plt_tn/psa/073/006.md

1.2 KiB

Fampahafantarana amin'ny ankapobeny:

Asafa manohy manoritsoritra fa indraindray izy te hitaraina amin'Andriamanitra momba ireo izay "mirehareha" sy "ratsy fanahy" (73:1)

Mandravaka azy ireo tahaka ny rojo eo amin'ny vozony ny fireharehana; ny herisetra no tafiany toy ny tohitena

Izany dia midika ny ratsy fanahy mampiseho ny rehetra fa mpiavonavona sy maherisetra izy ireo rehefa manao rojo sy mitafy tohitena tsara tarehy.

rojo ... akanjo

Izany dia manondro zavatra izay fanaovan'ny olona manan-karena sy lehibe.

rojo

vakana vita amin'ny volamena na firavaka izay manodidina ny vozona.

Avy amin'ny fahajambana toy izany no hivoahan'ny ota

Satria izy ireo tahaka ny olona jamba izay tsy afa-mahita izay alehany, dia manota izy ireo fa tsy mahalala izany. Ny jamba dia sarinteny ho an'ny olona tsy afaka mahita ny maha ratsy fanahy azy.

mamakivaky ny fon'izy ireo ny eritreri-dratsy

Eto ny mpanao salamo dia mamaritra ny fisainan'ny olona toy ny hoe olona izany. Mamaritra ihany koa izy ny anatin'ireo olona ratsy fanahy toy ny hoe fotodrafitr'asa izay azon'ny olona andehandehanana. DH: "ao anatin'izy ireo no ieritreretan'izy ireo mandrakariva ny momba ireo zava-dratsy hafa ho ataony" (UDB)