plt_tn/psa/068/004.md

32 lines
1.3 KiB
Markdown

# ho an'ny anarany
Izany dia manondro an'Andriamanitra. DH: "ho Azy"
# Ilay mandeha mamakivaky ireo tany lemaka
Ny fanatrehan'Andriamanitra eo amin'ny vahoaka dia lazaina toy ny hoe Izy mandeha ambony tany amin'ny soavaly na kalesy.
# Rain'ny kamboty
Andriamanitra dia lazaina toy ny hoe Andriamanitra mpangoraka izay miasa tahaka ny ray amin'ny kamboty. DH: "Ilay miasa tahaka ny ray ho an'ny zanaka izay tsy manana ray aman-dreny"
# mpitsara ho an'ny mananontena
Andriamanitra dia lazaina ho Andriamanitra mpamindrafo izay miaro ny mananontena. DH: "mpiaro ny mananontena"
# Andriamanitra mametraka ny irery ho ao amin'ny fianakaviana
Andriamanitra dia lazaina fa mametraka ireo olona manirery ao anaty fianakaviana. "Andriamanitra manome fianakaviana ho an'izay tsy manana na iza na iza hiaraha-miaina" (UDB)
# entiny mivoaka amim-kalokalo ny gadra
Andriamanitra dia lazaina ho Ilay mitarika ireo gadra avy ao amin'ny toeram-pigadrany. DH: "Andriamanitra manafaka ireo gadra ary mahatonga azy ireo hikalokalo amim-pifaliana"
# ny mpikomy
Izany dia manondro ireo olona mpikomy. Ny teny "mpikomy" dia azo ambara ho fihetsika. DH: "ireo izay mikomy aminy" (UDB)
# tany karakaina
Ny famaizan'Andriamanitra ireo mpikomy dia lazaina toy ny hoe Izy manery azy ireo hiaina any amin'ny tany hay mafana be. DH: "tany tena mafana sy maina tanteraka" (UDB)