plt_tn/num/18/19.md

1.4 KiB

Fampifandraisana ny foto-kevitra:

Manohy miresaka amin'i Arona Andriamanitra.

efa nomeko anao

Resahin'Andriamanitra toy ny hoe efa nanao izany Izy satria fanapahan-kevitra izay efa nataony izany. DH: "Omeko ho anao"

ho anjara mitohitohy

Ny anjara dia zaran-javatra izay raisin'ny olona. DH: "ho zara izay ho raisinao hatrany hatrany"

Fanekena maharitra mandrakizay amin'ny sira...fanekena mamatotra mandrakizay

Ireo andianteny roa ireo dia manondro zavatra iray ihany. Ireo miaraka dia manindry fa haharitra mandrakizay ny fanekena. DH: "fanekena mandrakizay"

Fanekena maharitra mandrakizay amin'ny sira

"fanekena natao tamin'ny sira." Ny sira dia manambara faharetana ary nampiasaina tamin'ireo fanatitra sy ireo sakafon'ny fanekena. DH: "fanekena maharitra" na "fanekena maharitra mandrakizay"

Tsy hanana lova ao amin'ny tanin'ny vahoaka ianao

Ny tany izay hananan'ny olona hafa dia resahin'Andriamanitra toy ny hoe ho lovan'izy ireo izany. DH: "Tsy hanana na iray amin'ny tanin'ny vahoaka ianao" na "Tsy hahazo na iray amin'ny tany izay hananan'ireo Israelita ianao"

Izaho no anjaranao sy lovanao

Ny voninahitra lehibe izay ho azon'i Arona sy ireo taranany amin'ny fanompoana Azy ho mpisorona dia resahin'Andriamanitra toy ny hoe zavatra izay ho lovainy Andriamanitra. DH: "Fa kosa, Izaho no ho azonao" na "Fa kosa, avelako hanompo Ahy ianao ary hamatsy anao amin'izany asa fanompoana izany Aho"