plt_tn/zec/02/03.md

968 B

nisy anjely iray hafa nivoaka mba hitsena azy

Io anjely io dia olona vaovao ary tsy mbola hita tany aloha, ka noho izany dia tokony ampidirina mazava tahaka ny mpandray anjara vaovao. DH: "nisy anjely vaovao nivoaka mba hitsena azy."

Hoy ilay anjely faharoa taminy hoe: "Mihazakazaha ary miresaha amin'iny tovolahy iny

"Hoy ilay anjely faharoa tamin'ilay anjely izay niresaka tamin'i Zakaria hoe: 'Mandehana faingana ary lazao ilay lehilahy izay mitondra ny tady fandrefesana"'

Hipetraka eo amin'ny tanàna misokatra

Io andianteny io dia midika fa tsy ho voadidina manda i Jerosalema.

ho tonga manda afo manodidina azy

Milaza i Yaveh fa hiaro an'i Jerosalema ka mampitaha ny fiarovana azy amin'ny manda afo.

izany no fanambaran'i Yaveh

Io andianteny io matetika adika hoe "Hoy i Yaveh" ao amin'ny UDB. Afaka mandika izany andianteny izany amin'izay fomba mety amin'ny fiteninao ianao. Io andianteny io dia nampiasaina im-betsaka ao amin'ny Zakaria.