plt_tn/sng/03/06.md

1.4 KiB

Fampahafantarana amin'ny ankapobeny:

Manomboka eto ny Fizarana Fahatelon'ny Boky

Inona ireny miakatra avy amin'ny tany efitra

Mandeha avy any an'efitra ho any Jerosalema ny vondron'olona. Satria iva noho ny lohasahan'i Jordana ny tany efitra ary avo eo amin'ireo tendrombohitra i Jerosalema, dia tsy maintsy miakatra mba hahatongavana any Jerosalema ny olona.

toy ny andrin-tsetroka

Satria namovoka be teny amin'ny rivotra ny olona rehefa nandeha, dia toy ny setroka ny vovoka rehefa jerena lavitra. DH: "miaraka amin'ny andian-tsetroka miakatra."

manim-pofona miora sy ditin-kazo manitra

DH: "manodidina izany ny fofona tsaran'ny setroky ny miora sy ny ditin-kazo manitra."

miaraka amin'ireo vovoka rehetra amidin'ireo mpivarotra

DH: "ary ny ny fofona tsaran'ny setroky ny vovoka rehetra izay amidin'ireo mpivarotra."

vovoka

vovoka madinika nopotipotehana avy tamin'ny zavatra mafy

Indro

Io teny io eto dia maneho fa efa fantatrin'ny mpiteny ny valin'ny fanontaniana ao amin'ny andininy faha-6.

fandriana

Io dia manondro ny fandriana misy rakotrany izay azo lanjaina avy amin'ny toerana iray ho amin'ny toerana iray hafa.

mpiady enimpolo no manodidina izany; dia ireo miaramila enimpolon'Israely.

Ireo andianteny roa ireo dia manondro ireo olona enimpolo ihany. Ilay andianteny faharoa dia manazava fa ireo "mpiady" dia "ireo miaramilan'i Israely."

mpiady

lehilahy izay miady