plt_tn/psa/118/010.md

20 lines
976 B
Markdown

# Ny firenena rehetra
Eto ny teny "firenena" dia maneho ireo tafik'ireo firenena. Ny mpanoratra mampiasa filaza masaka mba hanamafisana ny hamaroan'ny isan'ireo tafika izay nanodidina azy. DH: "Ireo tafiky ny firenena maro"
# amin'ny anaran'i Yaveh
Eto ny teny "anarana" dia maneho ny herin'i Yaveh. DH: "amin'ny alalan'ny herin'i Yaveh"
# namongorako azy ireny
Ny mpanoratra miteny ny fandresena ireo tafiky ny fahavalo toy ny hoe nofongoriny tahaka ny olona namongotra ny sampany amin'ny hazo iray. DH: "no nandreseko azy ireny"
# Nanodidina ahy toy ny tantely izy ireo
Ny mpanoratra mampitaha ireo tafiky ny fahavalo amin'ny andian-tantely. DH: "Nanodidina ahy tahaka ny andian-tantely nanodidina olona izy ireo"
# nanjavona haingana toy ny afo teo amin'ny tsilo
Tahaka ny tsilo maina may avy hatrany, no hitsaharan'ny fanafihan'ireo tafiky ny fahavalo. DH: "fotoana fohy monja no naharetan'ny fanafihan'izy ireo, tahaka ny afo izay mandevona tsilo maty faingana"