plt_tn/mrk/10/13.md

1.2 KiB

Fampifandraisana ny foto-kevitra:

Rehefa nibedy ny olona ireo mpianatra tamin'ny fitondran'izy ireo ny zanak'izy ireo ho eny amin'i Jesosy, dia notahiany ireo zaza ary nampahatsiahy an'ireo mpianatra fa ny olona dia tsy maintsy manetry tena tahaka ny zaza mba hiditra ao amin'ny fanjakan'Andriamanitra.

nitondra

"Ary nitondra ny olona." Io no tranga manaraka ao anatin'ny tantara.

mba hametrahany tanana

Izany dia midika fa tokony hikasika azy ireo amin'ny tanana sy hitahy azy ireo Jesosy. DH: "mba hikasihany azy ireo amin'ny tanana sy hitahiany azy ireo" na "mba hahafahany mametraka ny tanany eo amin'izy ireo sy hitahiany azy ireo"

nobedesin'ireo mpianatra izy ireo

"nobedesin'ireo mpianatra ny olona"

nahatsikaritra izany Jesosy

Ny teny hoe: "izany" dia maneho ny fibedesan'ireo mpianatra ny olona izay nitondra ireo zanany ho eo amin'i Jesosy.

Avelao ny zaza hanatona Ahy, ary aza raràna izy ireo

Ireo fehezanteny roa ireo dia mitovitovy dika. DH: "Avelao hanatona Ahy ny zaza"

aza raràna

"avelao"

fa ny fanjakan'Andriamanitra dia an'ireo izay tahaka azy ireny

DH: "ny fanjakan'Andriamanitra dia an'ireo olona izay tahaka azy ireny" na "satria ny olona tahaka azy ireny ihany no isan'ny olon'ny fanjakan'Andriamanitra"