1.2 KiB
tamin'ny fahadimy taona nanjakan'i Rehoboama mpanjaka
Io dia manondro ny taona fahadimy izay naha-mpanjaka an'i Rehoboama. DH: "tamin'ny taona fahadimy izay nanjakan'i Rehoboama"
tamin'ny fahadimy taona
"tamin'ny faha-5 taona"
tonga nanafika an'i Jerosalema i Sisaka mpanjakan'i Egypta
"Sisaka mpanjakan'i Egypta" dia sarinteny hilazana an'i Sisaka niaraka tamin'ireo tafika Egyptiana. DH: "Sisaka mpanjakan'i Egypta, sy ireo tafiny niaraka taminy, dia tonga nanafika an'i Jerosalema"
Sisaka
Io dia anaran-dehilahy. Jereo ny nandikanao izany tao amin'ny 11:40.
tonga nanafika
Io dia fomba fiteny izay midika hoe nanao diabe hanohitra na hanafika. DH: "tonga mba hanafika"
Nalainy avokoa ny zavatra rehetra
Io dia fanaovana amin'ny ankapobeny izay manondro ny zavatra sarobidy rehetra izay azo alaina. DH "Naka zavatra sarobidy maro be izy"
Nalainy
Ny hoe "-ny" dia manambara an'i Sisaka sy ireo miaramila izay niaraka taminy. DH: "Nalain'i Sisaka sy ny tafiny"
izay namboarin'i Solomona
Eto ny hoe "Solomona" dia manondro ireo mpanao asa-tanana izay niasa ho an'i Solomona mba hanamboatra ireo ampinga. DH: "izay nampanaovin'i Solomona ireo mpiasany"