koa ... voaorina ho trano ara-panahy
Tahaka ny olona izay mampiasa vato mba hanorenana tempoly tao amin'ny Testamenta Taloha, ireo mpino no akora izay ampiasan'Andriamanitra hananganana trano izay hipetrahany.
Ianareo ihany koa dia tahaka ireo vato velona
Petera dia mampitaha ny mpamaky amin'ireo vato izay velona.
izay voaorina ho trano ara-panahy
DH: "izay Andriamanitra no manorina trano ara-panahy aminy"
ho mpisorona masina izay manolotra ny sorona ara-panahy
Eto ny toeran'ny fisoronana dia midika hoe ilay mpisorona izay manatanteraka ny andraikiny.