plt_tn/pro/07/01.md

1.3 KiB

tandremo ny teniko

Eto ny mitandrina dia midika hoe mankatoa. DH: "ankatoavy ny teniko"

raketo ao anatinao ireo didiko

Eto ny didin'Andriamanitra dia resahina toy ny hoe zavatra izay azon'ny olona atao ao anaty trano fitehirizana. DH: "tadidio ny didiko"

tandremo toy ny anakandriamasonao ny fampianarako

Eto ny mitandrina dia maneho ny fankatoavana. DH: "ankatoavy ny fampianarako"

anakandriamasonao

Ny anakandriamaso dia ny ivon'ny maso, izay arovan'ny olona ho azy tsotra izao rehefa misy zavatra manidina mankeo amin'ny tarehiny. Eto ny "anakandriamaso" dia maneho izay rehetra omen'ny olona lanja sy arovany indrindra. DH: "tahaka ny fanananao sarobidy indrindra"

Fehezo eo amin'ireo rantsan-tananao ireny

Ireo mety ho heviny dia 1) tian'ny mpanoratra ny zanany mba handrakitra ny didy sasany avy amin'Andriamanitra eo amina peratra ka hanao izany, na 2) tian'ny mpanoratra ny zanany mba hahatsiaro hatrany ny didin'Andriamanitra, toy ny hoe manao karazam-peratra iray izy.

soraty eo amin'ny vato fisaky ny fonao ireny

Eto ny fo dia entina ilazana ny sain'ny olona iray, ary ny fahatsiarovana tsara ny zavatra iray dia resahina toy ny hoe manoratra izany eo amin'ny vato fisaka ilay olona. Jereo ny fomba nandikanao izany ao amin'ny 3:3. DH: "tsarovy tsara toy ny hoe nosoratanao teo amin'ny vato ny didiko"