plt_tn/rev/22/17.md

717 B

Fampifandraisana ny foto-kevitra:

Ity dia andininy dia valin'izay nolazain'i Jesosy.

ny Ampakarina

Ireo mpino dia resahina toy ny hoe ampakarina izay hanambady ny mpampakatra azy, dia i Jesosy.

Avia!

Ireo mety ho dikany: 1) izany dia fanasana ny olona ho avy sy hisotro ny ranon'ny fiainana. DH: "Avia ary Misotroa!" na 2) izany dia fangatahana am-panajana an'i Jesosy mba hiverina. DH: "Miverena re!"

mangetaheta ... ny ranon'ny fiainana.

Ny fanirian'ny olona ny fiainana mandrakizay dia resahina toy ny hoe mangetaheta ary ny olona mahazo ny fiainana mandrakizay dia toy ny hoe misotro ny ranon'ny fiainana.

ny ranon'ny fiainana

Ny fiainana mandrakizay dia resahina toy ny hoe ranon'ny fiainana.