plt_tn/zec/04/08.md

1.4 KiB

Fampifandraisana ny foto-kevitra:

Ny anjely izay miresaka amin'i Zakaria dia manohy manazava ny fahitana.

Tonga tamiko ny tenin'i Yaveh

"Niteny ny teniny i Yaveh." Jereo ny nandikanao izany ao amin'ny 1:1.

ny tanan'i Zerobabela ary hamita izany ny tanany

Nanara-maso ny fananganana ny tempoly i Zerobabela. Ny fananganana dia tondroina toy ny hoe "ny tanany" na dia tsy nametraka ireo vato akory aza ny tanany.

Nametraka ny fototra

Ny fototra dia fiorenan'ny trano ary ampahany voalohany amin'ny tetikasam-pananganana. DH: "nanomboka ny fananganana"

Iza no nanao tsinontsinona...ireo zavatra madinika?

Io fanontaniana io dia tsy napetraka mba hahazoana valiny fa mba hilazana ny olona mba tsy hanaovany tsinontsinona ny "andron'ireo zavatra madinika".

ny andron'ireo zavatra madinika

Io andianteny io dia fiantsoana ny fe-potoana izay anaovana ireo asa tsotra isan'andro. Raha mitambatra, dia mahavita ny tempoly ireo asa madinika ireo. Ny androtokon'ny fananganana dia tondroina toy ny andro iray na dia nilàna taona vitsivitsy aza ny hamitana izany.

vato pilao

Vato izay nifandray tamin'ny tady. Io dia nampiasaina mba hamaritana raha namboarina mahitsy tsara na mivilambilana ireo mandan'ny trano.

fanaovan-jiro fito ireo no mason'i Yaveh

Ny fitoeran-jiro fito dia endriky ny mason'i Yaveh.

mason'i Yaveh

Ny teny hoe "maso" dia manondro ny fahitan'Andriamanitra satria ny maso dia natao mba hijerena.