plt_tn/num/07/12.md

1.4 KiB

ny andro voalohany

"andro faha-1"

Nasona zanak'i Aminadaba

Ireo dia anaran-dehilahy. Jereo ny nandikanao izany ao amin'ny 1:7.

lovia volafosty iray milanja sekely 130

Raha ilaina, dia afaka soratana amin'ny mari-pandanjana amin'izao fotoana izao ireo lanja ireo. DH: "lovia volafotsy iray milanja iray kilao sy sasany" na "lovia volafotsy iray milanja iray kilao sy 430 grama"

lovia jobo volafotsy iray milanja sekely fitopolo

"lovia jobo volafotsy milanja sekely 70." Raha ilaina, dia afaka soratana amin'ny mari-pandanjana amin'izao fotoana izao ireo lanja ireo. DH: "lovia jobo volafotsy milanja manakaikikaiky ny valo ampahafolo kilao" na "lovia jobo milanja 770 grama"

araka ny sandan'ny lanjan'ny sekelin'ny toerana masina

Misy sekely samy hafa lanja. Io ilay iray izay nampiasain'ny olona ao amin'ny fitoerana masina ao amin'ny lay masina. Raha mandika ireo lanja amin'ny fandanjana amin'izao fotoana izao ianao, ity no fomba hafa handikana io andianteny io. DH: "nolanjaina tamin'ny lanja mahazatra nampiasaina tao amin'ny fitoerana masina"

lafarina tsara toto miharo menaka

DH: "lafarina tsara toto izay nafangarony tamin'ny menaka"

lovia volamena iray milanja sekely folo

Raha ilaina, dia afaka soratana amin'ny fandanjana amin'izao fotoana izao io. DH: "lovia volamena iray milanja ampahafolon'ny kilao" na "lovia volamena iray izay milanja 110 grama"