plt_tn/php/03/01.md

48 lines
2.2 KiB
Markdown

# Fampifandraisana ny foto-kevitra
Mba hampitandremana ireo namana mpino ny amin'ireo Jiosy izay miezaka ny ampanaraka azy ireo ny lalàna taloha, Paoly dia nanome ny fijoroany vavolombelona momban'ny fanenjehany ny mpino.
# Farany, ry rahalahy
"Miresaka zavatra hafa, ry rahalahiko" na "amin'ny raharaha hafa, ry rahalahiko"
# ry rahalahy
Eto dia milaza izany teny izany hoe ireo mpinamana Kristiana, na lahy na vavy, satria ny mpino rehetra an'i Kristy dia mpikambana ao amin'ny fianakaviana ara-panahy iray miaraka amin'Andriamanitra toy ny Rain'izy ireo any an-danitra.
# mifalia ao amin'ny Tompo
"mifalia noho ireo rehetra izay nataon'ny Tompo"
# Tsy manahirana
manelingelina
# Ireny zavatra ireny dia hiaro anareo
Ny fampianaran'i Paoly no lazaina fa "ireny zavatra ireny eto". Fa afaka adika hoe: "satria izany fampianarana izany dia hiaro anareo amin'ireo izay mampianatra ny tsy marina"
# ireo amboa ... mpanao ratsy ... fanapahana rantsam-batana
Ireo dia fomba telo ahafahana mamaritra ny vondrona mitovin'ny mpampianatra sandoka. Paoly dia nampiasa fomba fiteny mahery entina hampitana ny fahatsapany mahakasika ireo Jiosy Kristiana mpampianatra.
# amboa
Ny "amboa" dia nampiasain'ireo Jiosy ilazana ireo olona tsy Jiosy. Izay nataon'izy ireo hoe tsy madio. Paoly dia milaza ireo mpampianatra sandoka ho tahaka ny amboa, mba haniratsirana azy ireo.
# fanapahana rantsam-batana
Eto Paoly dia manao filaza-masaka momba ny famorana mba hanakianana ireo mpampianatra sandoka. Ny mpampianatra sandoka dia miteny hoe Andriamanitra dia tsy manavotra ny olona tsy voafora, izay tsy nanapaka ny lohan-tsitsiny. Izany fanao izany dia notakiana tamin'ireo lehilahy Israelita rehetra tamin'ny alalan'ny lalàn'i Mosesy.
# Fa isika
Paoly dia mampiasa ny "isika" eto entina manondro ny tenany ary ireo mpino marina rehetra ao amin'i Kristy, anisan'izany ireo mpino Filipiana.
# no voafora
Paoly eto dia miresaka ireo mpino ao amin'i Kristy izay tsy voafora ara-batana fa kosa voafora ara-panahy, izay midika hoe nandray ny Fanahy Masina tamin'ny alalan'ny finoana. "Tena olon'Andiamanitra"
# ary tsy mitoky amin'ny nofo
"Aza matoky fa ny fanapahana ny rantsam-batantsika ihany no hampifaly an'Andriamanitra"