plt_tn/sng/02/01.md

32 lines
1.1 KiB
Markdown

# Izaho dia voninkazo eny amin'ny tany lemaka fotsiny ihany
Ampitahain'ilay vehivavy amin'ny voninkazo eny amin'ny lemaka ny tenany mba hanindriana fa izy dia tovovavy mahazatra sy malefaka avy amin'ny tanàna izay tsy mendrika ny haben'ny fanehoam-pitiavana izay omen'ny malalany azy akory.
# lemaka
fari-tany izay fisaka, tsy misy hazo, ary hanirian'ny karazan'ahitra sy voninkazo maro isan-karazany
# lilia eny amin'ny lohasaha fotsiny ihany
Ampitahain'ilay vehivavy amin'ny lilia eny an-dohasaha toy ny antony ampitahany ny tenany amin'ny voninkazo eny amin'ny lemaka ihany ny tenany.
# lilia
voninkazo tsara fofona izay miendrika trompetra
# lohasaha
Io dia manondro faritra tena lehibe sy mahitsy anelanelan'ireo tendrombohitra.
# Tahaka ny lilia...ny olon'ny tanànako
Tian'ilay lehilahy ho lazaina fa tsara tarehy sy sarobidy lavitra noho ireo tovovavy hafa rehetra ilay vehivavy, toy ny lilia izay tsara sy sarobidy lavitra noho ny hazokely misy tsilo rehetra izay mety manodidina izany
# ry tiako
Jereo ny nandikanao izany ao amin'ny 1:9.
# ireo zanaka vavin'ireo olon'ny tanànako
"ireo tovovavy hafa"