plt_tn/pro/07/10.md

673 B

fetsy am-po

Eto ny "fo" dia entina ilazana ny fihevitra na tetika. DH: "nitetika ny hamitaka olona izy"

vavàna izy no maditra

"Niteny mafy izy ary nanao fihetsika araka ny fomba niriany nanaovana azy"

mahajanona ao an-trano ny tongony

Ny andian-teny hoe "ny tongony" dia maneho ilay vehivavy. DH: "tsy nijanona tao an-trano izy"

miandry mamitsaka

Eto ilay vehivavy dia resahina toy ny hoe miomana ny hamandrika olona na biby mivantana izy. Ary koa, ny hevitra aroson'ny famandrihana olona eto dia maneho ny fandresana lahatra ny olona iray mba hanota. DH: "niandry mba hamandrika olona izy" na "niandry mba hahita olona afaka ho reseny lahatra hanota izy"