plt_tn/php/01/20.md

1.1 KiB

Izany dia araka ny fiandrasako fatratra sy ny antoka

Ny teny hoe " fiandrasako fatratra" sy "antoka" dia mitovitovy dika eto. Paoly dia mampiasa ireo teny ireo miaraka mba hanasongadinana ny hamafin'ny fiandrasany.

ary mbola amin'ny fahasahiana rehetra ihany, ankehitriny tahaka ny hatrizay, dia hisandratra ato amin'ny tenako i Kristy

DH: "fa mino sy manantena miaraka amin'ny fahasahiana aho, ankehitriny tahaka ny hatrizay, fa hisandratra ato amin'ny tenako i Kristy"

fahasahiana rehetra ihany, ankehitriny tahaka ny hatrizay

"Ary izaho dia tena ho sahy, toy ny efa nasahiko foana hatrizay"

dia hisandratra ato amin'ny tenako i Kristy

Ny hoe "tenako" dia milaza izay ataon'i Paoly amin'ny vatany. Mety ho dikany 1) "Hanome voninahitra an'i Kristy amin'izay ataoko aho" na 2) "ny olona dia hidera an'i Kristy noho izay ataoko"

na amin'ny fiainana na amin'ny fahafatesana

"raha hiaina na raha ho faty"

Ho ahy ny hoe miaina dia Kristy ary ny hoe maty dia tombony.

"satria raha handeha hiaina aho, dia hiaina mba hahafaly an'i Jesosy, ary raha maty aho, dia ho tsara kokoa aza.