plt_tn/rev/22/06.md

1.0 KiB

Fampahafantarana amin'ny ankapobeny:

Ity no fiatombohan'ny fiafaran'ny fahitan'i Jaona. Ao amin'ny andininy faha-6 ilay anjely dia miteny amin'i Jaona. Ao amin'ny andininy faha-7, dia Jesosy no miteny.

Ireo teny ireo dia azo atokisana sy marina

Eto ny "teny" dia maneho ny hafatra izay nambaran'izy ireo. DH: "Ity hafatra ity dia mahatoky sy marina." Jereo izay nandikanao izany ao amin'ny 21:5.

ilay Andriamanitr'ireo fanahin'ireo mpaminany

Ireo mety ho dikany: 1) ny teny hoe "fanahy" dia maneho ny toetra anatin'ireo mpaminany ary manondro fa Andriamanitra no mitaona azy ireo. DH: "Andriamanitra no nitaona an'ireo mpaminany" na 2) ny teny hoe: "fanahy" dia maneho ny Fanahy Masina izay mitaona an'ireo mpaminany. DH: "Andriamanitra no manome ny Fanahiny an'ireo mpaminany"

Indro!

Eto Jesosy dia manomboka miteny. Ny teny hoe: "Indro" dia manampy ny fanamafisana amin'izay manaraka eo.

Efa akaiky ny fiaviako!

Izany dia fantatra fa ho avy hitsara Izy. DH: "Ho avy tsy ho ela mba hitsara Aho!" Jereo izay nandikanao izany ao amin'ny 3:9.