plt_tn/rom/12/01.md

1.7 KiB

Fampifandraisana ny foto-kevitra:

Miresaka hoe ahoana ny tokony ho fiainan'ny mpino ary ahoana no tokony hanompoan'ireo mpino i Paoly.

Mangataka anareo aho noho izany, ry rahalahy, noho ireo famindram-pon'Andriamanitra

Eto ny teny hoe "rahalahy" dia maneho ireo namana mpino, na lahy na vavy. DH: "Ry namana mpino, noho ny famindram-po lehibe izay nomen'Andriamanitra anareo, dia tena tiako tokoa ianareo mba"

mba hanolotra ny vatanareo ho sorona velona

Eto Paoly mampiasa ny teny hoe "vatana" mba hilazana ny maha-olona manontolo. Paoly dia mampitaha ny mpino ao amin'i Kristy izay mankatoa tanteraka an'Andriamanitra amin'ireo biby izay novonoin'ny Jiosy ary avy eo natolony ho an'Andriamanitra. DH: "mba hanolotra ny tenanareo tanteraka ho an'Andriamanitra ho toy ny sorona maty eo amin'ny tempolin'ny alitara ianareo raha mbola velona ianareo"

masina, eken'Andriamanitra

Ireo mety ho dikany dia 1) "sorona izay omenareo an'Andriamanitra irery ihany ary mahafaly Azy" na 2) "eken'Andriamanitra satria izany dia madio"

Izany no fanompoanareo araka ny tokony ho izy

"izany no fomba marina hanompoana an'Andriamanitra"

Aza mitovy amin'izao tontolo izao

Ireo mety ho dikany dia 1) "Aza mitondra-tena tahaka ny fitondran-tenan'izao tontolo izao" na 2) "Aza misaina araka ny fomba ataon'izao tontolo izao."

Aza mitovy

Ireo mety ho dikany dia 1) "Aza avela hiteny aminao izay tokony hatanao na eritreretinao izao tontolo izao" na 2) "Aza avela hanao izay zavatra ataon'izao tontolo izao ny tenanao."

izao tontolo izao

Izany dia ilazana ireo tsy mpino izay miaina eto amin'izao tontolo izao.

fa miovà amin'ny fanavaozana ny sainareo

Afaka adika hoe DH: "fa aoka Andriamanitra hanova ny fomba fisainanao sy ny fitondran-tenanao''