plt_tn/pro/03/03.md

1.1 KiB

Aza avela handao anao ny tsy fivadiham-panekena sy ny fahamendreham-pitokisana

Resahin'ny mpanoratra toy ny hoe olona izay afaka mandao olona iray ny "tsy fivadiham-panekena" sy ny "fahamendreham-pitokisana." Ny fandidiana misy fandrarana dia azo adika amin'ny endrika tsy misy fandrarana. DH: "Ataovy azo antoka ny hampiharanao ny tsy fivadiham-panekena sy ny ho mendri-pitokisana"

hampifamatory eo amin'ny vozonao ireo

Resahin'ny mpanoratra toy ny hoe zavatra izay afaka afatotry ny olona iray eo amin'ny vozony tahaka ny rojo ny fahatokiana sy ny fahamendreham-pitokisana. Ny kisarisary eto dia manolo-kevitra fa zava-tsarobidy izay ahariharin'ny olona eny ivelany ireo. DH: "aharihario am-pireharehana tahaka ny fanaovan'ny olona firavaka izany"

raketo ao amin'ny vato fisaky ny fonao

Eto ny fo dia maneho ny sain'ny olona. Ny saina dia resahina toy ny hoe vato fisaka izay afaka hanoratan'ny olona hafatra sy didy. DH: "tsarovy mandrakariva ireo, toy ny hoe nosoratanao amin'ny fomba maharitra eo amin'ny vato fisaka"

eo imason'Andriamanitra sy ny olona

Eto ny hoe eo imaso dia maneho fitsarana. DH: "amin'ny fitsaran'Andriamanitra sy ny olona"