plt_tn/mrk/02/18.md

1.3 KiB

Fampifandraisana ny foto-kevitra:

Jesosy dia milaza fanoharana mba hampiseho hoe nahoana ireo mpianany no tsy tokony hifady hanina rehefa mbola eo Izy.

nifady hanina ireo Fariseo ... sy ny mpianatr'ireo Fariseo

Ireo fehezanteny roa ireo dia maneho vondron'olona mitovy, fa ilay faharoa dia voafaritra tsara . Ireo roa ireo dia maneho an'ireo mpanara-dia an'ireo Fariseo, fa tsy mifantoka amin'ireo mpitarika ireo Fariseo. DH: "ireo mpianatry ny Fariseo dia nifady hanina ... ireo mpianatry ny Fariseo"

lehilahy maromaro

"lehilahy maromaro." Io no tsara ampiasaina handikana io fehezanteny io fa tsy ilaina faritana hoe iza ireo lehilahy ireo. Raha ilaina ho voafaritra tsara amin'ny fomba fiteninao izany, dia ireto avy ny mety ho dikany hafa: 1) ireo lehilahy ireo dia tsy ao anatin'ny mpianatr'i Jaona na mpianatry ny Fariseo ireo, na koa hoe: 2) ireo lehilahy ireo dia anisan'ny mpianatr'i Jaona.

Afaka mifady hanina va ny mpanatrika ny fampakarana raha mbola miaraka amin'izy ireo eo ny mpampakatra?

Jesosy dia mampiasa io fanontaniana io mba hampatsiahivana ireo olona ny zavatra efa fantany sy mankahery azy ireo mba hampihatra izany Aminy sy amin'ireo mpianany. DH: "Ireo mpanatrika ny fampakarana dia tsy tokony hifady hanina raha mbola miaraka amin'izy ireo eo ny mpampakatra. Fa tokony hankalaza sy hifety izy ireo."