24 lines
1.1 KiB
Markdown
24 lines
1.1 KiB
Markdown
# andeha isika hiakatra any an-tendrombohitr'i Yaveh, any an-tranon'Andriamanitr'i Jakoba
|
|
|
|
Ireo tondrombohitra sy ireo trano dia samy fanondroana ny tendrombohitr'i Jerosalema.
|
|
|
|
# Hampianatra antsika ireo fombany Izy, ary handeha amin'ireo lalany isika
|
|
|
|
Eto, ny "fombany" sy ny "lalany" dia manondro izay tian'Andriamanitra hataon'ireo vahoaka. Ary ny "handeha" dia midika fa hankatò izay lazainy izy ireo.
|
|
|
|
# avy ao Ziona no ivoahan'ny lalàna, ary avy ao Jerosalema ny tenin'i Yaveh
|
|
|
|
Eto, ny teny "lalàna" sy ny "teny" dia firesahana zavatra mitovy. Ny firenen'izao tontolo izao dia handre ny lalàn'Andriamanitra ao Jerosalema.
|
|
|
|
# angady
|
|
|
|
Ny angady dia vy misy lelany maranitra izay ampisain'ny olona mba hangadiana ny tany ka hahafahan'izy ireo mamboly voa.
|
|
|
|
# Hively ny sabatr'izy ireo ho angady izy ireo ary ny lefony ho fanetezana
|
|
|
|
Ireo andian-teny ireo dia samy midika fa hanova ny fitaovam-piadian'izy ireo ho fitaovana izay ampisaina mba hamokarana sakafo izy ireo.
|
|
|
|
# fanetezana
|
|
|
|
Ny fanetezana dia ampiasaina mba handrantsanana na hanapahana ny sampana na sampaho amin'ny zava-maniry iray mba hamokaran'izany tsara kokoa.
|