plt_tn/mrk/02/03.md

1010 B

efa-dahy no nilanja azy

"efatra tamin'izy ireo no nilanja azy." Tahaka ny hoe: nisy lehilahy mihoatra ny efatra tao anatin'ilay vondrona izay nitondra an'ilay lehilahy ho any amin'i Jesosy.

nitondra lehilahy malemy iray

"nitondra lehilahy iray izay tsy afaka mandeha na mampiasa ireo tanany"

tsy afaka nanatona Azy akaiky

"tsy afaka nanatona akaiky teo amin'izay nisy an'i Jesosy"

nesorin'izy ireo ny tafon-trano izay teo ambonin'i Jesosy ... nanisy lavaka teo amin'izany

Ireo trano izay nipetrahan'i Jesosy dia nisy tafo mahitsy vita tamin'ny tanimanga sy voarakotra zozoro. Ny dingana fanaovana ilay lavaka ao amin'ilay tafon-trano dia afaka azavaina moramora kokoa na atao somary mivelatra kokoa mba ho mora azo amin'ny fomba fiteninao. DH: "nesorin'izy ireo ny ampahan'ny tafo zozoro teo ambonin'izay nisy an'i Jesosy. Ary rehefa avy nandavaka tao amin'ilay tafo tanimanga izy ireo" na "nanao lavaka teo amin'ny tafo teo ambonin'izay nisy an'i Jesosy izy ireo, dia nidina izy ireo avy eo."