plt_tn/psa/107/014.md

895 B

Nitondra azy ireo Izy

'Yaveh nitondra an'ireo izay any am-ponja"

fahamaizinana sy aizim-pito

Ny "fahamaizinana " na "aizim-pito" dia manana hevitra mitovy ary ampiasaina mba hanamfisana ny hatevin'ny aizin'ny figadrana. DH: "anaty fahamaizinana tanteraka"

Hidera an'i Yaveh anie ny olona noho ny famindrampony

"Aoka ny olona hidera an'i Yaveh satria tia azy ireo marina tokoa Izy" na "Tokony hidera an'i Yaveh ny olona noho ny fitiavany tsy mivadika." Eto ny teny "anie" dia ampiasaina hampitana faniriana lalina ho an'ny olona izay midera Azy. Jereo izay nandikanao izany ao amin'ny 107:8.

Fa Izy

"Satria Izy"

Fa Izy namotika ny vavahady varahina ary nanapaka ireo hidy vy

Ireo andianteny roa ireo dia mamaritra an'i Yaveh manafaka ny vahoakany ao am-pigadrana ary ampiasaina mba hanamafisana fa nanafaka azy ireo tokoa Yaveh. DH: "Fa Izy nanafaka ny olony tao am-pigadrana"